Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2009
TOROMARIKA
Toy izao ny fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana, mandritra ny taona 2009.
LOHARANON-KEVITRA: Ireo anjara dia hiorina amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao [bi12], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe [lr] ary Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs].
Tokony hatomboka ARA-POTOANA amin’ny teny fohy fiarahabana tonga soa ilay sekoly. Hampiditra ny anjara manaraka ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny vita ny anjara tsirairay. Toy izao ny fandaharana:
HEVITRA MISONGADINA AO AMIN’NY BAIBOLY: 10 minitra. Tokony hiorina amin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro ny hevitra hovelabelarin’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana mahay. Haharitra efatra minitra izany. Rehefa ny toko voalohany amin’ny boky iray ao amin’ny Baiboly kosa no hovakina, dia tokony hiorina amin’ny “Soratra Rehetra” ilay famelabelarana. Ny toko dimy voalohany amin’ny Genesisy, ohatra, no hovakina amin’ny herinandron’ny 5 Janoary. Tokony hifidy hevi-dehibe vitsivitsy avy amin’ireo fehintsoratra voalohandohany momba ny Genesisy, ao amin’ny “Soratra Rehetra” àry ilay mpandahateny. Tokony hampihariny amin’ny zavatra ilain’ny fiangonana ireo hevitra ireo. Na hevitra misongadina avy ao amin’ny Baiboly no velabelarina, na hevitra avy ao amin’ny “Soratra Rehetra”, dia izao no zava-kendrena: Ny hanampy ny mpanatrika hahazo hoe nahoana ilay fanazavana no mahasoa, ary ahoana no andraisan’izy ireo soa avy amin’izany. Tokony hitandrina ilay mpandahateny mba tsy hihoatra ilay efatra minitra natokana ho an’io tapany voalohany io. Tokony hatokany handraisan’ny mpanatrika anjara ny enina minitra tavela. Hasainy hilaza fohy izay hevitra nahaliana azy tao amin’ny famakiana Baiboly izy ireo. Tsy tokony hihoatra ny 30 segondra izany. Hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra, avy eo.
ANJARA No. 1: 4 minitra na latsaka. Vakiteny ataon’ny rahalahy izy io. Tokony hamaky ilay anjara nanendrena azy ilay mpianatra, fa tsy hanao teny fampidirana na famaranana. Ny tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny hanampy ny mpianatra hahazo tsara izay vakiny, hiteny misosa tsara, hanao fanamafisan-kevitra mety tsara, hanovaova feo, hiato araka ny tokony ho izy, ary hiteny tsotra sy tsy amboamboarina.
ANJARA No. 2: 5 minitra. Anabavy no hanao azy. Hifidy ny faritra hampiasainy izy, na homena iray avy ao amin’ny lisitra ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, pejy 82. Tokony hampiasaina ilay loha hevitra nomena, ary hatao toy ny tena eny amin’ny saha ilay famelabelarana. Tokony hatao mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny faritany koa ilay izy. Raha tsy voalaza ny loharanon-kevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo boky aman-gazetintsika ilay mpianatra, mba hitadiavana fanazavana. Ny tena hojeren’ilay mpiandraikitra dia ny fomba hamelabelaran’ilay mpianatra ny foto-kevitra. Hojereny koa ny fomba hanampiany an’ilay olona iresahany, mba hisaintsaina izay voalazan’ny Baiboly sy hahatakatra ny hevi-dehibe nohazavaina. Hanendry mpanampy iray ny mpiandraikitra ny sekoly.
ANJARA No. 3: 5 minitra. Rahalahy na anabavy no hanao azy. Tokony hamelabelatra ilay loha hevitra nomena ilay mpianatra. Raha tsy voalaza ny loharanon-kevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo boky aman-gazetintsika izy, mba hitadiavana fanazavana. Tokony hatao toy ny lahateny izy ity, raha rahalahy no manao azy. Tokony hatao toy ny Anjara No. 2 kosa ilay izy, raha anabavy no manao azy. Rahalahy foana no tokony hotendrena hanao ny loha hevitra misy kintana kely, ary anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana, raha azo atao.
TOROHEVITRA: 1-2 minitra. Tsy hilaza mialoha ny zavatra tandreman’ny mpianatra ny mpiandraikitra ny sekoly. Hanao teny fiderana momba ny lafiny tsara iray tamin’ny famelabelarana izy, rehefa vita ny Anjaran’ny mpianatra No. 1, No. 2, ary No. 3. Homarihiny koa ny antony mahatonga ilay zavatra notandreman’ilay mpianatra ho tafavoaka tsara, ka hevitra avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana no hoentiny hanamafisana izany. Mbola mety hisy torohevitra tsara azo omena mitokana, aorian’ny fivoriana na amin’ny fotoana hafa, raha mila izany ireo mpianatra.
FAHARETANY: Tsy tokony hihoatra ny fotoana hanaovana ireo anjara sy hanomezana torohevitra. Tokony hatsahatra àry ny anjaran’ny mpianatra rehefa tapitra ny fotoana, nefa tsy atao miharihary be loatra ny fampahafantarana izany. Tokony homena torohevitra mitokana ireo rahalahy manao ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, raha mihoatra ny fotoana nomena azy. Tokony hanaja fotoana ny rehetra. Haharitra 30 minitra ny fandaharana manontolo.
TARATASIN-TOROHEVITRA: Ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana.
MPANOME TOROHEVITRA MPANAMPY: Ankoatra ilay mpiandraikitra ny sekoly, dia mety hifidy anti-panahy mahay iray, raha misy, ireo anti-panahy mba ho mpanome torohevitra mpanampy. Anti-panahy mahay hafa no hanao azy io amin’ny taona manaraka, raha maromaro ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana. Hanome torohevitra mitokana an’ireo rahalahy manao ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly izy, raha ilaina izany. Tsy voatery hanome torohevitra izy aorian’ny lahateny tsirairay ataon’ny anti-panahy namany na mpanampy amin’ny fanompoana.
FAMERENANA NY SEKOLIN’NY FANOMPOANA: 20 minitra. Hampanao famerenana ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny roa volana. Hatao ao alohan’izy io ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly. Hifototra amin’ny zavatra nodinihina nandritra ny roa volana lasa ny famerenana, anisan’izany ilay herinandro hanaovana azy io. Hahemotra ho amin’ny herinandro manaraka ilay famerenana, raha manatrika fivoriamben’ny faritra ny fiangonanareo amin’ilay herinandron’ny Famerenana. Ny Anjara No. 1, No. 2 ary No. 3 izay tokony hatao amin’ny herinandro manaraka no hatao eny amin’ny fivoriambe. Tsy tokony hisy fiovana ny famakiana Baiboly isan-kerinandro, sy ny famelabelarana ny hevitra misongadina.
FANDAHARANA
5 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 1-5
No. 1: Genesisy 3:1-15
No. 2: Nahoana no Mpampianatra Lehibe i Jesosy? (lr toko 1)
No. 3: Inona no Tsy Very Maina? (1 Kor. 15:58)
12 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 6-10
No. 1: Genesisy 9:1-17
No. 2: Fomba Hamaliana ny Olona Tsy Mino An’Andriamanitra (rs p. 42 § 1–p. 43 § 1)
No. 3: Taratasy avy Amin’Andriamanitra Fitiavana (lr toko 2)
19 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 11-16
No. 1: Genesisy 14:1-16
No. 2: Ilay Nanao ny Zavatra Rehetra (lr toko 3)
No. 3: Ahoana no Amolavolan’i Jehovah Antsika? (Isaia 64:8)
26 Jan. Famakiana Baiboly: Genesisy 17-20
No. 1: Genesisy 17:1-17
No. 2: Nahoana ny Olona no Tsy Nahavita Nanorina Fitondram-panjakana Manao ny Rariny? (rs p. 253 § 1-6)
No. 3: Manana Anarana Andriamanitra (lr toko 4)
2 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 21-24
No. 1: Genesisy 22:1-18
No. 2: “Ity no Zanako” (lr toko 5)
No. 3: a Inona no Azontsika Atao mba Hihamalalaka ny Fontsika, ka ho Tia ny Hafa Isika? (2 Kor. 6:11-13)
9 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 25-28
No. 1: Genesisy 25:1-18
No. 2: Nanompo ny Olona Ilay Mpampianatra Lehibe (lr toko 6)
No. 3: Nahoana no Tsy Voalamin’ny Olombelona ny Zava-manahirana Azy, na dia Miezaka aza Izy? (rs p. 254 § 1-6)
16 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 29-31
No. 1: Genesisy 29:1-20
No. 2: Nahoana Isika no Tsy Tokony ‘Hanahy Intsony’? (Matio 6:25)
No. 3: Miaro Anao ny Fankatoavana (lr toko 7)
23 Feb. Famakiana Baiboly: Genesisy 32-35
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
2 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 36-39
No. 1: Genesisy 39:1-16
No. 2: Misy Olona Ambony Noho Isika (lr toko 8)
No. 3: Ny Fanjakan’Andriamanitra Ihany no Hanome Izay Tena Ilain’ny Olombelona (rs p. 254 § 7–p. 255 § 4)
9 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 40-42
No. 1: Genesisy 40:1-15
No. 2: Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika (lr toko 9)
No. 3: b Mitandrema mba Tsy Hanao Izay Tianao Fotsiny!
16 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 43-46
No. 1: Genesisy 44:1-17
No. 2: Mahery Noho ny Demonia i Jesosy (lr toko 10)
No. 3: Tena Azo Itokisana ny Faminaniana ao Amin’ny Baiboly (rs p. 256 § 1-4)
23 Mar. Famakiana Baiboly: Genesisy 47-50
No. 1: Genesisy 48:1-16
No. 2: Tokony Hatahotra ny Devoly ve Isika?
No. 3: Manampy Ireo Anjelin’Andriamanitra (lr toko 11)
30 Mar. Famakiana Baiboly: Eksodosy 1-6
No. 1: Eksodosy 1:1-19
No. 2: Mampianatra Antsika Hivavaka i Jesosy (lr toko 12)
No. 3: Avy Amin’ny Fanahy Masina ve ny Fanasitranana Ataon’ny Olona Ankehitriny? (rs p. 173 § 1-4)
6 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 7-10
No. 1: Eksodosy 9:1-19
No. 2: Ireo Lasa Mpianatr’i Jesosy (lr toko 13)
No. 3: c Mifanohitra ve ny Voalazan’ny Galatianina 6:2 sy ny Galatianina 6:5?
13 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 11-14
No. 1: Eksodosy 12:21-36
No. 2: Nahoana Isika no Tokony Hamela Heloka? (lr toko 14)
No. 3: Mitovy Amin’ny Fanasitranana Nataon’i Jesosy sy ny Apostoliny ve ny Fanasitranana Ataon’ny Olona Ankehitriny? (rs p. 174 § 1-4)
20 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 15-18
No. 1: Eksodosy 15:1-19
No. 2: Inona no Dikan’ny hoe Miala Amin’ny Fivavahan-diso?
No. 3: Ohatra Momba ny Hatsaram-panahy (lr toko 15)
27 Apr. Famakiana Baiboly: Eksodosy 19-22
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
4 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 23-26
No. 1: Eksodosy 24:1-18
No. 2: Inona no Tena Sarobidy? (lr toko 16)
No. 3: Ahoana no Amantarana ny Tena Kristianina? (rs p. 174 § 5–p. 175 § 4)
11 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 27-29
No. 1: Eksodosy 29:1-18
No. 2: Inona no Mahasambatra? (lr toko 17)
No. 3: d Nahoana no Mampidi-doza ny Tsy Fivadihana Diso Toerana?
18 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 30-33
No. 1: Eksodosy 31:1-18
No. 2: Nahoana no Nomena Fahaizana Manasitrana Ireo Kristianina Voalohany? (rs p. 176 § 1–p. 177 § 1)
No. 3: Mahay Misaotra ve Ianao? (lr toko 18)
25 Mey Famakiana Baiboly: Eksodosy 34-37
No. 1: Eksodosy 37:1-24
No. 2: Mety ve ny Miady? (lr toko 19)
No. 3: e Inona no Atao hoe Milefitra Loatra, ary Nahoana Isika no Tsy Tokony Hanao Izany?
1 Jona Famakiana Baiboly: Eksodosy 38-40
No. 1: Eksodosy 40:1-19
No. 2: Te ho Voalohany Foana ve Ianao? (lr toko 20)
No. 3: Tsy Harary Intsony ve Isika Indray Andro Any? (rs p. 177 § 2-4)
8 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 1-5
No. 1: Levitikosy 4:1-15
No. 2: Tokony Hirehareha ve Isika? (lr toko 21)
No. 3: f Ahoana no Tokony Hampiharan’ny Kristianina ny Fahefany?
15 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 6-9
No. 1: Levitikosy 8:1-17
No. 2: ‘Mino ny Fanasitranana ve Ianao?’ (rs p. 177 § 5-6)
No. 3: Nahoana no Ratsy ny Mandainga? (lr toko 22)
22 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 10-13
No. 1: Levitikosy 11:29-45
No. 2: Nahoana no Marary ny Olona? (lr toko 23)
No. 3: Ny Fitahiana Azon’ireo Vita Batisa
29 Jona Famakiana Baiboly: Levitikosy 14-16
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
6 Jolay Famakiana Baiboly: Levitikosy 17-20
No. 1: Levitikosy 19:1-18
No. 2: Efa Nisy ve Isika Talohan’ny Naha Olombelona Antsika? (rs p. 321 § 2–p. 322 § 3)
No. 3: Mitandrema sao Lasa Mpangalatra! (lr toko 24)
13 Jolay Famakiana Baiboly: Levitikosy 21-24
No. 1: Levitikosy 22:17-33
No. 2: Afaka Miova ve Ireo Nanao Zava-dratsy? (lr toko 25)
No. 3: Manampy ny Mahantra ny Tena Kristianina
20 Jolay Famakiana Baiboly: Levitikosy 25-27
No. 1: Levitikosy 25:39-54
No. 2: Nahoana no Sarotra ny Manao ny Tsara? (lr toko 26)
No. 3: Ho Nankany An-danitra ve i Adama Raha Tsy Nanota? (rs p. 322 § 4-5)
27 Jolay Famakiana Baiboly: Nomery 1-3
No. 1: Nomery 3:1-20
No. 2: Nahoana no Mitaky Fifehezan-tena ny Fahalemem-panahy?
No. 3: Iza no Andriamanitrao? (lr toko 27)
3 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 4-6
No. 1: Nomery 4:1-16
No. 2: Iza no Tokony Hankatoavina? (lr toko 28)
No. 3: Tsy Maintsy Mankany An-danitra ve Isika vao Tena ho Sambatra? (rs p. 322 § 6–p. 323 § 2)
10 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 7-9
No. 1: Nomery 9:1-14
No. 2: Mampifaly An’Andriamanitra ve ny Fety Rehetra? (lr toko 29)
No. 3: Ahoana no Anehoantsika fa Tsy Mivadika Amin’i Jehovah Isika?
17 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 10-13
No. 1: Nomery 13:17-33
No. 2: Inona no Manampy Antsika Handresy ny Tahotra? (lr toko 30)
No. 3: Inona no Dikan’ny Teny ao Amin’ny 1 Petera 3:19, 20? (rs p. 323 § 3)
24 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 14-16
No. 1: Nomery 14:26-43
No. 2: Inona no Dikan’ny hoe Tia ny Lalàn’Andriamanitra? (Sal. 119:97)
No. 3: Aiza no Hahitana Fampaherezana? (lr toko 31)
31 Aog. Famakiana Baiboly: Nomery 17-21
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
7 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 22-25
No. 1: Nomery 22:20-35
No. 2: Ahoana no Niarovana An’i Jesosy? (lr toko 32)
No. 3: Inona no Dikan’ny Teny ao Amin’ny 1 Petera 4:6? (rs p. 323 § 4)
14 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 26-29
No. 1: Nomery 27:1-14
No. 2: Inona no Atao hoe Mitaiza Zanaka Araka ny Fomba Fisainan’i Jehovah? Nahoana Izany no Ilaina? (Efes. 6:4)
No. 3: Afaka Miaro Antsika i Jesosy (lr toko 33)
21 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 30-32
No. 1: Nomery 32:1-15
No. 2: Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty? (lr toko 34)
No. 3: Manantena ho any An-danitra ve ny Kristianina Rehetra? (rs p. 324 § 1-3)
28 Sept. Famakiana Baiboly: Nomery 33-36
No. 1: Nomery 33:1-23
No. 2: Afaka Hitsangana Amin’ny Maty Isika! (lr toko 35)
No. 3: Amin’ny Lafiny Inona avy ny Fanjakan’Andriamanitra no Ambony Noho ny Fanjakan’olombelona?
5 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 1-3
No. 1: Deoteronomia 2:1-15
No. 2: Inona no Lazain’ny “Testamenta Vaovao” Momba ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany? (rs p. 325 § 1–p. 326 § 2)
No. 3: Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka? (lr toko 36)
12 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 4-6
No. 1: Deoteronomia 4:15-28
No. 2: Tsarovy i Jehovah sy ny Zanany (lr toko 37)
No. 3: Rahoviana no Azo Lazaina hoe Tsara Kokoa ny Kely? (Ohab. 15:16)
19 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 7-10
No. 1: Deoteronomia 9:1-14
No. 2: Nahoana Isika no Tokony ho Tia An’i Jesosy? (lr toko 38)
No. 3: Olona Firy no ho any An-danitra, Araka ny Baiboly? (rs p. 326 § 3-4)
26 Okt. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 11-13
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
2 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 14-18
No. 1: Deoteronomia 15:1-15
No. 2: Inona no Atao hoe Fahatahorana An’Andriamanitra?
No. 3: Tsaroan’Andriamanitra ny Zanany (lr toko 39)
9 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 19-22
No. 1: Deoteronomia 22:1-19
No. 2: Ahoana no Hampifaliana An’Andriamanitra? (lr toko 40)
No. 3: Jiosy Daholo ve Ireo 144 000? (rs p. 326 § 5–p. 327 § 2)
16 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 23-27
No. 1: Deoteronomia 25:1-16
No. 2: Ankizy Mampifaly An’Andriamanitra (lr toko 41)
No. 3: g Inona avy no Zavatra Tokony Hoheverintsika ho Masina?
23 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 28-31
No. 1: Deoteronomia 30:1-14
No. 2: Nahoana Isika no Mila Miasa? (lr toko 42)
No. 3: Inona no Fanantenana ho An’ny “Vahoaka Be”, Araka ny Baiboly? (rs p. 327 § 3-5)
30 Nov. Famakiana Baiboly: Deoteronomia 32-34
No. 1: Deoteronomia 32:1-21
No. 2: Inona ‘Ilay Andro Lehiben’i Jehovah’? (Zef. 1:14)
No. 3: Iza avy no Rahalahy sy Anabavintsika? (lr toko 43)
7 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 1-5
No. 1: Josoa 5:1-15
No. 2: Ny Olona Tia An’Andriamanitra no Tokony ho Namantsika (lr toko 44)
No. 3: Tiantsika ho Tonga ve ny Fanjakan’Andriamanitra? (lr toko 45)
14 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 6-8
No. 1: Josoa 8:1-17
No. 2: Horavana Amin’ny Rano Indray ve Ity Tontolo Ity? (lr toko 46)
No. 3: Nahoana no Mahasoa ny Torohevitra ao Amin’ny Mpitoriteny 7:21, 22?
21 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 9-11
No. 1: Josoa 9:1-15
No. 2: Ahoana no Ahafantarantsika fa Akaiky ny Hara-magedona? (lr toko 47)
No. 3: Afaka Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra Ianao (lr toko 48)
28 Des. Famakiana Baiboly: Josoa 12-15
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
b Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
c Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
d Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
e Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
f Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.
g Ho an’ny rahalahy ihany ary tsara kokoa raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana.