Fomba Fanolorana ny Bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
Afaka milaza toy izao ianao, rehefa avy miresaka vaovao ratsy:
“Efa mba nanontany ve ianao hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny olona hijaly, raha tena miahy antsika izy? [Avelao izy hamaly.] Mamaly tsara an’izay fanontaniana izay ity bokikely ity, sady mampiseho ny zavatra hataon’Andriamanitra amin’ny hoavy tsy ho ela. [Asehoy ny sary eo amin’ny pejy 27, ary vakio ny Salamo 145:16 eo amin’ny fehintsoratra 22.] Ary ahoana no hanafoanan’Andriamanitra ny fijaliana rehetra? Tiako ny hiresaka aminao momba izany amin’ny manaraka.” Atolory azy ilay bokikely, ary manaova fotoana hitsidihana azy indray.
Afaka milaza toy izao ianao, rehefa miverina:
“Namaky an’ity andinin-teny ity isika, tamin’ny farany. [Vakio na tonony fotsiny ny Salamo 145:16.] Nanontany aho avy eo hoe: Ahoana no hanafoanan’Andriamanitra ny fijaliana rehetra?” Asaivo alainy ny bokikeliny. Sokafy eo amin’ny pejy 27-28, ary iaraho midinika ny fehintsoratra 23-25. Asao izy hianatra Baiboly, na resaho fa hodinihinareo amin’ny manaraka ny fehintsoratra 26-27.
Afaka milaza toy izao ny tanora rehefa mitory:
“Maro amin’ny tanora toa ahy no matahotra hoe hanao ahoana izao tontolo izao rehefa afaka 10 na 15 taona. Hanao ahoana tokoa ny fiainana amin’izay fotoana izay, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Porofoin’ireo olana hitantsika ankehitriny, fa miaina amin’ny andro farany isika. [Vakio ny 2 Timoty 3:1-3.] Mamaly ireto fanontaniana ireto ity bokikely ity. [Vakio ireo fanontaniana eo amin’ny fonon’ilay bokikely, ary atolory azy ilay izy.] Mampahery fa hofoanana koa ny aretina sy ny fahanterana amin’ny hoavy. Izany no horesahiko aminao amin’ny manaraka, raha manana minitra vitsivitsy ianao.” Manaova fotoana hitsidihana azy indray.
Afaka milaza toy izao ianao rehefa miverina:
“Nilaza taminao aho tamin’ny farany, fa hiresaka momba ny fotoana hanafoanana ny aretina sy ny fahanterana. Resahina eto izany.” Asaivo alainy ny bokikeliny. Vakio sy iaraho midinika ny pejy 23-24, fehintsoratra 6-7. Manaova fotoana handinihana ny fehintsoratra 8-9.
Mety hiara-mitory amin’ny ankizy ny olon-dehibe iray. Afaka mampahafantatra ny tenany sy ilay ankizy izy, ary hilaza hoe:
“Hamaky andinin-teny iray ho anao i ________ raha tsy mampaninona anao. [Vakin’ilay ankizy ny Salamo 37:29, ary manome fanazavana fohy izy.] Resahin’ity bokikely ity ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona. [Asehoy ireo sary eo amin’ny pejy 24-27.] Misy fampanantenana kanto momba ny fitsanganana amin’ny maty koa ao amin’ny Baiboly. Izany no horesahiko aminao amin’ny manaraka.” Atolory azy ilay bokikely, ary manaova fotoana hitsidihana azy indray.
Afaka milaza toy izao ilay olon-dehibe rehefa miverina:
“Namaky ny Salamo 37:29 isika tamin’ny farany, ary nilaza aho fa hampiseho anao izay lazain’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty. Mariho izay resahina eto.” Asaivo alainy ny bokikeliny. Iaraho midinika ny pejy 24-25, fehintsoratra 12-14. Asao izy hianatra Baiboly, na resaho fa hodinihinareo amin’ny manaraka ny fehintsoratra 15-16.