FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/05 p. 3-6
  • Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2006

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2006
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Lohatenikely
  • Toromarika
  • FANDAHARANA
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 10/05 p. 3-6

Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2006

Toromarika

Toy izao ny fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana, mandritra ny taona 2006.

LOHARANON-KEVITRA: Ireo anjara dia hiorina amin’ny Baiboly Masina [bi2], Ny Tilikambo Fiambenana [w], Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana [be], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], ary Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs].

Tokony hanomboka ARA-POTOANA amin’ny hira sy vavaka ary teny fohy fiarahabana tonga soa ilay sekoly. Hampiditra ny anjara manaraka ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny vita ny anjara tsirairay. Toy izao manaraka izao ny fizotran’ny fandaharana.

ZAVATRA TANDREMANA: 5 minitra. Hamelabelatra ny zavatra tandremana miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana ny mpiandraikitra ny sekoly, na ny mpanome torohevitra mpanampy, na anti-panahy mahay hafa. (Azo ampanaovina mpanampy amin’ny fanompoana mahay izy io raha tsy ampy ny anti-panahy.)

ANJARA No. 1: 10 minitra. Tokony hataon’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy io, ary hiorina amin’ny Tilikambo Fiambenana, na Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.” Tokony ho lahateny fampianarana folo minitra tsy misy famerenana am-bava ity anjara ity. Tsy ny hamelabelatra ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hifantoka amin’ny lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana dinihina, ka hanasongadina izay zavatra tena ilain’ny fiangonana. Ny loha hevitra ato amin’ny fandaharana no tokony hampiasaina. Tokony hamita azy io ara-potoana ny rahalahy asaina manao ity lahateny ity. Mety homena torohevitra mitokana izy, raha ilaina.

HEVITRA MISONGADINA AO AMIN’NY BAIBOLY: 10 minitra. Tokony hampihatra ireo hevitra amin’ny zavatra ilain’ny fiangonana ny anti-panahy na ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay iray, mandritra ny dimy minitra voalohany. Azony atao ny mamelabelatra ny toko rehetra nasaina novakina nandritra ny herinandro. Tsy tokony ho famintinana fotsiny an’ireo toko nasaina novakina izy io. Ny tena zava-kendrena dia ny hanampy ny mpanatrika hahazo hoe nahoana ilay fanazavana no mahasoa, ary ahoana no andraisan’izy ireo soa avy amin’izany. Tokony hitandrina ilay mpandahateny mba tsy hihoatra ilay dimy minitra natokana ho an’ny tapany voalohany. Tokony hatokany handraisan’ny mpanatrika anjara ny dimy minitra farany. Tokony hasaina hanome valin-teny fohy (tsy mihoatra ny 30 segondra) ny mpanatrika, ny amin’izay hevitra nahaliana azy tao amin’ny famakiana Baiboly, sy ny soa noraisiny tamin’izany. Hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra, avy eo.

ANJARA No. 2: 4 minitra na latsaka. Vakiteny ataon’ny rahalahy iray izy ity. Tokony hamaky ilay anjara nanendrena azy ilay mpianatra, nefa tsy hanao teny fampidirana na famaranana. Raha ao amin’ny Salamo ny anjarany, dia tokony hovakiny ireo teny mampiditra an’ilay toko (tsy anisan’izany ny sora-mandry). Ny tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny hanampy ny mpianatra hahazo tsara izay vakiny, hiteny misosa tsara, hanao fanamafisan-kevitra mety tsara, hanovaova feo, hiato araka ny tokony ho izy, ary hiteny tsotra, tsy amboamboarina.

ANJARA No. 3: 5 minitra. Anabavy no hanao azy io. Hifidy ny faritra hampiasainy ny mpianatra hanao ity anjara ity, na homena iray avy ao amin’ny lisitra ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy faha-82. Tokony ho ilay loha hevitra nomena no hampiasain’ilay mpianatra, ary hataony toy ny tena eny amin’ny saha ilay famelabelarana sady azo ampiharina eo amin’ny faritanin’ny fiangonana. Raha tsy voalaza ny loharanon-kevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo bokintsika ilay mpianatra mba hitadiavana fanazavana hanaovana ity anjara ity. Tokony ho anjara misy loharanon-kevitra no homena ny mpianatra vaovao. Ny tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny fomba hamelabelaran’ilay mpianatra ny foto-kevitra, ny fomba hanampiany an’ilay olona hisaintsaina izay voalazan’ny Soratra Masina sy hahatakatra ny hevi-dehibe amin’ilay fanazavana. Hanendry mpanampy iray ny mpiandraikitra ny sekoly.

