Fampandrenesana
◼ Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Raha liana ilay olona, dia atolory sy iaraho midinika ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra Tsara ny Baiboly?, ka miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Novambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly. Desambra: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Janoary: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? apetraka, raha efa manana boky Ampianarina ilay olona.
◼ Misy faran’ny herinandro dimy amin’ny Novambra, ka tena tsara hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy.
◼ Ho an’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha sy ny mpiandraikitra ny sekoly: Hanomboka amin’ny herinandron’ny 29 Desambra 2008 ilay fandaharam-pivoriana vaovao hataon’ny fiangonana. Ho hita ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Desambra 2008 izy io. Rehefa hanao ny Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana ianareo amin’io herinandro io, dia araho tsara ny toromarika eo amin’ilay hoe Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana, hita ao amin’ny Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2009 eo amin’ny takelaka fanampiny. Tsy hisy zavatra tandremana amin’io fotoana io.
◼ Ho an’ny mpikarakara ny boky sy ny mpiandraikitra ny fanompoana: Mbola misy ambiny amin’ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina atỳ amin’ny sampana, ka handefasanay ny fiangonana rehetra. Azo atolotra koa ny boky Fahasambaram-pianakaviana amin’ny Desambra. Mila manafatra ny boky Fahasambaram-pianakaviana ilainy ny fiangonana.
◼ Hodinihina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana Janoary ilay video hoe Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra. Tokony hanafatra azy io haingana amin’ny alalan’ny fiangonana, izay mila azy io.