Valin’ny Fanontanianareo
◼ Mety ve ny manangona an’ireo loharanon-kevitra na lahatsoratra ilaina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, ary mizara izany amin’ny olon-kafa?
Azo atao izany raha ho an’ny mpianakavy na ny namana akaiky vitsivitsy. Tsy tokony hozaraina amin’ny besinimaro na hamidy anefa ny loharanon-kevitra na lahatsoratra toy ireny, satria fandikana ny lalàna momba ny zon’ny mpamorona izany.—Rom. 13:1.
Ny loha hevitra fotsiny no omena amin’ny anjara sasany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, fa tsy misy loharanon-kevitra. Mety ve raha manao lisitr’ireo boky na gazety ilaina ny olona iray, na koa manangona lahatsoratra, mba hampiasain’izay mahazo izany anjara izany? Tsia. Tsy mety koa ny manangona ny valin’ireo fanontaniana amin’ny Famerenana Am-bava, mba hampiasain’ny olon-kafa, satria tsy hanampy azy hitadidy ny hevi-dehibe izany. Tokony hanao fikarohana ny mpianatra tsirairay. Lafiny lehibe amin’ilay fampiofanana omen’i Jehovah antsika mantsy ny fikarohana, mba hanampiana antsika hiteny toy ny olona “efa mahay.”—Isaia 50:4.