Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 23 Febroary 2004. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 5 Janoary ka hatramin’ny 23 Febroary 2004 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Inona no azontsika atao mba hanasongadinana amin’ny mpihaino ny hevitra hampiharina, sy hahitany fa tena mitondra soa ho azy ilay fanazavana? [be p. 158, feh. 2-4]
2. Nahoana isika no tokony hifidy tsara ny teny ampiasaintsika? [be p. 160, feh. 1 sy ny efajoro faharoa]
3. Tokony hanao ahoana ny fitenintsika, araka ny asongadina ao amin’ny 1 Korintianina 14:9, ary ahoana no hampiharantsika io toro lalana io rehefa mampianatra isika? [be p. 161, feh. 1-4]
4. Araka ny hita ao amin’ny Matio 5:3-12 sy ny Marka 10:17-21, inona no iray amin’ireo zavatra mampiavaka ny fampianaran’i Jesosy ka azontsika tahafina? [be p. 162, feh. 4]
5. Nahoana isika no tokony hiezaka hampiasa teny milaza hery sy fihetseham-po ary misy aina, rehefa eny amin’ny fanompoana, na rehefa manome valin-teny any am-pivoriana? (Matio 23:37, 38) [be p. 163, feh. 3–p. 164, feh. 1]
ANJARA No. 1
6. Inona no atao hoe loha hevitry ny lahateny, ary nahoana no mety ny mitadidy azy io, rehefa mifidy sy mandamina ny fanazavanao ianao? [be p. 39, feh. 6–p. 40, feh. 1]
7. a) Inona no dikan’ny hoe madio ara-panahy, ary nahoana no azo lazaina fa io no fahadiovana lehibe indrindra? b) Ahoana no ahafahan’ny Kristianina mandà ny fahalotoam-pitondran-tena fahita eto amin’ity tontolo ity? [wMG 1/2/02 p. 5, 6]
8. Iza amin’ireo fitsipika rehetra ao amin’ny Baiboly no lehibe kokoa? [wMG 15/2/02 p. 5, feh. 1, 4, 6]
9. Inona no atao hoe mahay miara-miory, ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy io toetra io? [wMG 15/4/02 p. 25, feh. 3, 4]
10. Nahoana no mihatra amin’ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah ny Ohabolana 11:11? [wMG 15/5/02 p. 27, feh. 1-3]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Midika ho inona ilay “hazon’aina” resahina ao amin’ny Genesisy 2:9?
12. Nahoana ny vadin’i Lota no namoy ny ainy? (Gen. 19:26) [wMG 1/9/90 p. 17, feh. 10; wMG 1/10/95 p. 12, feh. 21]
13. Ao amin’ilay tantara ara-paminaniana ao amin’ny Genesisy toko faha-24, iza no mifanitsy amin’ a) i Abrahama, b) Isaka, d) Eliezera mpanompon’i Abrahama, e) ny rameva folo, ary f) Rebeka?
14. Voalahatr’Andriamanitra mialoha ve ny hoavin’i Jakoba sy Esao? (Gen. 25:23)
15. Nahoana i Rahely no ohatra tsara ny amin’ny olona izay notahin’i Jehovah noho ny ezaka mafy nataony? (Gen. 30:1-8) [wMG 1/8/02 p. 29, 30]