FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/04 p. 1
  • Ry Tanora, Vakio ny Tenin’Andriamanitra!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry Tanora, Vakio ny Tenin’Andriamanitra!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Te Hahay Hanapa-kevitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Ry Tanora, Miezaka Hanatratra Tanjona Ara-panahy ve Ianareo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Manàna Finoana ary Mahaiza Manapa-kevitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 4/04 p. 1

Ry Tanora, Vakio ny Tenin’Andriamanitra!

1 Fotoana ahitana zava-tsarotra sy andraisana fanapahan-kevitra lehibe ny fahatanorana. Maro aminareo tanora kristianina no tsy maintsy miady mafy isan’andro, mba tsy handika ny fitsipik’Andriamanitra. Tokony hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra aloha ianareo, vao mandray fanapahan-kevitra momba ny fianarana sy ny asa ary ny fanambadiana. Amin’izany fomba izany ihany vao hitondra soa ho anareo mandritra ny androm-piainanareo izay fanapahan-kevitra raisinareo. Ho hendry sy hahomby ianareo amin’izay zavatra hataonareo, raha voafaritra tsara ny tanjonareo eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Raha mamaky sy misaintsaina tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ianareo, dia ho voatosika hiaina mifanaraka amin’ny toroheviny avy amin’ny fanahy masina, ary hahomby ny ezaka tsara hataonareo.​—Josoa 1:8; Sal. 1:2, 3.

2 Inona no soa ho azonareo? Feno fakam-panahy eto amin’ny tontolon’i Satana. (1 Jaona 2:15, 16) Angamba ianareo mahafantatra mpiara-mianatra na ankizy hafa mitovy taona aminareo nahita loza, satria nanaiky hotaomin’ny namany tamin’ny ratsy. Hanana herim-po sy fahatapahan-kevitra hanoherana fanao ratsy anefa ianareo, raha manaraka hatrany ny torohevitry ny Baiboly. Manampy anareo hanalavitra ny fandrika feno hafetsen-dratsy ampiasain’i Satana koa izany torohevitra izany. (2 Kor. 2:11; Heb. 5:14) Tena ho sambatra ianareo raha mandeha amin’ny lalan’Andriamanitra. Hahafa-po anareo ny fiainanareo.​—Sal. 119:1, 9, 11.

3 Ambony lavitra noho ny fahendren’olombelona ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy miovaova izy io. (Sal. 119:98-100) Miezaha mamantatra tsara ny toro lalan’ny Baiboly sy misaintsaina ny fikasan’i Jehovah ary mivavaka avy amin’ny fo. Izany dia hanampy anareo hifandray akaiky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tena hendry, izay nampanoratra ny Baiboly. Mampanantena izy hoe: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.”​—Sal. 32:8.

4 Manokàna fotoana hamakiana azy io: Nataon’ny tanora kristianina iray tanjona ny hamaky ny Baiboly manontolo, ka vitany tao anatin’ny herintaona izany. Inona no soa azony? Hoy izy: “Nianatra zavatra be dia be momba an’i Jehovah aho, ka lasa nanatona akaiky kokoa azy sy tapa-kevitra hampifaly azy mandritra ny androm-piainako.” (Jak. 4:8) Efa nahavaky ny Baiboly manontolo ve ianareo? Raha tsia, nahoana raha atao tanjona izany? Tena hitahy ny ezaka hataonareo i Jehovah, ka hahazo valisoa be dia be ianareo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara