Vitantsika Izay Takin’i Jehovah
1 Fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny no tsara indrindra. Manampy antsika hanorina fototra tsara ho amin’ny hoavy mandrakizay koa izany. (Sal. 19:7-11; 1 Tim. 6:19) Mampihatra fanerena be amintsika anefa ny tontolon’i Satana. Vao mainka manasaro-javatra koa ny nofontsika tsy lavorary. Mety ho kivy be isika indraindray, eo am-piezahana manatontosa ny andraikitsika araka ny Soratra Masina. (Sal. 40:12; 55:1-8) Mety hanontany tena mihitsy aza isika raha hahavita izay rehetra takin’i Jehovah amintsika. Inona no hanampy antsika hijoro ara-panahy hatrany amin’ny fotoana toy izany?
2 Tsy mavesatra ny didin’i Jehovah: Tsy mitaky zavatra tsy ho vitantsika mihitsy i Jehovah. Tsy mavesatra ny didiny, fa natao hahasoa antsika kosa. (Deot. 10:12, 13; 1 Jaona 5:3) Takany ny fahalementsika, satria fantany fa “vovoka isika.” (Sal. 103:13, 14) Mamindra fo amintsika Andriamanitra ka mankasitraka ny ezaka mafy ataontsika mba hanompoana azy, na dia voafetran’ny toe-javatra misy antsika aza izany. (Lev. 5:7, 11; Marka 14:8) Asainy apetraka aminy ny entantsika, ary manome toky izy fa hanampy antsika tsy hivadika hatrany.—Sal. 55:22; 1 Kor. 10:13.
3 Ilaina ny fiaretana: Ny fitantaran’ny Baiboly momba ireo olona tsy nivadika, toa an-dry Elia sy Jeremia ary Paoly, dia mampiseho fa mila miaritra isika. (Heb. 10:36) Nanampy azy ireo i Jehovah rehefa voasedra sy kivy izy. (1 Mpanj. 19:14-18; Jer. 20:7-11; 2 Kor. 1:8-11) Mampahery antsika koa ny tsy fivadihan’ireo rahalahintsika amin’ny andro ankehitriny. (1 Pet. 5:9) Mety hanampy antsika tsy ho kivy ny fisaintsainana ireny ohatra ireny.
4 “Vatofantsiky ny aintsika” ny finoana ny fampanantenan’Andriamanitra. (Heb. 6:19) Izany finoana izany no nanosika an’i Abrahama sy Saraha hanaiky ny fangatahan’i Jehovah azy handao ny taniny, ka ‘hivahiny any amin’ny tany voalazan’ny fampanantenana.’ Izany koa no nanatanjaka an’i Mosesy ho sahy niandany tamin’ny fivavahana marina. Nanome hery an’i Jesosy mba hiaritra hazo fijaliana koa izy io. (Heb. 11:8-10, 13, 24-26; 12:2, 3) Raha hazonintsika hiredareda foana ao am-pontsika ny fampanantenan’Andriamanitra tontolo vaovao, dia hanampy antsika tsy hivadika mihitsy izany.—2 Pet. 3:11-13.
5 Mety hahazo tanjaka hanaovana ny fanompoana isika, raha mitadidy ny tsy fivadihantsika hatramin’izay sy ny fahafoizan-tenantsika ary ny herim-pontsika. (Heb. 10:32-34) Hotsaroantsika amin’izay ny fifaliana tsapa rehefa manome an’i Jehovah izay zavatra takiny, dia ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo.—Matio 22:37.
[Fanontaniana]
1. Inona no tsapantsika indraindray, ary nahoana?
2. Nahoana no azo lazaina fa izay vitantsika ihany no takin’i Jehovah amintsika?
3. Ahoana no hanatanjahan’i Jehovah antsika hiaritra?
4. Nahoana no mila tadidina foana ny fampanantenan’Andriamanitra?
5. Nahoana no mety hampahery ny misaintsaina ny tsy fivadihantsika hatramin’izay?