ANJARA No. 4: 5 minitra. Tokony hamelabelatra ilay loha hevitra nomena ilay mpianatra. Raha tsy voalaza ny loharanon-kevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo bokintsika izy mba hitadiavana fanazavana hanaovana ity anjara ity. Azo atao toy ny lahateny izy ity, raha rahalahy no manao azy. Tokony hatao toy ny Anjara No. 3 kosa ilay izy, raha anabavy no manao azy. Azon’ny mpiandraikitra ny sekoly omena rahalahy ny Anjara No. 4, rehefa hitany fa mety ny hanaovana izany. Rahalahy ihany no tokony hotendrena hanao ny loha hevitra misy kintana kely, ary lahateny no hanaovany azy.

FAHARETANY: Tokony ho vita ara-potoana ny anjara rehetra, sy ny fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Tokony hatsahatra amin’ny fomba voalanjalanja ireo Anjara No. 2 ka hatramin’ny No. 4, rehefa tapitra ny fotoana. Tokony homena torohevitra mitokana ireo rahalahy manao ny lahateny fanokafana momba ny zavatra tandremana, na ny Anjara No. 1, na ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, raha mihoatra ny fotoanany. Tokony hanaja ny fotoana nomena azy ny rehetra. Haharitra 45 minitra ny fandaharana manontolo. Tsy ao anatin’izany ny hira sy ny vavaka.

TOROHEVITRA: 1 minitra. Hanao fanamarihana mahasoa momba ny lafiny tsara iray tamin’ny famelabelarana ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny mahavita ny anjarany ny mpianatra No. 2, No. 3, ary No. 4. Tsy tokony hihoatra ny iray minitra anefa izany. Tsy ampy ny milaza hoe “tena tsara.” Tokony hiresaka antony voafaritra tsara nahatonga an’io lafiny io handaitra kosa izy. Mbola mety hisy torohevitra tsara azo omena mitokana, aorian’ny fivoriana na amin’ny fotoana hafa, raha mila izany ny mpianatra tsirairay.

MPANOME TOROHEVITRA MPANAMPY: Ankoatra ilay mpiandraikitra ny sekoly, dia mety hifidy anti-panahy mahay iray, raha misy, ireo anti-panahy mba ho mpanome torohevitra mpanampy. Raha maromaro ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana, dia anti-panahy mahay hafa no hanao azy io amin’ny taona manaraka. Hanome torohevitra mitokana an’ireo rahalahy manao ny Anjara No. 1 sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly izy, raha ilaina izany. Tsy voatery hanome torohevitra izy aorian’ny lahateny tsirairay ataon’ny anti-panahy namany na mpanampy amin’ny fanompoana.

TARATASIN-TOROHEVITRA: Ao amin’ny boky.

FAMERENANA AM-BAVA: 30 minitra. Hampanao famerenana am-bava ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny roa volana. Hisy fandinihana ny zavatra tandremana sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, alohan’izy io. Hifototra amin’ny zavatra nodinihina nandritra ny roa volana lasa ny famerenana am-bava, anisan’izany ilay herinandro hitsahina. Raha manatrika fivoriamben’ny faritra ny fiangonanareo amin’ny herinandron’ny famerenana am-bava, dia ny fandaharana tokony hatao amin’ny herinandro manaraka no atao eny amin’ny fivoriambe. Hatao amin’ny herinandro manaraka kosa ilay famerenana sy ny fandaharana hafa miaraka aminy. Raha mitsidika ny fiangonanareo ny mpiandraikitra ny faritra amin’ny herinandro hanaovana ny famerenana am-bava, dia tokony harahina foana ny fandaharana ho an’ilay herinandro, anisan’izany ny hira, ny zavatra tandremana, ary ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly. Tsy atao kosa anefa ny famerenana am-bava, fa ny lahateny fampianarana ho an’ny herinandro manaraka no hasolo azy. Hatao ny herinandro manaraka ny famerenana am-bava, rehefa vita ny zavatra tandremana sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly ho an’io herinandro io.

FANDAHARANA

2 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 29-32 Hira 91

Zavatra Tandremana: Mandraisa Soa Faran’izay Betsaka Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana (be p. 5 § 1–p. 8 § 1)

No. 1: Mahità Fifaliana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra (be p. 9 § 1–p. 10 § 1)

No. 2: 2 Tantara 30:1-12

No. 3: Nahoana no Tsy Miteny Ratsy ny Kristianina?

No. 4: Vokatry ny Ota eo Amin’ny Fifandraisana Amin’Andriamanitra (rs p. 122 § 3–p. 123 § 3)

9 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 33-36 Hira 144

Zavatra Tandremana: Vakiteny Tsy Misy Diso (be p. 83 § 1–p. 84 § 1)

No. 1: 2 Tantara—Nahoana no Mahasoa? (si p. 84 § 34-36)

No. 2: 2 Tantara 34:1-11

No. 3: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanahy? (rs p. 149 § 1-5)

No. 4: Aza Menatra Mihitsy Manaraka ny Fitsipi-pitondran-tena ao Amin’ny Baiboly

16 Jan. Famakiana Baiboly: Ezra 1-5 Hira 137

Zavatra Tandremana: Fomba Hamakiana Teny Tsy Misy Diso (be p. 84 § 2–p. 85 § 3)

No. 1: Teny Fampidirana ny Ezra (si p. 85-86 § 1-7)

No. 2: Ezra 1:1-11

No. 3: Ireo Soa Azo Rehefa Miasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretana

No. 4: Fanahy ny Biby (rs p. 149 § 6–p. 151 § 1)

23 Jan. Famakiana Baiboly: Ezra 6-10 Hira 106

Zavatra Tandremana: Teny Voatonona Mazava Tsara (be p. 86 § 1-6)

No. 1: Ezra—Nahoana no Mahasoa? (si p. 87 § 14-18)

No. 2: Ezra 6:1-12

No. 3: Maty ny Fanahy, Rehefa Maty ny Olona (rs p. 151 § 2–p. 153 § 3)

No. 4: aNy Fiheveran’Andriamanitra ny Fanambadiana

30 Jan. Famakiana Baiboly: Nehemia 1-4 Hira 161

Zavatra Tandremana: Fomba Hitenenana Mazava (be p. 87 § 1–p. 88 § 3)

No. 1: Teny Fampidirana ny Nehemia (si p. 88 § 1-5)

No. 2: Nehemia 2:1-10

No. 3: Ny Tena Fiadanana

No. 4: Inona ny Fanahy Masina? (rs p. 154 § 1-3)

6 Feb. Famakiana Baiboly: Nehemia 5-8 Hira 40

Zavatra Tandremana: Fanononana Mety Tsara—Lafin-javatra Tokony Hodinihina (be p. 89 § 1–p. 90 § 3)

No. 1: Vakio Isan’andro ny Baiboly (be p. 10 § 2–p. 12 § 3)

No. 2: Nehemia 5:1-13

No. 3: Inona no Porofo fa Manana ny Fanahy Masina ny Olona Iray? (rs p. 154 § 5–p. 155 § 3)

No. 4: “Tandremo ny Fonao” (Ohab. 4:23)

13 Feb. Famakiana Baiboly: Nehemia 9-11 Hira 159

Zavatra Tandremana: Fomba Hanatsarana ny Fanononana (be p. 90 § 4–p. 92)

No. 1: Mianatra Mihavana fa Tsy Mianatra Miady (w 1/1/04 p. 6 § 8–p. 7 § 6)

No. 2: Nehemia 10:29-38

No. 3: Porofo fa Tia Antsika i Jehovah

No. 4: Tsy Manana Fanahy Tsy Mety Maty ny Olona (rs p. 156 § 1–p. 157 § 1)

20 Feb. Famakiana Baiboly: Nehemia 12-13 Hira 118

Zavatra Tandremana: Fitenenana Misosa Tsara (be p. 93 § 1–p. 94 § 3)

No. 1: Nehemia—Nahoana no Mahasoa? (si p. 90-91 § 16-19)

No. 2: Nehemia 13:1-14

No. 3: Nahoana no Tsy Afaka Mifandray Amin’ny Maty Isika? (rs p. 379 § 1-5)

No. 4: bTsy Tokony Hanao Lalao Video Misy Herisetra ny Kristianina

27 Feb. Famakiana Baiboly: Estera 1-5 Hira 215

Zavatra Tandremana: Fomba Hanatsarana ny Fitenenana (be p. 94 § 4–p. 96 § 2, afa-tsy ny efajoro p. 95)

Famerenana Am-bava

6 Mar. Famakiana Baiboly: Estera 6-10 Hira 74

Zavatra Tandremana: Raha Miakanakam-piteny Ianao (be p. 95, efajoro)

No. 1: Teny Fampidirana ny Estera sy Nahoana no Mahasoa? (si p. 91-94 § 1-6, 16-18)

No. 2: Estera 6:1-10

No. 3: Afaka Mampianina Fahatezerana Mafy ny Famaliana Mora

No. 4: Nahoana no Tsy Mifandray Amin’ny Fanahy Ratsy ny Kristianina? (rs p. 380 § 1–p. 381 § 6)

13 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 1-5 Hira 160

Zavatra Tandremana: Fiatoana Takin’ireo Mari-piatoana sy Alohan’ny Hifindrana Amin’ny Hevitra Hafa (be p. 97 § 1–p. 98 § 6)

No. 1: Teny Fampidirana ny Joba (si p. 95-96 § 1-6)

No. 2: Joba 2:1-13

No. 3: Aza Liana Amin’ny Herin’ny Demonia (rs p. 381 § 7–p. 382 § 3)

No. 4: Nahoana no Tsy Tokony Himonomonona ny Kristianina?

20 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 6-10 Hira 214

Zavatra Tandremana: Fiatoana ho Fanamafisana sy Hihainoana (be p. 99 § 1–p. 100 § 4)

No. 1: Sarobidy Kokoa ny Harena Ara-panahy (w 15/10/04 p. 4 § 2–p. 5 § 3)

No. 2: Joba 7:1-21

No. 3: Ny Atao hoe Madio Am-po

No. 4: Ahoana no Anafahan-tena Amin’ny Herin’ny Fanahy Ratsy? (rs p. 382 § 4–p. 383 § 4)

27 Mar. Famakiana Baiboly: Joba 11-15 Hira 8

Zavatra Tandremana: Fanamafisan-kevitra Mety Tsara (be p. 101 § 1–p. 102 § 3)

No. 1: “Tandremo ny Fihainonareo” (be p. 13 § 1–p. 14 § 5)

No. 2: Joba 12:1-25

No. 3: Aza Manao Izay Tianao Atao Fotsiny (rs p. 145 § 1-4)

No. 4: Nahoana no Mahafaly Antsika ny Fanompoana?

3 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 16-20 Hira 50

Zavatra Tandremana: Fomba Hanatsarana ny Fahaiza-manamafy Hevitra (be p. 102 § 4–p. 104 § 4)

No. 1: Maneho ny Fitiavantsika An’Andriamanitra ve Isika? (w 1/3/04 p. 19-21)

No. 2: Joba 16:1-22

No. 3: Ahoana no Itaoman’i Jehovah ny Olona mba Hanompo Azy?

No. 4: cLoza Ateraky ny Avonavona sy ny Fikomiana (rs p. 146 § 1-2)

10 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 21-27 Hira 119

Zavatra Tandremana: Fanamafisana Ireo Hevitra Fototra (be p. 105 § 1–p. 106 § 2)

No. 1: Mahasoa ny Harena Ara-panahy (w 15/10/04 p. 5 § 4–p. 7 § 2)

No. 2: Joba 24:1-20

No. 3: Manome Hery Fanampiny i Jehovah

No. 4: dMitandrema Amin’ny Fanirian’ny Nofo (rs p. 146 § 3)

17 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 28-32 Hira 100

Zavatra Tandremana: Hamafin’ny Feo Antonony Tsara (be p. 107 § 1–p. 108 § 5)

No. 1: Fihainoana any Am-pivoriana sy any Amin’ny Fivoriambe (be p. 15 § 1–p. 16 § 5)

No. 2: Joba 29:1-25

No. 3: Aza Manaiky ho Resin’ny Fanirian’ny Maso (rs p. 147 § 1-2)

No. 4: Nahoana no Nampitolagaga ny Vahoaka ny Fomba Fampianaran’i Jesosy?

24 Apr. Famakiana Baiboly: Joba 33-37 Hira 94

Zavatra Tandremana: Fomba Hanatsarana ny Hamafin’ny Feo (be p. 109 § 1–p. 110 § 3)

Famerenana Am-bava

1 Mey Famakiana Baiboly: Joba 38-42 Hira 154

Zavatra Tandremana: Ovaovay Araka ny Toe-javatra ny Hamafin’ny Feonao (be p. 111 § 1–p. 112 § 2)

No. 1: Joba—Nahoana no Mahasoa? (si p. 100 § 39-43)

No. 2: Joba 38:1-24

No. 3: Inona no Porofo fa Tanteraka Ankehitriny ny Isaia 60:22?

No. 4: eAsan’ny Nofo ny Teny Maloto sy ny Herisetra (rs p. 147 § 3)

8 Mey Famakiana Baiboly: Salamo 1-10 Hira 168

Zavatra Tandremana: Ovaovay ny Hafainganam-piteninao (be p. 112 § 3–p. 113 § 1)

No. 1: Teny Fampidirana ny Salamo—Fizarana 1 (si p. 101 § 1-5)

No. 2: Salamo 4:1–5:12

No. 3: Matokia An’Andriamanitra fa Tsy ny Olona (rs p. 148 § 1-2)

No. 4: Hazòny ny Modelin’ny Teny Mahasoa

15 Mey Famakiana Baiboly: Salamo 11-18 Hira 217

Zavatra Tandremana: Ovaovay ny Haavon’ny Feonao (be p. 113 § 2–p. 114 § 4)

No. 1: Teny Fampidirana ny Salamo—Fizarana 2 (si p. 102 § 6-11)

No. 2: Salamo 14:1–16:6

No. 3: Amin’ny Lafiny Inona avy no Tsy Anisan’izao Tontolo Izao ny Kristianina?

No. 4: Iza no Tena Mahatonga ny Olona Hijaly? (rs p. 229 § 1-2)

22 Mey Famakiana Baiboly: Salamo 19-25 Hira 23

Zavatra Tandremana: Asio Fihetseham-po ny Fiteninao (be p. 115 § 1–p. 116 § 4)

No. 1: Ahazoana Sitraka ny Fahendrena (w 15/7/04 p. 27 § 4–p. 28 § 3)

No. 2: Salamo 22:1-22

No. 3: Avy Aiza ny Fijaliana? (rs p. 229 § 3–p. 230 § 1)

No. 4: fAhoana no Ampahatsiahivan’i Jehovah Antsika, ary Nahoana Isika no Tokony Hitandrina Izany?

29 Mey Famakiana Baiboly: Salamo 26-33 Hira 203

Zavatra Tandremana: Hafanam-po Mifanaraka Amin’izay Lazaina (be p. 116 § 5–p. 117 § 4)

No. 1: Afaka Manatsara ny Fitadidianao Ianao (be p. 17 § 1–p. 19 § 1)

No. 2: Salamo 30:1–31:8

No. 3: Manafaka Antsika ny Marina. Amin’ny Fomba Ahoana?

No. 4: Izay Azontsika Atao mba Tsy Hijaly Loatra (rs p. 230 § 2-3)

5 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 34-37 Hira 167

Zavatra Tandremana: Fanehoana Hatsaram-panahy (be p. 118 § 1–p. 119 § 5)

No. 1: Ny Herin’ny Vavaka (w 15/8/04 p. 18 § 6–p. 19 § 10)

No. 2: Salamo 34:1-22

No. 3: Nahoana no Mamela ny Fijaliana Hisy Ela Be toy Izao Ilay Andriamanitra Fitiavana? (rs p. 231 § 2)

No. 4: Ireo Karazana Fanompoan-tsampy Tsy Maintsy Andosiran’ny Kristianina

12 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 38-44 Hira 216

Zavatra Tandremana: Fanehoana Fihetseham-po (be p. 119 § 6–p. 120 § 5)

No. 1: Ny Anjara Asan’ny Fanahy Masina eo Amin’ny Fitadidiana (be p. 19 § 2–p. 20 § 3)

No. 2: Salamo 40:1-17

No. 3: Tsy Mifanohitra ny Siansa sy ny Baiboly

No. 4: Hesorin’Andriamanitra ny Fahoriana Rehetra Manjo ny Mpanompony (rs p. 231 § 3–p. 232 § 1)

19 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 45-51 Hira 104

Zavatra Tandremana: Zava-dehibe ny Fihetsehana sy Izay Asehon’ny Endrika (be p. 121 § 1-4)

No. 1: Ny Fiavian’i Jesosy—Rahoviana? (w 1/3/04 p. 16, efajoro)

No. 2: Salamo 46:1–47:9

No. 3: Nahoana no Tsy Navelan’Andriamanitra Tamin’izao Fotsiny ny Fahotan’i Adama? (rs p. 232 § 2-3)

No. 4: Malemy Nefa Mahery. Ahoana no Hetezan’izany? (2 Kor. 12:10)

26 Jona Famakiana Baiboly: Salamo 52-59 Hira 103

Zavatra Tandremana: Fomba Hanaovana Fihetsehana sy Izay Tokony Hasehon’ny Endritsika (be p. 122 § 1–p. 123 § 4)

Famerenana Am-bava

3 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 60-68 Hira 45

Zavatra Tandremana: Fijerena ny Olona eo Amin’ny Masony, Rehefa eny Amin’ny Fanompoana (be p. 124 § 1–p. 125 § 4)

No. 1: Mahasoa Antsika ny Fanetren-tenan’i Jehovah (w 1/11/04 p. 29-30)

No. 2: Salamo 60:1–61:8

No. 3: Afa-tsiny ve Ireo Mandika ny Lalàn’Andriamanitra, Rehefa Manao Asa Kristianina?

No. 4: Tsy Andriamanitra no Mahatonga ny Olona ho Sembana (rs p. 232 § 4-6)

10 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 69-73 Hira 225

Zavatra Tandremana: Fijerena ny Mpihaino Rehefa Manao Lahateny (be p. 126 § 1–p. 127 § 2)

No. 1: Nahoana no Tokony Hilofo Amin’ny Famakian-teny? (be p. 21 § 1–p. 23 § 3)

No. 2: Salamo 71:1-18

No. 3: Tian’i Jehovah Handray Soa Amin’ny Soron’i Kristy ny Ankizy (rs p. 233 § 1)

No. 4: gNahoana no Tsy Tokony Hizaha Tavan’olona ny Kristianina?

17 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 74-78 Hira 28

Zavatra Tandremana: Fiteny Tsotra sy Tsy Amboamboarina, eny Amin’ny Fanompoana (be p. 128 § 1–p. 129 § 1)

No. 1: Manàna Antony Tsara Hamakian-teny (be p. 23 § 4–p. 26 § 4)

No. 2: Salamo 75:1–76:12

No. 3: Inona no Tafiditra Amin’ny hoe Mitady An’i Jehovah? (Zef. 2:3)

No. 4: Tsy Mampiasa Loza Araka ny Natiora Andriamanitra mba Hanasaziana (rs p. 233 § 2–p. 234 § 1)

24 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 79-86 Hira 112

Zavatra Tandremana: Fiteny Tsotra sy Tsy Amboamboarina, eny Amin’ny Lampihazo (be p. 129 § 2–p. 130 § 1)

No. 1: “Ambinina ny Lain’ny Marina” (w 15/11/04 p. 26 § 1–p. 28 § 2)

No. 2: Salamo 82:1–83:18

No. 3: Tsy Sazy avy Amin’Andriamanitra ny Fahoriana (rs p. 234 § 2-3)

No. 4: Afaka Mampifaly An’Andriamanitra ve ny Olona Tsy Lavorary?

31 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 87-91 Hira 57

Zavatra Tandremana: Fiteny Tsotra sy Tsy Amboamboarina, Rehefa Mamaky Teny Ampahibemaso (be p. 130 § 2-4)

No. 1: Olona Manao Ahoana no “Mora Mahazo Fahalalana” sy Tarihin’ny Fahendrena? (w 15/11/04 p. 28 § 3–p. 29 § 7)

No. 2: Salamo 89:1-21

No. 3: Anisan’ny Fanompoantsika An’Andriamanitra ny Fianarana Baiboly

No. 4: Tsy Porofon’ny Fitahian’Andriamanitra ny Harena (rs p. 234 § 4-5)

7 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 92-101 Hira 190

Zavatra Tandremana: Mampamirapiratra ny Hafatra Entintsika ny Fahadiovantsika (be p. 131 § 1-3)

No. 1: Fomba Fianatra (be p. 27 § 1–p. 31 § 2)

No. 2: Salamo 92:1–93:5

No. 3: Porofon’ny Fananana ny Fanahin’Andriamanitra ve ny Fitenenana Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra? (rs p. 247 § 2–p. 248 § 4)

No. 4: Nahoana no Zava-dehibe ny Fitondran-tena Tsara?

14 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 102-105 Hira 1

Zavatra Tandremana: Tokony ho Hita Amin’ny Fitafiana sy Taovolontsika fa Maotina sy Hendry Isika (be p. 131 § 4–p. 132 § 3)

No. 1: “Endrey ny Hamaroan’ny Asanao, Jehovah Ô!” (w 15/11/04 p. 8-9)

No. 2: Salamo 104:1-24

No. 3: Nahoana Isika no Tsy Maintsy Miambina Hatrany?

No. 4: Tsy Mitovy ny Fitenenana Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra Misy Ankehitriny sy ny An’ireo Kristianina Voalohany (rs p. 248 § 5–p. 249 § 3)

21 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 106-109 Hira 201

Zavatra Tandremana: Nahoana no Zava-dehibe ny Manao Akanjo Milamina Tsara? (be p. 132 § 4–p. 133 § 1)

No. 1: Ry Tanora, Aza Manaraka Befahatany Izay Ataon’ny Namanareo (w 15/10/04 p. 22 § 4–p. 24 § 4)

No. 2: Salamo 107:20-43

No. 3: Manampy Antsika Hamantatra ny Olona Tena Manana ny Fanahin’Andriamanitra ny Baiboly (rs p. 249 § 5–p. 250 § 2)

No. 4: Ahoana no Azontsika Anahafana An’Andriamanitra?

28 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 110-118 Hira 125

Zavatra Tandremana: Tsy Hanafintohina Olona Isika Raha Mendrika ny Fomba Fitafintsika (be p. 133 § 2-4)

Famerenana Am-bava

4 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 119 Hira 59

Zavatra Tandremana: Fijoro sy Fipetraka ary Fitaovana Milamina Tsara (be p. 133 § 5–p. 134 § 4)

No. 1: Mitondra Valisoa ny Fianarana (be p. 31 § 3–p. 32 § 4)

No. 2: Salamo 119:25-48

No. 3: Antony Hanajantsika ny Manam-pahefana

No. 4: Tsy ny Fiteny Tsy Fantatra no Amantarana ny Tena Kristianina (rs p. 250 § 3-5)

11 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 120-134 Hira 65

Zavatra Tandremana: Fomba Hampihenana ny Tebiteby Rehefa Miteny (be p. 135 § 1–p. 137 § 2)

No. 1: Fomba Fanaovana Fikarohana (be p. 33 § 1–p. 35 § 2)

No. 2: Salamo 121:1–123:4

No. 3: Oviana no Nifarana ny Fahaizana Fiteny Tsy Fantatra? (rs p. 250 § 6–p. 251 § 1)

No. 4: Inona no Atao hoe Fampitomboana Fomba Filaza, ary Ahoana no Nampiasan’i Jesosy Azy Io?

18 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 135-141 Hira 97

Zavatra Tandremana: Ahoana no Atao mba ho Tony? (be p. 137 § 3–p. 138 § 6)

No. 1: Salamo—Nahoana no Mahasoa?—Fizarana 1 (si p. 104-105 § 23-27)

No. 2: Salamo 136:1-26

No. 3: Nahoana no Atao hoe Sakafo Iraisana ny Fahatsiarovana?

No. 4: hTsy Mampianatra Momba ny Andriamanitra Telo Izay Iray ny Baiboly (rs p. 388 § 3–p. 394 § 4)

25 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 142-150 Hira 5

Zavatra Tandremana: Ny Ilana Fanamafisam-peo (be p. 139 § 1–p. 140 § 2)

No. 1: Salamo—Nahoana no Mahasoa?—Fizarana 2 (si p. 105-106 § 28-32)

No. 2: Salamo 142:1–143:12

No. 3: iRaha Misy Milaza hoe: ‘Mino ny Andriamanitra Telo Izay Iray ve Ianao?’ (rs p. 409 § 3–p. 410 § 4)

No. 4: Ahoana no Anehoantsika Fiahiana ny Hafa?

2 Okt. Famakiana Baiboly: Ohabolana 1-6 Hira 111

Zavatra Tandremana: Fomba Hampiasana Tsara ny Mikrô (be p. 140 § 3–p. 142 § 2)

No. 1: Teny Fampidirana ny Ohabolana—Fizarana 1 (si p. 106-107 § 1-5)

No. 2: Ohabolana 5:1-23

No. 3: Nahoana no Be dia Be ny Faharatsiana? (rs p. 111 § 1-4)

No. 4: jAza Manely Tantara Tsy Marina (2 Tim. 4:4)

9 Okt. Famakiana Baiboly: Ohabolana 7-11 Hira 73

Zavatra Tandremana: Fampiasana Baiboly mba Hamaliana (be p. 143 § 1-3)

No. 1: Teny Fampidirana ny Ohabolana—Fizarana 2 (si p. 107-108 § 6-11)

No. 2: Ohabolana 7:1-27

No. 3: Anisan’ny Mampiray Saina ny Kristianina ny Tsy Fitsabahany Amin’ny Raharahan’izao Tontolo Izao

No. 4: Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Faharatsiana? (rs p. 112 § 1–p. 113 § 2)

16 Okt. Famakiana Baiboly: Ohabolana 12-16 Hira 180

Zavatra Tandremana: Fanatsarana ny Fahaizana Mampiasa Baiboly (be p. 144 § 1-4)

No. 1: Mianara Mampiasa Ireo Fitaovana Fanaovana Fikarohana (be p. 35 § 3–p. 38 § 4)

No. 2: Ohabolana 14:1-21

No. 3: Soa Noraisintsika Noho ny Namelan’Andriamanitra ny Faharatsiana Hisy (rs p. 113 § 3–p. 114 § 1)

No. 4: Ahoana no Tokony Hatao mba Hifantoka Tsara atỳ Am-pivoriana?

23 Okt. Famakiana Baiboly: Ohabolana 17-21 Hira 131

Zavatra Tandremana: Fampirisihana Hampiasa Baiboly (be p. 145-146)

No. 1: Ohabolana—Nahoana no Mahasoa?—Fizarana 1 (si p. 109-110 § 19-28)

No. 2: Ohabolana 17:1-20

No. 3: Ahoana no Fiheveran’ny Kristianina ny Zokiolona?

No. 4: kNy Fiheveran’ny Baiboly ny Vehivavy (rs p. 427 § 2-3)

30 Okt. Famakiana Baiboly: Ohabolana 22-26 Hira 9

Zavatra Tandremana: Zava-dehibe ny Fahaizana Mampiditra Andininy (be p. 147 § 1–p. 148 § 3)

Famerenana Am-bava

6 Nov. Famakiana Baiboly: Ohabolana 27-31 Hira 51

Zavatra Tandremana: Fisafidianana ny Fomba Ampidirana Andininy (be p. 148 § 4–p. 149 § 3)

No. 1: Ohabolana—Nahoana no Mahasoa?—Fizarana 2 (si p. 110-111 § 29-38)

No. 2: Ohabolana 28:1-18

No. 3: Mietry ve ny Vehivavy Satria Manam-pahefana Aminy ny Lehilahy? (rs p. 428 § 1-3)

No. 4: Nahoana Isika no Tsy Tokony Hitsara ny Olona Araka ny Fitafiany sy ny Taovolony Rehefa Mitory?

13 Nov. Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 1-6 Hira 25

Zavatra Tandremana: Fanamafisan-teny Tsara sy Fihetseham-po (be p. 150 § 1-2)

No. 1: Teny Fampidirana ny Mpitoriteny (si p. 112-113 § 1-8)

No. 2: Mpitoriteny 4:17–5:14

No. 3: Nahoana no Miafina Amin’ny Hendry sy ny Mahira-tsaina ny Fahamarinana Ara-baiboly? (Matio 11:25)

No. 4: Tokony ho Mpiandraikitra eo Anivon’ny Fiangonana ve ny Vehivavy? (rs p. 428 § 4–p. 429 § 1)

20 Nov. Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 7-12 Hira 37

Zavatra Tandremana: Ny Teny Tokony ho Izy no Hamafiso (be p. 150 § 3–p. 151 § 3)

No. 1: Mpitoriteny—Nahoana no Mahasoa? (si p. 114 § 15-19)

No. 2: Mpitoriteny 9:1-12

No. 3: Nahoana no Misaron-doha ny Vehivavy Kristianina Indraindray? (rs p. 429 § 2–p. 430 § 1)

No. 4: Nahoana no Ratsy ny Mialona?

27 Nov. Famakiana Baiboly: Tonon-kiran’i Solomona 1-8 Hira 11

Zavatra Tandremana: Fomba Hanamafisan-teny (be p. 151 § 4–p. 152 § 5)

No. 1: Teny Fampidirana ny Tonon-kiran’i Solomona sy Nahoana no Mahasoa (si p. 115-117 § 1-4, 16-18)

No. 2: Tonon-kiran’i Solomona 7:2–8:4

No. 3: Nahoana no Tokony Hilamina sy Hadio ary ho Maotina, ny Fitafian’ny Kristianina?

No. 4: Mety ve Raha Miravaka ny Vehivavy, na Mihosotra Zavatra Amin’ny Tarehy? (rs p. 430 § 2–p. 431 § 2)

4 Des. Famakiana Baiboly: Isaia 1-5 Hira 90

Zavatra Tandremana: Fampiharana Tsara ny Andinin-teny (be p. 153 § 1–p. 154 § 3)

No. 1: Teny Fampidirana ny Isaia (si p. 118-119 § 1-8)

No. 2: Isaia 3:1-15

No. 3: Horavana Amin’ny Afo ve Izao Tontolo Izao? (rs p. 285 § 1-2)

No. 4: lNahoana no Tokony “Tsy ho Mora Tezitra” ny Kristianina? (Jak. 1:19)

11 Des. Famakiana Baiboly: Isaia 6-10 Hira 204

Zavatra Tandremana: Ataovy Hita Mazava Ilay Fampiharana (be p. 154 § 4–p. 155 § 4)

No. 1: Fanomanana Drafitra (be p. 39-42)

No. 2: Isaia 10:1-14

No. 3: Nahoana no Tena Zava-dehibe ny Mamela Heloka?

No. 4: Andriamanitra ve sa i Satana no Mpitondra An’izao Tontolo Izao? (rs p. 285 § 3–p. 286 § 2)

18 Des. Famakiana Baiboly: Isaia 11-16 Hira 47

Zavatra Tandremana: Mampisaintsaina avy Amin’ny Soratra Masina (be p. 155 § 5–p. 156 § 5)

No. 1: Ry Tanora, Avelao ny Ray Aman-dreninao Hiaro ny Fonao (w 15/10/04 p. 20 § 1–p. 22 § 3)

No. 2: Isaia 11:1-12

No. 3: Ahoana no Fiheveran’ny Kristianina An’izao Tontolo Izao sy Ireo Tsy Kristianina? (rs p. 286 § 3–p. 287 § 3)

No. 4: Tsy Hiady ny Tena Kristianina Amin’ny Ady Hara-magedona

25 Des. Famakiana Baiboly: Isaia 17-23 Hira 53

Zavatra Tandremana: Fanasongadinana ny Hevitra Hampiharina (be p. 157 § 1–p. 158 § 1)

Famerenana Am-bava

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ho an’ny rahalahy ihany.

b Ho an’ny rahalahy ihany.

c Ho an’ny rahalahy ihany.

d Ho an’ny rahalahy ihany.

e Ho an’ny rahalahy ihany.

f Ho an’ny rahalahy ihany.

g Ho an’ny rahalahy ihany.

h Hevitra tena mety amin’ny faritanin’ny fiangonana ampiasaina.

i Hevitra tena mety amin’ny faritanin’ny fiangonana ampiasaina.

j Ho an’ny rahalahy ihany.

k Ho an’ny rahalahy ihany.

l Ho an’ny rahalahy ihany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara