FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/04 p. 1
  • Omeo An’i Jehovah ny Tsara Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Omeo An’i Jehovah ny Tsara Indrindra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanati-piderana Mampifaly An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Inona no Ianarantsika Rehefa Mandinika ny ‘Fototry ny Fahamarinana’?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Ataovy Amin’ny Fo Manontolo ny Sorona ho An’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Sorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 4/04 p. 1

Omeo An’i Jehovah ny Tsara Indrindra

1 Nilaza mazava tsara i Jehovah tao amin’ny Lalàna ho an’ny Israely fa tsy maintsy biby “tsy misy kilema” no natolotra azy. Tsy nekeny ny biby nisy tsininy. (Lev. 22:18-20; Mal. 1:6-9) Ankoatra izany, dia an’i Jehovah ny sabora na ny tavin-kena rehetra, izany hoe ny tsara indrindra tamin’ilay fanatitra. (Lev. 3:14-16) Mendrika ny tsara indrindra izy, satria izy no Rain’ny Israely sy Tompony.

2 Tena mahaliana an’Andriamanitra, toy ny taloha, koa ny hatsaran’ny fanatitra ataontsika ankehitriny. Tokony ho hita eo amin’ny fanompoantsika fa omentsika ny fanajana mendrika azy i Jehovah. Marina fa tsy mitovy ny toe-javatra misy ny olona tsirairay. Tokony handini-tena lalina anefa isika, mba hahazoantsika antoka fa manome an’i Jehovah ny tsara indrindra isika.​—Efes. 5:10.

3 Fanompoana amin’ny fo manontolo: Tsy tokony ho lasa fahazarana fotsiny ny fanompoantsika, raha tiantsika ny hanome voninahitra an’i Jehovah sy hanohina ny fon’ny mpihaino. Tokony ho avy amin’ny fo feno fankasitrahana ny teny lazaintsika momba ny Andriamanitsika sy ny fikasany lehibe. (Sal. 145:7) Zava-dehibe àry ny hananana fandaharam-potoana mety tsara hamakiana Baiboly sy hianarana tsy tapaka.​—Ohab. 15:28.

4 Manome an’i Jehovah ny tsara indrindra koa isika, rehefa manahaka ny fitiavany ny olona. (Efes. 5:1, 2) Raha manana io toetra io isika, dia ho voatosika hiezaka hanambara ny hafatry ny fahamarinana manome fiainana amin’ny olona maro araka izay azo atao. (Marka 6:34) Hiahy manokana an’ireo olona hiresahantsika koa isika. Hieritreritra momba azy ireo foana isika aorian’ny resaka voalohany nifanaovantsika taminy, ka hiverina hitsidika azy. Hanao izay rehetra vitantsika isika, mba hanampiana azy handroso.​—Asa. 20:24; 26:28, 29.

5 “Sorona fiderana”: Manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah koa isika rehefa mazoto amin’ny fanompoana. Tena ho tsara ny fanompoantsika mandritra ny fotoana atokantsika amin’izany, rehefa mifantoka tsara amin’izy io sy mahay mandamin-javatra tsara isika. (1 Tim. 4:10) Mazava tsara sy mampiaiky ny hafatra entintsika, raha manao fanomanana tsara isika, ka mety hihamaro ny olona ho liana. (Ohab. 16:21) Mety tsara raha antsoina hoe “sorona fiderana” ny teny ataontsika avy amin’ny fo, rehefa milaza ny vaovao tsara amin’ny olon-kafa isika.​—Heb. 13:15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara