Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay video Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana?, mba hiomanana amin’ny fiaraha-midinika hatao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny herinandron’ny 25 Septambra. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra sy ny Mifohaza! Aogositra. Asehoy amin’ny iray amin’ireo fampisehoana, ny fomba hamaliana ny hoe: “Manana ny fivavahako aho.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 17-18.
20 min: Mandraisa Soa Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana sy ny Sekolin’ny Fanompoana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, pejy 64 ka hatramin’ny lohatenikely eo amin’ny pejy 69.
15 min: Taratasy avy Amin’ny Sampana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ilay taratasy eo amin’ny pejy voalohany. Adinadino izay olona manana fitantarana mahaliana rehefa nametraka ny laharana manokana tamin’ny Mifohaza! Septambra, na ireo vaovao nandroso hatramin’izay nanatrehany Fahatsiarovana.
Herinandron’ny 18 Septambra
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Inona no Zava-bitantsika Tamin’ny Taon-dasa? Mpiandraikitra ny fanompoana miresaka momba ny taom-panompoana lasa, ka mifantoka amin’ireo zava-bita tsara teo amin’ny fanompoana. Manaova teny fiderana mety tsara. Milazà lafin-javatra iray na roa azo iezahana amin’ny taona ho avy. Resaho ny asa tsara nataon’ny mpisava lalana, ary derao izy ireo noho ny fahazotoany. Lazao ny vokatra tsara azo tamin’ny fanampiana ireo tsy nitory intsony.
25 min: “Ezaka Manokana Hatao ny 16 Oktobra–12 Novambra!” Fiaraha-midinika velombelona ataon’ny anti-panahy. Vakio aloha ny fampandrenesana ao amin’ilay taratasy ho an’ny anti-panahy, tamin’ny 6 Jona 2006. Izarao ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 37 iray avy ny mpanatrika rehetra, aorian’izay. Iaraho midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo ilay lahatsoratra. Resaho ny fandaharana atao eo an-toerana mba hamitana tanteraka ny faritany. Ampirisiho ny mpitory rehetra mba handray anjara feno amin’io ezaka manokana io. Asio fampisehoana fohy iray.
Herinandron’ny 25 Septambra
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana an’ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Septambra. Manaova fampisehoana miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra na Mifohaza! Septambra. Ataovy fitoriana eny an-dalana ilay izy.
25 min: “Video Tena Mendrika Hosaintsainina”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 1, dia asao ny mpanatrika hilaza vetivety izay tsapany momba ilay video Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana? Iaraho midinika avy hatrany ny fanontaniana tsirairay eo amin’ny fehintsoratra 2-7.
10 min: Fitantarana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra hitany rehefa nametraka ilay Mifohaza! laharana manokana, na rehefa nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny boky Ampianarina tamin’ny fitoriana voalohany. Azo atao fampisehoana ny zavatra niavaka iray na roa.
Herinandron’ny 2 Oktobra
7 min: Fampandrenesana. Resaho ny Valin’ny Fanontanianareo.
13 min: “Fitoriana Isan-trano.”b Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny, raha ampy ny fotoana.
25 min: “Nahoana Izy Ireo no Voretra?” Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ataon’ny anti-panahy. Tokony hovakina daholo ny fehintsoratra rehetra eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Atombohy dieny izy mbola kely”, sy ny fehintsoratra telo farany, alohan’ny hametrahana ireo fanontaniana. Iaraho midinika aloha ilay lohatenikely hoe “Hita fa tsy mitovy”, ary manaova fampisehoana maharitra dimy minitra, aorian’izay. Miresaka amin’ny zanany efa zatovo aloha ireo ray aman-dreny, hoe nahoana no tsy tokony hatsipy eny rehetra eny ny fako. Miresaka amin’ny zanany kely efatra na dimy taona indray izy ireo avy eo, hoe nahoana no tsy tokony hariana na havela ao amin’ny Efitrano Fanjakana na eny an-tokotany, ny poti-taratasy na fako hafa. Rehefa mirava, dia tokony hojerena raha madio ilay toerana, ary hotsimponina ny fako raha misy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.