FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/08 p. 7
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 10/08 p. 7

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Oktobra 2008. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 1 Septambra ka hatramin’ny 27 Oktobra 2008 izy io.

ZAVATRA TANDREMANA

1. Inona no manampy antsika hamantatra hoe nahoana ny olona no mino zavatra iray? [be p. 259, feh. 1-2]

2. Ahoana no anampiantsika ny olona hanaisotra ny fanavakavahana sy ny fankahalana ao am-pony? [be p. 260, feh. 2]

3. Ahoana no anampiantsika ny olona ampianarintsika, handinika ny fony mba hanatsarany ny fifandraisany amin’i Jehovah? [be p. 261, feh. 3]

4. Inona no tokony hotadidintsika rehefa miezaka manohina ny fon’ny mpihaino isika? [be p. 262, feh. 5]

5. Nahoana isika no tokony hamita ara-potoana ny anjarantsika amin’ny fivorian’ny fiangonana? [be p. 263, feh. 1-3, efajoro]

ANJARA No. 1

6. Inona no nahatonga an’i Paoly hanoratra ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina? [si p. 210, feh. 3]

7. Inona no antony sasany nanoratan’i Paoly ny taratasiny faharoa ho an’ny Korintianina? [si p. 214, feh. 1-2]

8. Ahoana no tokony ho fiheveran’ny Kristianina ny fanompoana? [si p. 216-217, feh. 18]

9. Ahoana no ahafahantsika mahazo sitraka amin’Andriamanitra sy manao izay hahafaly ny rahalahintsika, toa an’ireo rahalahy tany Filipy? [si p. 225, feh. 12]

10. Inona no vokatry ny fitiavan’i Paoly sy ireo namany, teo amin’ny fiangonan’i Tesalonika? [si p. 231, feh. 13]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Inona no dikan’ny hoe ‘atolotra ho an’i Satana handringanana ny nofo ilay lehilahy [ratsy fanahy], mba ho voavonjy ny toe-tsain’ny fiangonana’? (1 Kor. 5:5) [w 15/7/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Korintianina”]

12. “Isaky” ny inona no tokony hankalazaina ny nahafatesan’i Jesosy, ary mandra-pahoviana? (1 Kor. 11:26) [w 15/7/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Korintianina”]

13. Inona ilay fahitana resahina ao amin’ny 2 Korintianina 12:2-4, ary iza no azo inoana fa nahita izany? [w 15/10/04 p. 8, feh. 4; p. 10, feh. 9]

14. Nahoana ny Lalàn’i Mosesy no noharin’i Paoly tamin’ny ‘mpitaiza mitarika ho amin’i Kristy’? (Gal. 3:24) [w 1/3/08 p. 18-21]

15. Inona no dikan’ilay vavak’i Paoly hoe: ‘Hotehirizina anie ilay toe-tsaina sy aina ary vatana iraisan’ireo’ rahalahy? (1 Tes. 5:23) [w 15/9/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Taratasy ho An’ny Tesalonianina sy ho An’i Timoty”]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara