FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/08 p. 3
  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 6/08 p. 3

Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 30 Jona 2008. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 5 Mey ka hatramin’ny 30 Jona 2008 izy io.

ZAVATRA TANDREMANA

1. Inona no azontsika atao mba hahazoana antoka fa ho azon’ny olona ny fanoharana ampiasaintsika? [be p. 242, feh. 3–p. 243, feh. 1]

2. Nahoana no mandaitra ny fampiasana fanoharana tsotra avy amin-javatra mahazatra? [be p. 245, feh. 2-4]

3. Nahoana no ilaina ny fahaizana mampiasa zavatra hita maso? Ahoana no nampiasan’i Jehovah zavatra hita maso mba hampianarana lesona lehibe? (Gen. 15:5; Jer. 18:6; Jona 4:10, 11) [be p. 247, feh. 1-2]

4. Ahoana no hampiasantsika zavatra hita maso mba hanatsarana ny fampianarantsika? [be p. 248, feh. 1-3]

5. Nahoana no andraisan-tsoa ny fampiasana sarintany rehefa mampianatra Baiboly? [be p. 248, feh. 4]

ANJARA No. 1

6. Inona avy no soa azontsika avy amin’ny fianarana Baiboly, noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra? [be p. 32, feh. 3-4]

7. Ahoana no azontsika ampiasana ny Baiboly mba hahalalana ny hevitry ny andinin-teny iray? [be p. 34, feh. 4–p. 35, feh. 2]

8. Nampiasain’i Jehovah hitondra fitahiana ho an’ny olombelona i Jesosy. Ahoana no anantitranteran’ny Filazantsaran’i Jaona an’izany? [si p. 198, feh. 32]

9. Inona no porofo araka ny Soratra Masina ilazana fa i Lioka dokotera no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly? [si p. 199, feh. 3; p. 200, feh. 5-7]

10. Ahoana no fanaovana ny drafitry ny lahateny iray, amin’ny ankapobeny? [be p. 39-41]

FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO

11. Ny tempoly naorin’iza no naorina nandritra ny “enina amby efapolo taona”? (Jaona 2:20) [w 15/4/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona”]

12. Iza ireo “niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana”? (Jaona 5:24, 25) [w 15/4/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona”]

13. Mampiasa mpisolo anarana hoe “azy io” sy “ilay izy” ny Jaona 14:16, 17 rehefa miresaka momba ilay mpanampy na ny fanahin’ny fahamarinana. Mpisolo anarana hoe “izy” kosa no ampiasaina ao amin’ny Jaona 16:7, 8, 13, 14. Nahoana? [w 15/4/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona”]

14. Nahoana i Jesosy no niteny tamin’i Maria Magdalena mba tsy hamikitra taminy? (Jaona 20:17) [w 15/4/08 “Velona ny Tenin’i Jehovah—Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Jaona”]

15. Inona no dikan’ny hoe “toy” ny fomba niakaran’i Jesosy tany an-danitra ihany ny fiaviany? (Asa. 1:9-11) [rs p. 277, feh. 5; w 15/1/05 p. 14, feh. 20–p. 15, feh. 21]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara