Fampandrenesana
◼ Jolay sy Aogositra: Ireto bokikely 32 pejy ireto no atolotra: Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?, Inona no Zava-kendren’ ny Fiainana? Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’ Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao? Septambra: Ny boky Manontany ny Tanora na Fahasambaram-pianakaviana no atolotra. Raha tsy raisina ilay boky dia atolory ny bokikely Miambena Hatrany! Oktobra: Atolory miaraka Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Mametraha bokikely Takina, raha liana ilay olona.
◼ Rehefa mandefa taratasy fangatahana hanao mpisava lalana maharitra atỳ amin’ny biraon’ny sampana ianareo, dia tsara raha alefanareo iray volana alohan’ny daty hanombohan’ilay mpitory ny asan’ny mpisava lalana izany, fara fahakeliny. Tokony hohamarinin’ny mpitan-tsoratra raha feno tsara ilay taratasy. Raha tsy mahatadidy ny datin’ny batisany ilay mpanao fangatahana, dia tokony hotombanany izany ka hosoratany mba ho tadidiny. Hosoratan’ny mpitan-tsoratra ao amin’ny Firaketana ny Fanompoan’ny Mpitory (S-21) ilay daty.