Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? na Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Janoary: Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Febroary: Manatòna An’i Jehovah. Martsa: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Hanao ezaka manokana isika mba hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Halefa tsy ho ela any amin’ny fiangonanareo ny fanasana amin’ny Fahatsiarovana 2003, amin’ny fiteny ampiasaina eo amin’ny faritany eo an-toerana. Raha misy mila fanasana amin’ny teny hafa ao amin’ny faritaninareo, dia tokony hanafatra izany avy hatrany ianareo, amin’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14).
◼ Amin’ny alahady 4 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ny Fahatsiarovana amin’ny taona 2004. Omena mialoha ity filazana ity, mba hahafahan’ireo rahalahy hamandrika toerana hafa, raha maromaro no mampiasa ny Efitrano Fanjakana, ka voatery hitady toerana hafa ny fiangonana sasany. Tokony hifanaraka amin’ny tompon’ilay toerana hofandrihina ireo anti-panahy, mba tsy hisy hanabataba na hanelingelina ny fizotran’ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Fotoan-dehibe ny Fahatsiarovana, ka tokony hifantina rahalahy mahay hanao ilay lahateny ireo anti-panahy, fa tsy hifandimby fotsiny, na hanendry rahalahy mitovy foana isan-taona. Raha misy anti-panahy voahosotra sy mahay ary afaka hanao ilay lahateny eo an-toerana, dia izy no tokony hofidina.
◼ Tokony hohamarinin’ny mpitan-tsoratra fa nahazo ireo Karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana sy Karatra Famantarana ny fiangonana. Tokony hanafatra azy ireo avy hatrany ny fiangonana, raha mbola tsy nahazo. Hilaina amin’ny fivoriana amin’ny 6 Janoary 2003 ireo taratasy ireo.
◼ Azo omena ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra sy ny Karatra Famantarana ho an’ny zanany, ny mpitory vita batisa rehetra tonga ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 6 Janoary.
◼ Asiana fanitsiana ny fomba hitarihana ny Sekolin’ny Fanompoana, mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra. Manomboka amin’ny Janoary 2003, dia haharitra 25 minitra eo ho eo ny sekoly, aorian’ny hira sy ny vavaka. Hisy lahateny dimy minitra momba ny zavatra tandremana iray, sy lahateny fampianarana folo minitra, ary hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly folo minitra. Tsy hatao ny anjara No. 2, 3 ary 4. Haharitra antsasak’adiny ny Fivoriana Momba ny Fanompoana aorian’izany. Hisy hira iray, ary avy eo dia hanao lahateny mandritra ny antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny faritra. Faranana amin’ny hira sy vavaka ny fivoriana.