Nahoana Izy Ireo no Voretra?
Aoka hatao hoe manasa vahiny hisakafo ianao. Rehefa laniny ny sakafo, dia atsipiny eo amin’ny tany ny taolana na ny hoditra voankazo na ny voam-boankazo. Ariany eny an-tokotany koa ny fonona vatomamy. Ahoana no fahitanao ny vahiny toy izany?
Mety hidika izany fa tsy miraharaha anao izy, na tsy mahalala fomba, na tsy tia anao mihitsy aza. Azo inoana fa mety tsy hanasa azy intsony ianao. Olona manaja ny fanananao kosa no tianao hifaneraserana.
Manaja ny fananan’ny hafa ve ianao? Mety hamaly avy hatrany ianao hoe: ‘Mazava ho azy! Tsy manary taolana na zavatra hafa eo amin’ny tany na eny an-tokotany mihitsy aho, rehefa misy manasa.’ Tsy manao izany tokoa angamba ianao rehefa any an-tranon’olona. Ahoana anefa rehefa manatrika fotoan-dehibe any amin’ny tranom-panjakana na fananam-bahoaka hafa? Aiza no anarianao ny taratasy na harona plastika nisy ny sakafonao? Ahoana ny amin’ny fonona vatomamy na tavoahangy nisy ranom-boankazo? Ary ny voan’ny voankazo nohaninao na ny hodiny, toy ny hoditr’akondro? Ataonao aiza ireo rehetra ireo?
Manala baraka: Afa-baraka ny tany maro ankehitriny noho ny habetsahan’ny fako arian’ny olona eny rehetra eny. Feno taratasy, fonon-javatra, voankazo lo na hoditra voankazo, gazety, ary fako hafa, ny kianja avy nanaovana fifaninanana ara-panatanjahan-tena.
Mihamaro ny olona tsy manaja ny fananan’ny hafa, indrindra ny fananam-bahoaka. Tsy azo lavina izany. Feno fako natsipy avy ao anaty fiaran’olon-tsotra na taxi-brousse ny arabe. Misy fonona vatomamy sy sisan-tsigara ary zavatra hafa miparitaka koa any amin’ny tranom-panjakana. Toa ahitana fako navelan’ny mpandeha foana any anaty fiarandalamby sy fiara fitateram-bahoaka, ary na dia eny ambony posiposy aza. Milaza ny gazetiboky anglisy iray, fa “mbola tsy nisy fako mahatsiravina toy izao mihitsy hatramin’izay”, ary ireo fahazaran-dratsy voalaza etsy aloha no mahatonga izany.
Marina fa mora alaim-panahy hanary fako etsy sy eroa isika, satria ‘manao izany daholo ny olona.’ Tokony ho voretra ve anefa ianao, satria voretra ny olona? Tsia, indrindra fa raha mianatra ireo toro lalana tsara ao amin’ny Baiboly ianao. Tsy maintsy miahy ny hafa ny olona matahotra an’Andriamanitra. Tsy maintsy madio sy milamina koa izy, na ao an-tokantrano na any an-tranon’olona na eny amin’ny toerana faleham-bahoaka, ary na inona na inona ataon’ny hafa. Fantany fa rehefa miezaka ny tsy ho voretra izy, dia mankatò ny fitsipika ambony omen’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, indrindra ilay hoe: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tianao ve raha anarian’ny olona fako foana ao an-tranonao na eo an-tokotaninao? Azo antoka fa tsia. Aza atao amin’ny fananan’olona àry izany, na an’olon-tsotra ilay izy na an’ny vahoaka.
Ny tena antony: Nahoana anefa no maro be ny olona voretra? Anisan’ny tena antony mahatonga izany ny ohatra ratsy avelan’ny olon-dehibe ho an’ny ankizy. Mamela ohatra ratsy ho an-janany koa avy eo ireny ankizy ireny rehefa lehibe. Hitohy foana àry ilay olana. Raha tsy mampaninona ny ray aman-dreny mantsy ny manaparitaka fako etsy sy eroa, dia azo inoana fa tsy hampaninona ny zanany koa. Mety tsy hiova mihitsy izany, na dia any amin’ny taranaka fara mandimby aza.
Ao an-tokantrano no toerana voalohany tokony hianarana fahadiovana, ka ny ray aman-dreny no hanomboka izany. Tokony hianatra hanaraka fitsipika momba ny fahadiovana izy ireo, ary hampihatra izany na ao an-tokantrano na any an-tranon’olona na any amin’ny toerana faleham-bahoaka. Inona no tokony ho antony hanaovan’izy ireo izany? Satria izany no tokony hatao, sady takin’Andriamanitra. Fanajana ny mpiara-monina koa izany.
Ahoana anefa raha efa miezaka ny ho modely ny ray aman-dreny, nefa mbola manarinary fako etsy sy eroa ihany ny zanany, satria mahita ny mpiara-monina na ny mpiara-mianatra aminy manao izany? Mbola manana adidy hananatra azy ihany izy ireo. Tokony hibedy ny zanany izy ireo raha manarinary fako etsy sy eroa ilay zaza, na ao an-tokantrano na any an-tranon’olona na any amin’ny toerana faleham-bahoaka. Diso izy ireo raha tsy manao izany.
Tadidio fa tsy lavorary ny zanakao: Tsy tokony hanantena anefa ny ray aman-dreny hoe ho tia fahadiovana ho azy ny zanany. Nahoana? Noho ity fahamarinana tena lehibe ao amin’ny Ohabolana 22:15 ity: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana.”
Mora manao ratsy tokoa ny ankizy satria tsy lavorary. Vao mainka anefa izy hanao hadalana raha tsy omena toromarika momba izay tsara sy ratsy. Ahoana no azo anitsiana azy? Izao no tohin’ilay ohabolana: “Ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.”
Tokony hotadidin’ny ray aman-dreny àry fa tsy lavorary ny zanany, ka mora manao ratsy. Izany no mahatonga azy ireo hila fananarana, na sazy mihitsy aza indraindray, ka ireo nahitany masoandro no tokony hanao izany. Tsy azo ailika amin’ny mpampianatra na ny anti-panahy na ny havana na ny olon-kafa io andraikitra io.
Atombohy dieny izy mbola kely: Izao no amaritan’ny diksionera iray ny hoe fananarana: “Fampianarana sy fanazarana mba hananana fitondran-tena mety sy hahatsara ny zavatra atao.” Anisan’ny zavatra tokony hampianarina ny ankizy ny fahadiovana. Mbola kely izy dia efa tokony hatomboka izany. Arakaraka ny iandrasan’ny ray aman-dreny no mahasarotra an’ilay izy.
Ahoana no hampianarana azy ho tia fahadiovana? Misy fomba maromaro. Voalohany, mila manome modely ny ray aman-dreny. Tena zava-dehibe izany. Raha miezaka mandray izay zavatra latsaka, ohatra, izy ireo, ary mametraka izany ao amin’ny fitoerany, dia efa mampianatra ny zanany hanao toy izany sahady. Anisan’ny fomba tsara indrindra ampianarana ny ankizy mantsy ny fanomezana modely.
Faharoa, mila miresaka aminy momba ny fahadiovana ny ray aman-dreny. Mbola kely izy dia efa tokony hampianarina, fa tsy mety ny manary zavatra etsy sy eroa sy mandoto trano na tokotany. Azo hazavaina aminy fa tsy tia ny mpiara-monina aminy ny olona manary fako etsy sy eroa. Izay manao ny tsara koa no tian’Andriamanitra sy ny ray aman-dreny ary ny mpiara-monina, fa tsy izay manao ratsy. Azo ampianarina azy koa fa efa misy fitoerany ny fako, ka ao ihany izany no apetraka fa tsy amin’ny toerana hafa.
Azo lazaina aminy fa tokony hanao izany foana izy na aiza na aiza alehany, indrindra rehefa any am-pivoriana, izay toerana ivavahana amin’i Jehovah Andriamanitra. Azo inoana fa tsy tian’ny ray aman-dreny mihitsy raha ny zanany no manary zavatra ao amin’ny toerana toy izany. Tsy fanajana an’Andriamanitra izany, sady manala baraka ilay fandaminana misy azy ireo.
