FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/04 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 12 Aprily
  • Herinandron’ny 19 Aprily
  • Herinandron’ny 26 Aprily
  • Herinandron’ny 3 Mey
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 4/04 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 12 Aprily

Hira 93, Hira 91

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily sy ny Mifohaza! 8 Aprily. Na iray ihany aza no resahina dia atolory miaraka izy ireo. Asehoy ao amin’ireo fampisehoana ireo ny fomba hamaliana ny hoe “Sahirana aho.”​—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 19, 20.

15 min: “Omeo An’i Jehovah ny Tsara Indrindra.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia asao ny mpanatrika hilaza amin’ny fomba voafaritra tsara ny fomba azontsika anehoana fitiavana ny olona rehefa manao fanompoana.

20 min: “Manazava ny Tenin’ny Fahamarinana Amin’ny Fomba Marina Tsara.” Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Iaraho midinika ny fehintsoratra 1-10. Asao ny mpanatrika hiara-mamaky aminao hevitra iray isaky ny fizarana tsirairay. Vakio ny andinin-teny sasany izay manazava ny hevitra resahina. Ataovy mandritra ny dimy minitra ity fampisehoana ity, aorian’ny fehintsoratra 10: Kivy ny anabavy iray, satria marary foana, nefa tsy manam-bola hividianam-panafody. Mitady fanampiana any amin’ny anabavy be taona iray izy. Manampy azy hiatrika ilay fitsapana ilay anabavy be taona. Jereny ao amin’ny Fanondroana Teny ny hoe “Fitsapana.” Mahita andinin-teny vitsivitsy izy, ary miara-mamaky ny Jakoba 1:2 sy ny 1:13 izy ireo. Nahazo fampaherezana ilay anabavy tanora ka nankasitraka ilay fanampiana. Ampirisiho ireo rahalahy amin’ny farany mba hampiasa tsara ny Baiboliny, ary vakio ny 2 Timoty 2:15.

Herinandron’ny 19 Aprily

Hira 55, Hira 80

8 min: Fampandrenesana.

17 min: “Tahafo ny Toe-tsain’i Jesosy.”b Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia asao ireo nanao ny asan’ny mpisava lalana mba hilaza ny fitahiana azony.

20 min: “Manazava ny Tenin’ny Fahamarinana Amin’ny Fomba Marina Tsara.” Ataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Iaraho midinika ny fehintsoratra 11-16. Vakio ny andinin-teny sasany manazava ireo hevitra resahina. Ataovy mandritra ny efatra minitra avy ireto fampisehoana roa ireto, aorian’ny fehintsoratra 16: 1) Manontany rahalahy iray ny mpiara-miasa aminy hoe nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manisy lakroa ao amin’ny trano “fiangonany.” Mampiasa ny hevitra ao amin’ny Fanazavana Fanampiny Fizarana Faha-5 ilay rahalahy mba hampisehoana fa tsy marika famantarana ny Kristianina ny lakroa. Hazavainy ny tena heviny amin’ny teny grika. Avy eo dia mangataka an’ilay rahalahy mba hampianatra Baiboly azy ilay lehilahy. 2) Milaza ny ramatoa iray mianatra Baiboly fa te hisaraka amin’ny vadiny izy. Alkaolika mantsy io vadiny io no sady manakana azy tsy handroso amin’ny fahamarinana. Milaza ilay mpitory hoe tsara raha jereny aloha izay lazain’ny Baiboly. Asehony azy ny “Foto-dresaka Ara-baiboly” eo amin’ny hoe “Fanambadiana”, Fizarana A. Miezaka mahatakatra ireo toro lalana voalazan’ny 1 Korintianina 7:10-16 sy ny Matio 19:9 ilay ramatoa, ary manontany ny dikan’ny hoe “fijangajangana.” Asain’ilay anabavy mianatra ny Fanazavana Fanampiny Fizarana Faha-3 àry izy. [Aato kely ilay fampisehoana, ary miteny ilay Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha hoe: “Andeha hojerentsika izay nitranga rehefa niverina tany ilay anabavintsika ny herinandro nanaraka.”] Nahafinaritra an’ilay ramatoa ny fianarany ny Fanazavana Fanampiny Fizarana Faha-3. Asongadin’ilay mpitory ny hevitry ny hoe porneia, ao amin’io Fanazavana io. Nanapa-kevitra ny tsy hisaraka amin’ny vadiny ilay ramatoa. Resaho sy vakio ny fehintsoratra 17 sy 18, amin’ny farany.

Herinandron’ny 26 Aprily

Hira 46, Hira 38

12 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aprily. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Mey. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily sy ny Mifohaza! 8 Aprily. Na iray ihany aza no resahina dia atolory miaraka izy ireo. Asehoy ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny fitoriana amin’ny mpiara-miasa sy ny mpiara-mianatra.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

18 min: Fantaro ny Anton’ny Fananarana. Lahateny sy fiaraha-midinika ilay lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2003, pejy 20-23. Ataon’ny anti-panahy. Ataovy izay hahatakaran’ireo rahalahy, ireo hevitra samy hafa mifandray amin’ilay teny hoe “fananarana.”

Herinandron’ny 3 Mey

Hira 48, Hira 164

10 min: Fampandrenesana. Resaho vetivety ny zavatra kasaina hatao amin’ireo volana ho avy: manatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra sy manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Raha manana faritany tsy dia iasana matetika ny fiangonana, dia lazao ny fandaharana atao mba hamitana tanteraka azy io. Mila miomana tsara isika rehefa manao dia sy manao zavatra hafa ankoatra ny fanaontsika mahazatra, mba tsy hanaovana tsirambina ny fianaram-pianakaviana sy ny fivorian’ny fiangonana ary ny fanompoana.—Ohab. 21:5.

15 min: “Ry Tanora, Vakio ny Tenin’Andriamanitra!”c Manasà mpitory iray na roa hilaza ny fandaharam-pamakiany Baiboly sy ny fomba handraisany soa avy amin’izany. Ampirisiho ny tanora hanao tanjona hamaky ny Baiboly manontolo. Milazà hevitra avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 10, fehintsoratra 5.

20 min: “Hendre ary Ampiharo Ireo Zavatra Ianaranao.” Ataon’ny anti-panahy. Antitrantero fa ilaina ny mianatra tsara ireo boky sy gazety mba hahafahana hitadidy sy hampihatra izay nianarana. Manonòna hevitra sasany avy ao amin’ny boky sy gazety faramparany, ka azo ampiharina eo an-toerana. Ohatra: ny fomba ahafahan’ny mpianatra miatrika ireo zava-tsarotra any an-tsekoly na ny fomba handaminana ny olana eo amin’ny mpirahalahy na mpivady. Miresaha fanazavana izay tena ilain’ny fiangonana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

[Fanamarihana ambany pejy]

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

[Fanamarihana ambany pejy]

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara