FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/04 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 2/04 p. 7

Fampandrenesana

◼ Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Martsa: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Hanao ezaka manokana isika mba hanombohana fampianarana Baiboly. Azo atao ny manolotra Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, raha efa manana an’ireo ilay olona. Aprily sy Mey: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Tsidiho koa ireo nanatrika Fahatsiarovana sy fandaharana hafa, nefa mbola tsy tena miaraka amin’ny fandaminana, rehefa miverina mitsidika ny olona liana ianao. Miezaha hametraka ny boky Mivavaha. Miezaha mafy hanomboka fampianarana Baiboly, indrindra fa amin’ireo olona efa nianatra tamin’ny bokikely Takina.

◼ Tokony hanamarina ny kaontin’ny fiangonana ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha na izay tendreny, amin’ny 1 Martsa na haingana araka izay azo atao aorian’io. Anaovy fampandrenesana ho an’ny fiangonana ilay izy rehefa vita, aorian’ny famakiana ny tatitra momba ny kaonty manaraka. Vakio ireo taratasy fisaorana ny fiangonana noho ireo fanomezana nataony ho an’ny asa maneran-tany sy ho an’ny tahirim-bolan’ny fandaminana, raha misy.

◼ Tokony hojeren’ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny fanompoana indray ny asan’ny mpisava lalana maharitra rehetra. Raha misy amin’izy ireo sahirana manatratra ny ora takina, dia tokony hanampy azy ny anti-panahy. Jereo indray ny taratasy S-201, fandefan’ny sampana isan-taona, raha mila fanoloran-kevitra ianareo.

◼ Izao no ho foto-kevitry ny lahateny manokana amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana: “Aoka Isika ho Be Herim-po sy Hatoky An’i Jehovah.” Jereo ilay fampandrenesana mifandray amin’io lahateny io, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2003.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara