Ry Fianakaviana, “Tadiavo ny Lalàn’i Jehovah”
1 Afaka manatsara ny fianaram-pianakaviantsika ve isika? Na ray aman-dreny, na anti-panahy, na mpitory ny vaovao tsara dia samy tokony ho mpampianatra daholo. Ny ray aman-dreny mampianatra ny zanany, ny anti-panahy mampianatra ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana, ary ny mpitory ny vaovao tsara mampianatra ny olona liana. (Deoteronomia 6:6, 7; Matio 28:19, 20; 1 Timoty 4:13, 16) Inona no azonao atao mba hampandaitra kokoa ny fampianaranao ny fianakavianao? Azonao atao, ohatra, ny manahaka ny fomba fampianatr’ireo mpampianatra mahay resahin’ny Tenin’Andriamanitra. Iray amin’ireny i Ezra.
2 Inona no nataon’i Ezra mba hampandaitra tsara ny fampianarany? Nisy zavatra maromaro nataony, araka ny hita ao amin’ny Ezra 7:10, manao hoe: “Ezra [1] nampiomana ny fony [2] hitady ny lalàn’i Jehovah ka [3] hankatò izany ary [4] hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.” Hojerentsika vetivety ilay faharoa hoe “hitady ny lalàn’i Jehovah” sy izay azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Ezra.
3 Tsy ny fianarana samirery ihany no azo itadiavana ny lalàn’i Jehovah. Tena azo anaovana izany tsara koa ny fianaram-pianakaviana. Andeha hojerentsika ny fomba nanaovan’ny fianakaviana sasany ny fianaram-pianakaviany.
4 Mipetraka any Holandy i Jan sy Julia. Hatramin’ny nahaterahan’ny zanany roa lahy, dia namaky teny ho azy ireo foana izy mivady. Efa 15 taona izao i Ivo ary 14 taona i Edo. Mbola manao fianaram-pianakaviana indray mandeha isan-kerinandro ihany ry zareo. Hoy i Jan: “Tsy ny hianatra zavatra be dia be no tanjonay, fa ny hahazoan’izy mirahalahy tsara ny zavatra resahinay.” Hoy koa izy: ‘Manao fikarohana be dia be izy mirahalahy, momba ireo teny vaovao sy ireo olona tsy fantany resahin’ny Baiboly (momba ny hoe iza izy ireo, oviana izy ireo no velona, inona no nataony, sy ny sisa). Mijery boky toy “Ny Soratra Rehetra”, Fanjohian-kevitra, diksionera, ary rakipahalalana izy ireo, hatramin’ny nahaizany namaky teny. Mahafinaritra kokoa ny fianaram-pianakaviana atao toy izany. Tsy andrin’izy mirahalahy foana izay hanaovana azy io.’ Nahitan’izy roa lahy tombony hafa koa ilay izy, satria izy ireo no voalohany any am-pianarana, amin’ny taranja fianarana teny.
5 Mipetraka any Holandy koa i John sy Tini. Niara-nianatra tamin’i Esli sy Linda zanany izy mivady. Efa 24 taona izao i Esli zanany lahy, ary mpisava lalana any amin’ny fiangonana hafa. Roapolo taona kosa i Linda, zanany vavy, ary manambady rahalahy mahafinaritra. Tsy fianarana boky iray nisy fanontaniana sy valiny toy ny mahazatra no nataon’izy ireo, fa nampifanarahiny tamin’ny zavatra nilain’ireo zanany sy ny taonany ny fianaram-pianakaviany. Ahoana no nanaovan’izy ireo izany?
6 Nohazavain’i John fa nifidy foto-kevitra nahaliana azy ireo, tao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky” (ao amin’ny Tilikambo Fiambenana) sy “Ny Fiheveran’ny Baiboly” (ao amin’ny Mifohaza!), izy mianadahy. Namelabelatra ny zavatra nomaniny izy ireo avy eo, ka nahafinaritra foana ny fianarana nataon’izy mianakavy. Nahatonga azy ireo hahay hanao fikarohana sy hamelabelatra ny vokatry ny fikarohana nataony izany. ‘Mitady ny lalàn’i Jehovah’ miaraka amin’ny zanakareo ve ianareo? Samy hanatsara ny fahaizanareo mampianatra ianareo sy ny zanakareo, amin’izany.
[Loharanon-kevitra]
Avy ao amin’ny wE 1/7/02, pejy 20, 21