Takatry ny ankizy ve anefa ny fampianarana toy izany, raha tena mbola kely izy? Misy olona mihevitra fa mbola hanary zavatra etsy sy eroa ihany ilay ankizy, na dia efa ampianarina aza. Eritrereto àry izao: Kivy ve ianao raha efa herintaona ny zanakao, nefa mbola tsy mahay miteny tsara ihany? Mazava ho azy fa tsia. Mbola hampianatra azy teny sy fehezanteny hatrany ianao, ka hanomboka hahay hiteny izy rehefa mandeha ny fotoana. Rehefa feno efa-taona na dimy taona izy, dia ho hainy tsara ny fiteniny na dia sarotra aza! Raha fotoana fohy toy izany aza dia efa ampy hahaizan’ny ankizy miteny sy manoratra ary mamaky teny, nahoana moa izy no tsy hahay hitandro fahadiovana? Azo inoana fa ho hainy izany, ao anatin’ny taona vitsivitsy. Mila fananarana fotsiny izy, izany hoe zarina mba hanana fitondran-tena mety sy hanao zavatra tsara.
Marina fa ilana fotoana sy faharetana vao ho takatry ny ankizy ny zavatra isan-karazany ampianarina azy. Mila averimberina imbetsaka sy tsy tapaka ny sasany amin’izany. Ho azon’ilay ankizy anefa izay ampianarina azy, rehefa afaka volana na taona vitsivitsy. Hanomboka haka tahaka ny modely omen’ny ray aman-dreniny izy. Ho azony koa fa mila apetraka amin’ny fitoerany ny zava-drehetra, ka hanao izany izy. Ilana fotoana sy ezaka be tokoa izany, nefa raha tsy atao, dia mety tsy ho hain’ilay zaza mihitsy.
Tafiditra amin’ny fananarana na fanazarana koa ny famaizana. Tsy mankatò ny toromarika omena azy ny ankizy indraindray, na dia azony tsara sy vitany aza ny manaraka izany. Tokony hofaizin’ny ray aman-dreniny izy amin’izay. Tsy omena ny zavatra tiany, ohatra, izy, na kapohina mihitsy. Hisy vokany ireo rehetra ireo rehefa mandeha ny fotoana. Hoy ny Ohabolana 22:6: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”
Hita fa tsy mitovy: Hita ny tsy fitovian’ny ankizy tsara taiza sy ny ankizy ratsy taiza, rehefa misy fivoriana any an-tranon’olona na any an-toeran-kafa. Ny ankizy ratsy taiza sy ny ray aman-dreniny mazàna no mora manaparitaka potipoti-javatra na fako eo amin’ny manodidina azy. Tsy manao toy izany kosa ny zaza tsara taiza. Hita fa voafehin’ny ray aman-dreniny tsara izy ireo, ka mahalala fomba ary tsy manaparitaka fako etsy sy eroa.
Hita koa izany tsy fitoviana izany ao an-tokantrano. Matetika no mandoto ny efitranony ny ankizy ratsy taiza. Atsipitsipiny eny amin’ny tany ny akanjony na ny zavatra hafa. Rehefa tsy alain’ny reniny ireo zavatra ireo, dia mikorontana eo foana ny efitranony. Apetraky ny ankizy tsara taiza ao amin’ny fitoerany kosa ny zavatra avy ampiasainy. Alaminy tsara foana ny efitranony, satria fantany fa izany no takin’ny ray aman-dreniny.
Mazava ho azy fa manao hadalana ihany indraindray, na dia ny ankizy tsara taiza aza. Mbola zaza ihany mantsy izy ireo, ka tsy tokony hantenaina hitondra tena toy ny olon-dehibe mahalala fomba. Fampahatsiahivana kely fotsiny matetika dia ampy, na dia ilaina aza indraindray ny mandray fepetra hentitra kokoa.
Hisy vokany tsara izany fanazarana izany, na dia mitaky faharetana sy fotoana lava aza. Ho tia fahadiovana izy rehefa lehibe, ary hampita izany amin’ny zanany koa. Tsy hitovy amin’ny olona voretra izy mianakavy.
Soa azo: Azo ampianarina ny ankizy àry fa misy fotoanany ary misy fitoerany ny zava-drehetra. Ao ny fotoana ihinanana, ary ao ny fotoana anesorana ny fako. Handray soa lehibe ny ray aman-dreny raha miezaka manokana fotoana hampianarana fahadiovana ny zanany, dieny mbola kely ilay zaza. Tsy ho sahirana na ho be raharaha na halahelo izy ireo rehefa mandeha ny fotoana, satria ho tia fahadiovana ny zanany. Ho lasa fomba fiainan’ilay zaza mihitsy aza izany. Ho hitan’ireo ray aman-dreniny amin’izay, fa tsy voatery hananatra ny zanany foana izy vao hadio ilay zaza.
Hilamina tsara foana koa ny trano, ary hihena ny fanadiovana tsy maintsy ataon’ny ray aman-dreny. Tsy mila manadio ny trano rehetra intsony izy ireo satria efa mandray anjara amin’izany ny zanany. Mihena àry ny raharahan’ny ray aman-dreny, rehefa ampianariny tsy hanarinary fako etsy sy eroa ny ankizy.
Tsy hampahadio an’izao tontolo izao anefa ny ray aman-dreny sy ny ankizy tia fahadiovana. Azo inoana fa mbola ho feno fako ihany maneran-tany. Ho afa-po anefa ianao rehefa mahalala fa nanao izay tokony ho nataonao, sady nitondra soa ho an’ny fianakavianao sy ny namanao, ary indrindra fa ny mpiray finoana aminao. Ho voatosika hanahaka anareo mianakavy koa ny olona vonona hiova, rehefa mahita anareo mitsimpona fako sy mametraka izany ao amin’ny fitoerany.
Tsy tia ny mpiara-belona aminy ny olona voretra tsy mety miova. Andriamanitra anefa no tena tsy tiany, raha ny marina, na tsapan’izy ireo izany na tsia. Hoy mantsy ny Baiboly: “Raha misy manao hoe: ‘Tia an’Andriamanitra aho’, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy. Fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.”—1 Jaona 4:20.
Mampalahelo fa tsy miraharaha ny fananan’ny hafa ny olona any amin’ny toerana sasany. Misy tanora manimba zavatr’olona na fananam-bahoaka, mba hahazoana fahafinaretana fotsiny. Fanahy inian’izy ireo asiana soratsoratra na sarisary koa ny zavatra nandanian’ny olona vola be. Misy tezitra rehefa mahita an’ireny fanimbana ny fananan’ny hafa ireny. Mandray anjara amin’izany koa anefa izy, rehefa manary fako eny amin’ny zaridainam-panjakana, na arabe, na tranom-panjakana. Mankatò ny fananarana nomen’i Jesosy ve ny olona toy izany? Hoy mantsy izy: “Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.” (Matio 7:12) Tsy tia ny mpiara-belona aminy ny olona manimba ny fananan’ny hafa. Asehony koa fa tsy tiany ilay fikasan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa.
Alohan’ny hanarianao taratasy eny an-dalàna na avy ao anaty fiara àry, dia manontania tena hoe: “Faly ve i Jehovah raha mandoto an’ity tany tsara tarehy namboariny ity aho?”
Miezaha àry mba tsy ho voretra, na dia voretra aza ny olon-kafa. Hajao ny fananan’ny hafa, na an’olon-tsotra izany na an’ny vahoaka. Manaja an’Andriamanitra ianao raha manao izany, satria Andriamanitry ny filaminana izy. Manaja ny mpiara-belona aminao koa ianao. Hidera anao izy ireo noho ny fahadiovanao. Ho hita fa mankatò ireo didy roa lehibe indrindra tokony harahin’ny olona ianao, dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona.—Matio 22:37-39; 1 Jaona 4:21.