Tahirizo
Fomba Fanolorana Bokikely
Misy fanoloran-kevitra maro samihafa ato amin’ity takelaka fanampiny ity, mba hanampiana anao hanomana ny fomba fanolorana bokikely. Azo ampifanarahina amin’ny zava-misy eo an-toerana izy ireto. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa. Azo atao modely ny fanoloran-kevitra eto ambany, rehefa manomana ny fomba ametrahanao ireo bokikely tsy voaresaka ato ianao.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2005, p. 8.
Ny fanoloran-kevitra tsirairay ato amin’ireto pejy ireto dia ahitana: 1) fanontaniana mampisaintsaina mba hanombohan-dresaka, 2) hevitra azo resahina ao anatin’ilay bokikely, ary 3) andinin-teny mifanentana amin’izany sady azo vakina mandritra ilay resadresaka. Azonao tohizina ilay fomba fampiseho, arakaraka ny valin-tenin’ilay olona.
Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra
“Araka ny hevitrao, misy torohevitra azo ampiharina amin’izao andro izao ve ao amin’ny Baiboly?”—p. 22, teny fampidirana; p. 23, efajoro feh. 3; Ohab. 25:11.
Fiainana Mahafa-po—Ahoana no Hahitana Izany?
“Mikatsaka fiainana tsara kokoa ny olona maneran-tany. Mbola hisy fiainana tena hahafa-po ve indray andro any, araka ny hevitrao?”—p. 29, feh. 6; 2 Pet. 3:13.
“Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
“Mety hanahy toa ahy koa ianao, satria miharatsy ny toe-tsain’ny olona ankehitriny, ary misy fiantraikany eo amin’ny zanatsika izany. Nahoana tokoa moa no manjary be dia be toy izao ny tanora ratsy fitondran-tena? [Avelao izy hamaly.] Fantatrao ve fa efa nilaza izany mialoha ny Baiboly? [Vakio ny 2 Timoty 3:1-3.] Manjaka ireo toetra ireo na dia mitombo aza ny fahalalana ananan’ny olona. [Vakio ny andininy 7.] Ity bokikely ity no nanampy ahy hahalala ny fahamarinana, izay tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona. Te hamaky azy ity ve ianao?”
Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?
“Mazàna isika no manontany toy izao rehefa misy havantsika maty: Mankaiza moa ny maty, ary mbola hihaona aminy indray ve isika? Efa nieritreritra momba izany ve ianao?”—Fanontaniana eo amin’ny fonony farany; Joba 14:14, 15.
Inona no Zava-kendren’ny Fiainana—Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?
“Fahita ny olana sy ny fahadisoam-panantenana ankehitriny. Izao mihitsy ve no fikasan’Andriamanitra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity bokikely ity fa mbola ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny tany sy ny olombelona. [Resaho ilay sary eo amin’ny pejy 20-21. Vakio ny fehintsoratra 9, izay manasongadina ny Isaia 14:24 sy ny 46:11.] Resahin’ny Baiboly koa fa hamerina ny Paradisa eto an-tany Andriamanitra. Izany no horesahiko aminao amin’ny manaraka.” Atolory azy ilay bokikely, ary manaova fotoana hitsidihana azy indray.
Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!
“Maro no mihevitra fa tsy maintsy miakatra any an-danitra izy ireo, vao afaka hiaina mandrakizay. Ahoana anefa no fahitanao an’izany hoe hiaina mandrakizay eto an-tany izany?”—Sary eo amin’ny fonony; Apok. 21:4.
Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
“Maro amintsika no mahay an’ilay vavaka hoe ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.’ (Matio 6:9) Fantatrao anefa ve fa mila mahafantatra an’io anarana io isika mba ho voavonjy?”—p. 28, feh. 1; Rom. 10:13.
Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?
“Angamba ianao efa nahare hoe nisy olona nahita, na nandre, na nanonofy zavatra hafahafa. Mampahatahotra ny olona ireny zavatra ireny. Mankany ankoatra tokoa ve ny olona rehefa maty? [Avelao izy hamaly.] Tsy mankany ankoatra anefa izy. Ahoana no ahafantarantsika izany? Mariho izay lazain’ny Baiboly ato amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10. [Vakio.] Tsy tokony hatahotra ny maty isika noho izany. Aseho eo amin’ny pejy 30 amin’ity bokikely ity ny fampanantenana omen’ny Baiboly.” Manaova fotoana aminy mba hanohizana an’ilay resaka.
Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa
“Olona maro no maniry ny hahavoavaha ny olana misy ankehitriny. Misy fitondram-panjakana mahavita izany ve, araka ny hevitrao?”—p. 3, feh. 1; Matio 6:9, 10.
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
“Mizara an’ity bokikely ity izahay androany. Nampionona sy nanome fanantenana olona an-tapitrisany nidonam-pahoriana izy ity. Efa mba nanontany ve ianao hoe inona no antenaintsika momba ireo havantsika efa maty?”—p. 28, feh. 3; Jaona 5:28, 29.
“Efa mba nanontany ve ianao hoe ahoana no hampiononana olona nidonam-pahoriana?”—p. 20, feh. 1; Ohab. 17:17.
Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?
“Samy manana ny heviny momba an’Andriamanitra ny olona. Tsy mampaninona ve izay inoantsika momba azy, araka ny hevitrao?”—p. 3, feh. 3, 7-8; Jaona 17:3.
Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra
Afaka milaza toy izao ianao, rehefa hitanao fa te hianatra Baiboly ny olona iray sady te hifandray akaiky amin’i Jehovah, nefa tsy mahay mamaky teny sy manoratra:
“Tianao ve ny hamaky sy hianatra Baiboly? Te hanampy anao izahay. Mariho izay lazain’ny Salamo 1:1, 2. [Vakio] Afaka mamaky ny Baiboly andro aman’alina koa ianao, raha mianatra mamaky teny sy manoratra. Manana bokikely fianarana mamaky teny sy manoratra izahay. Hitondra iray aho amin’ny herinandro, dia hasehoko anao ny fomba hahaizanao mamaky teny tsikelikely.”
Afaka milaza toy izao ianao, rehefa miverina:
“Nilaza taminao aho tamin’ny farany, fa irin’Andriamanitra ny hamakiantsika ny Teniny isan’andro. Tiako ny hanampy anao hamaky teny, ka nentiko ho anao ity bokikely ity: Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra.” Vakio sy iaraho midinika ny ampahany amin’ilay fizarana hoe: “Ho An’ny Mpampianatra.” Afaka mandamina fotoana hianarana isan-kerinandro ianareo. Hazavao tsara amin’ilay mpianatra fa mila miezaka koa izy, raha mitohy ilay fianarana. Eo am-pamaranana dia vakio ny Apokalypsy 1:3, ary antitrantero fa ho sambatra kokoa izy raha mianatra mamaky ny Tenin’Andriamanitra.