Fomba Fanolorana ny Bokikely Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?
Afaka milaza toy izao ianao, rehefa avy niarahaba an’ilay olona:
“Fahita ny olana sy ny fahadisoam-panantenana ankehitriny. Izany mihitsy ve no fikasan’Andriamanitra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity bokikely ity fa mbola ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona. [Resaho ny sary eo amin’ny pejy 31. Vakio avy eo ny fehintsoratra 9-10 eo amin’ny pejy 30, izay manasongadina ny Salamo 37:10, 11.] Resahin’ny Baiboly koa fa hamerina ny tany ho Paradisa Andriamanitra. Izany no horesahiko aminao amin’ny manaraka.” Atolory azy ilay bokikely, ary manaova fotoana hitsidihana azy indray.
Azonao atao ny milaza toy izao, rehefa miverina:
“Nilaza taminao aho tamin’ny farany, fa fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny olona mandrakizay, ao amin’ny paradisa eto an-tany. [Asehoy azy indray ny sary eo amin’ny pejy 31.] Anisan’ny faminaniana lehibe ao amin’ny Baiboly io paradisa io.” Asaivo alainy ny bokikeliny. Jereo ny pejy 30, ary iaraho midinika ny fehintsoratra 12-13. Asao izy hianatra Baiboly, na resaho fa handinika ny iray amin’ireo toko eo amin’ny pejy 3 ianareo amin’ny manaraka.
Afaka milaza toy izao ny tanora rehefa mitory:
“Maro amin’ny tanora toa ahy no tsy mahafantatra izay hitranga amin’ny hoavy. Tsy fantany koa izay hiafarany. Hanana fiainana tsara kokoa ve ny taranaka handimby antsika, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny Baiboly fa hanana hoavy sambatra ny olombelona. [Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 31. Vakio ny 2 Petera 3:13.] Resahin’ity bokikely ity ny fitahiana nomanin’Andriamanitra ho an’izay manaraka ny lalany. [Jereo ny pejy 5, vakio ny lohatenin’ny toko 2, ary atolory ilay bokikely.] Maniry hiresaka fampianaran’Andriamanitra vitsivitsy aminao aho amin’ny manaraka.” Manaova fotoana hitsidihana azy indray.
Afaka milaza toy izao ianao, rehefa miverina:
“Nilaza taminao aho tamin’ny farany, fa hamerina ny paradisa eto an-tany Andriamanitra. [Resaho indray ireo sary eo amin’ny pejy 31.] Ahoana no ampianaran’Andriamanitra antsika ankehitriny, araka ny hevitrao?” Asaivo alainy ny bokikeliny. Vakio sy iaraho midinika avy eo ny teny fampidirana eo amin’ny pejy 2. Resaho fa hodinihinareo ny toko 1 amin’ny manaraka.
Mety hiara-mitory amin’ny ankizy ny olon-dehibe iray. Afaka mampahafantatra ny tenany sy ilay ankizy izy, ary hilaza hoe:
“Hampiseho sary sy hamaky andinin-teny iray aminao i ________ raha tsy mampaninona anao. [Asehon’ilay ankizy ny sarin’ilay fianakaviana sy ireo sakafo be dia be eo amin’ny pejy 31, ary mamaky ny Salamo 72:16 izy avy eo.] Hazavain’ity bokikely ity hoe ahoana no hanompoantsika an’Andriamanitra araka ny lalany. [Resaho vetivety ireo toko eo amin’ny pejy 3, ary atolory azy ilay bokikely.] Mampianatra ny fahamarinana ve ny fivavahana rehetra? Izany no horesahiko aminao amin’ny manaraka.”
Afaka milaza toy izao ilay olon-dehibe, rehefa miverina:
“Nilaza taminao aho tamin’ny farany, fa hamaly ilay fanontaniana hoe: Mampianatra ny fahamarinana ve ny fivavahana rehetra? Mariho ange izay lazainy eto e.” Asaivo alainy ny bokikeliny. Iaraho midinika avy eo ny pejy 4-5, fehintsoratra 1-5. Asao izy hianatra Baiboly, na resaho fa handinika ny toko 2 ianareo amin’ny manaraka.