FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/08 p. 3-4
  • Fotoana Hifaliana sy Handraisana Sakafo Ara-panahy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fotoana Hifaliana sy Handraisana Sakafo Ara-panahy
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Vonona Hanatrika Ilay Fanasambe ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Araho ny Dian’i Kristy ka Manehoa Fanajana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fotoana Mahafaly ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Hampiharihary ny Fahamarinana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 6/08 p. 3-4

Fotoana Hifaliana sy Handraisana Sakafo Ara-panahy

1. Ahoana no ikarakaran’i Jehovah izay ilain’ny mpanompony eo amin’ny lafiny ara-panahy?

1 Mikarakara amim-pitiavana izay ilain’ny mpanompony eo amin’ny lafiny ara-panahy i Jehovah. Mosarena ara-panahy ny ankamaroan’ny olona eto amin’ity tontolo ity, fa isika kosa misakafo tsara eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Isaia 65:13) Fomba iray amahanan’i Jehovah antsika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona. Efa miomana hanatrika ny fandaharana rehetra amin’ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra ho avy ve ianao? Izao no foto-kevitr’izy io: “Araho ny Fitarihan’ny Fanahy Masina.” Sakafo ara-panahy matsiro sy mahasalama no nomanina ho amin’izany.

2. Inona avy no mila alamina mialoha rehefa hanatrika fivoriambe?

2 Miomàna: “Ny hevitry ny [na fandaminana mialoha ataon’ny] mazoto dia mampanan-karena.” (Ohab. 21:5) Alamino mialoha àry ny zava-drehetra, mba hahafahanao hanatrika ilay fivoriambe maharitra telo andro. Mangataha avy hatrany andro tsy iasana amin’ny mpampiasa anao, raha ilaina izany. Efa nalaminao ve ny momba ny trano ilasianao, raha mila izany ianao? Eritrereto koa ny momba ny sakafo antoandro, mba hahafahanao hisakafo eo amin’ny toerana anaovana fivoriambe, miaraka amin’ireo rahalahy. Ataovy izay hahatongavana aloha isan’andro, mba hahafahanao hahita toerana sy hahatratra ny hira sy vavaka fanokafana.

3. Tokony hanao ahoana ny fitafiantsika?

3 Irintsika ny hanao akanjo maotina sy milamina tsara. (1 Tim. 2:9, 10) Fotoana mety tsara hitoriana amin’ny besinimaro ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Tokony hanao fitafy mendrika sy hametaka ny karatry ny fivoriambe foana isika, rehefa ao amin’ilay tanàna hanaovana fivoriambe. Hisy vokany tsara eo amin’ireo olona mahita antsika izany, sady hampiavaka antsika amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity.

4. Inona no hanampy antsika sy ny ankohonantsika handray soa be indrindra avy amin’ny fandaharana?

4 Mihainoa tsara: Tsy irintsika ny ho diso anjara, na dia kely aza, amin’ny sakafo ara-panahy haroson’i Jehovah ho antsika! (Ohab. 22:17, 18) Tokony hanaraka ao amin’ny Baibolintsika isika, rehefa misy andinin-teny vakina, ary handray an-tsoratra fohy. Hanampy antsika hifantoka sy tsy hiriorio saina izany, ary ho afaka hiresaka ny hevitra nahaliana antsika isika, rehefa hariva. Voamarika nandritra ireo fivoriambe faramparany, fa niara-nipetraka ny tanora sasany ary niresaka na nifandefa hafatra tamin’ny finday fotsiny, nandritra ny fandaharana. Raha manan-janaka mbola zatovo isika, dia tsara angamba ny miara-mipetraka aminy sy miara-mihaino ny fandaharana aminy, fa tsy hamela azy hiara-mipetraka amin’ny tanora hafa any an-toeran-kafa.

5. Inona no azo atao mba hampitomboana ny fifaliantsika, rehefa manatrika fivoriambe?

5 Ankafizo ny fiarahana amin’ny hafa: Mahafinaritra kokoa ny mihinana sakafo matsiro, rehefa iarahana amin’ny namana. (Ohab. 15:17) Toy izany koa fa mampitombo ny fifaliantsika ny fiarahana amin’ireo rahalahy sy anabavy any amin’ny fivoriambe. Tena mahafinaritra àry ny mifankahalala amin’ny mpanatrika hafa sy mifampahery amin’izy ireo, aloha sy aorian’ny fandaharana, ary amin’ny fiatoana. (Sal. 133:1) Tokony hofaranantsika kosa ny resatsika, rehefa manasa antsika amin-katsaram-panahy hamonjy toerana ny mpitari-draharaha, alohan’ny hanombohan’ny mozika.

6. Mitantarà zava-nitranga taminao, izay mampiseho fa azo atao ny mitory amin’ny olona eo amin’ny tanàna hanaovana fivoriambe.

6 Aoka ho mailaka hitory: Matetika ny fivoriambe no fotoana faran’izay tsara mba hitoriana. Maro ny mpanatrika fivoriambe nahavita niresaka momba ny fahamarinana, rehefa nisakafo tany amin’ny hotely, taorian’ny fandaharana. Nanontany azy ireo momba ilay foto-kevitra teo amin’ny karatry ny fivoriambe mantsy ny mpandroso sakafo sy ny olon-kafa. Nisy tamin’ireny olona nanontany ireny nasaina, ka tonga nanatrika fivoriambe.

7. Inona avy no azontsika atao mba hampisehoana fiahiana ny hafa?

7 Ampio ny hafa mba hanatrika: Nampirisika ny rahalahiny i Paoly mba “hifampihevitra.” (Heb. 10:24) Misy rahalahy sy anabavy mila ampiana hanatrika fivoriambe ve ao amin’ny fianarana boky misy anao? Azonao ampiana ve ny olona ampianarinao Baiboly mba hiara-manatrika fivoriambe aminao, na dia iray andro monja aza? Nahoana raha resahina amin’ny fianakavianao tsy Vavolombelona ny fikasanao hamonjy fivoriambe, ary asaina izy ireo? Mety hitondra fitahiana tsy ampoizina ny ezaka ataonao amim-pitiavana.

8. Nahoana isika no tokony hanatrika ilay fivoriamben’ny vondrom-paritra ho avy?

8 An’arivony ny ora lany nanomanana ny fandaharana sy ireo anjara, ary nandaminana ny toerana sy ny sampan-draharaha samihafa. Atao amim-pitiavana ny asa fanomanana ireny sakafo ara-panahy ireny. Mampiseho ny fiahian’i Jehovah sy ny fitiavany ny vahoakany izany. Enga anie isika rehetra mba ho eo, ary hazoto homana! Tsy ho sahala amin’ity tontolo ity isika raha manao izany, fa “hihoby noho ny faharavoam-po.”—Isaia 65:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara