FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/02 p. 3-4
  • Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 12/02 p. 3-4

Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana

Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo fanazavana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana natao nanomboka ny herinandron’ny 2 Septambra ka hatramin’ny 23 Desambra 2002. Mampiasà taratasy mitokana hanoratana ny valiny, ary mamalia fanontaniana betsaka araka izay azo atao mandritra ny fotoana omena hanaovana izany.

[Fanamarihana: Ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ny fanontaniana rehetra, mandritra ny famerenana an-tsoratra. Natao hanaovanao fikarohana ireo boky sy gazety voalaza eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hisy nomeraon’ny pejy sy fehintsoratra Ny Tilikambo Fiambenana voalaza ao.]

Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:

1. Tena ilaina ny misaintsaina ireo toetra mahatalanjon’i Jehovah mba hahatonga antsika ho voasintona ho aminy. (Sal. 143:5) [wMG 15/10/00 p. 4 feh. 6]

2. Ny fampifanatonana ireo tapa-kazo roa ao amin’ny Ezekiela 37:15-24 dia mifanitsy amin’ny fampiraisana ny voahosotra nahatoky teo ambany fitarihan’i Kristy ‘mpanjakany’ sy ‘mpiandriny’, tamin’ny 1919. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/88 p. 25 feh. 13]

3. Nanaisotra tanteraka ny fisalasalana napoitran’ny mpitsikera ny Baiboly momba ny maha ara-tantara ny bokin’i Daniela, ny zavatra hitan’ny arkeology tao anatin’ireo taona maro lasa. [si p. 138 feh. 4]

4. Raha avy amin’olona toa azo itokisana na milaza ho manam-pahaizana be izay rentsika, dia tsy misy antony marim-pototra hiheverana izany ho diso. [wMG 1/12/00 p. 29 feh. 7, 8]

5. Ilay fitenenana hoe “ireo mpaminany madinika” dia mampiseho tsara fa maivan-danja ireo boky 12 farany amin’ny Soratra Hebreo. [si p. 143 feh. 1]

6. Iray tamin’ny “zanaky ny mpaminany” i Amosa rehefa nantsoin’i Jehovah izy, ka nirahiny haminany ho an’i Joda sy Isiraely. (2 Mpanj. 2:3) [si p. 148 feh. 1]

7. Voalaza mialoha ao amin’ny Obadia 16 fa hofoanana ny firenen’i Edoma, noho izy nankahala ny Joda. (Obad. 12) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/7/89 p. 30 faritra voafefy.]

8. Ny “fiteny madio” ao amin’ny Zefania 3:9 (NW ) dia mahafaoka ny fahatakarana araka ny tokony ho izy ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/2/01 p. 27 feh. 18.]

9. Fadiranovana mafy i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane satria hovonoina toy ny mpanao heloka bevava nohamavoina izy, ka nanahy ny amin’izay ho fiantraikan’izany eo amin’i Jehovah sy ny anarany masina. (Matio 26:38; Lioka 22:44) [wMG 15/11/00 p. 23 feh. 1]

10. Faminaniana mampiseho ny ondry hafa ampiofanin’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ sy omeny ny fahefana ilaina, ilay resahin’ny Zakaria 9:6, 7 hoe tonga “toy ny lohany amin’ny firenen’i Joda”, ny “Filistina.” (Matio 24:45) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/7/95 p. 23 feh. 14.]

Valio ireto fanontaniana ireto:

11. Nahoana no azo ampitahaina amin’ny asan’ny mpitily nankinina tamin’i Ezekiela ny andraikitsika hitory? (Ezek. 33:1-11) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/4/88 p. 28 feh. 13.]

12. Inona ankehitriny no mifanitsy amin’ny fahitan’i Ezekiela momba ny taola-maina? (Ezek. 37:5-10) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/12/88 p. 24 feh. 12.]

13. Inona no porofo mampiaiky indrindra fa ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny bokin’i Zakaria? [si p. 169 feh. 5]

14. Inona no asehon’ilay tanàna ao amin’ny fahitan’i Ezekiela? (Ezek. 48:15-17) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/3/99 p. 18 feh. 22.]

15. Ahoana no ampisehoana amin’ny alalan’ny Isaia 2:2-4, fa tsy manatanteraka ny faminaniana ao amin’ny Baiboly ny zava-miseho any Israely ankehitriny? [rs p. 310 feh. 1]

16. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fihetsik’i Daniela rehefa namoaka didy ny mpanjaka fa tsy tokony hisy hanao fangatahana ao anatin’ny 30 andro, na amin’andriamanitra na amin’ny olona afa-tsy aminy irery ihany? (Dan. 6:8-11) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo dp p. 125 feh. 25-28.]

17. Inona no hafatr’i Jehovah torin’ireo sisa ka mahatonga azy ireo ho tahaka ny liona eo amin’ireo firenena? (Mika 5:7) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/1/82 p. 21 feh. 10.]

18. Inona no dikan’ny hoe “ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ireo miaramilany betsaka”, voalaza ao amin’ny Habakoka 3:14? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/2/00 p. 22 feh. 15; wMG 1/2/82 p. 30 feh. 6–p. 31 feh. 1.]

19. Inona no dikan’ilay hoe “angamba” ao amin’ny Zefania 2:3? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/2/01 p. 19 feh. 8.]

20. Araka ny Zakaria 8:6, ahoana no nanatanterahan’i Jehovah izay zavatra toa tsy ho vitan’ny olombelona, hatramin’ny taona 1919? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/1/96 p. 16 feh. 18, 19.]

Fenoy ny banga amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

21. Miresaka amin’i Jehovah isika, amin’ny alalan’ny ․․․․․․․․, izay firesahana amim-panajana amin’Andriamanitra; ny ․․․․․․․․ kosa no fomba lehibe indrindra iresahany amintsika. (Sal. 65:2; 2 Tim. 3:16) [wMG 15/10/00 p. 5 feh. 1, 2]

22. Azo antsoina koa hoe Mikaela i Jesosy Kristy, rehefa ampitahaina amin’ny 1 Tesaloniana 4:16 ny Joda 9. Voalaza ao mantsy fa amin’ny “․․․․․․․․” no andidian’i Jesosy Kristy mba hananganana ny maty. Ny anarana Mikaela dia midika hoe “․․․․․․․․”, toa milaza izany fa i Jesosy no voalohany indrindra miaro ny zon’i Jehovah hitondra, ary izy no hitarika ny fandringanana ny fahavalon’Andriamanitra. [rs p. 304 feh. 4–p. 305 feh. 1]

23. Tamin’ny ․․․․․․․․ no ‘nivoaka ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema.’ Tamin’io taona io no niandoha ny herinandron-taona 69 izay nifarana tamin’ny ․․․․․․․․ rehefa niseho ny Mesia. (Dan. 9:25) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo dp p. 190 feh. 20–p. 191 par. 22.]

24. Ny Joela 3:4 izay milaza ny amin’ny masoandro mivadika ho haizina dia mifanitsy amin’ny Matio 24:29, 30, izay ilazan’i ․․․․․․․․ ny hiavian’ny Zanak’olona ․․․․․․․․. [si p. 147 feh. 13]

25. Manandratra ny fitiavan’i Jehovah ny rariny sy ny maha fara tampony azy ny faminanian’i ․․․․․․․․ momba an’i Asyria sy ․․․․․․․․, renivohiny. Manome toky antsika koa izany fa hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy rehetra i Jehovah. [si p. 160 feh. 11]

Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ireto fanambarana manaraka ireto:

26. Antitranterin’ny bokin’i Ezekiela fa (malala-tanana; manetry tena; masina) i Jehovah. Lazainy koa fa (ny fanatsarana ny toetran’ny tena; ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah; ny fanaovana soa amin’ny mpiara-belona) no zava-dehibe indrindra. [si p. 137 feh. 33]

27. I Ezekiela, izay niara-niaina tamin’i Daniela dia nanamarina fa olona tena nisy i Daniela, rehefa nanonona azy niaraka tamin’i (Noa sy Joba; Mosesy sy Josoa; Elia sy Elisa). [si p. 138 feh. 2]

28. Manondro ny (Hara-magedona; Fanjakan’ny Mesia; hafatra feno didim-pitsarana mafonja torin’ny vahoakan’Andriamanitra) ilay vato namely sy nahatorotoro ilay sary ao amin’ny Daniela 2:34, 35, 45. [si p. 142 feh. 20, 23]

29. Manondro (ny firenen’ny Isiraely; Kristianina voahosotra; ny tafika romanina) ilay firenena voaforon’ny valala ara-panoharana ao amin’ny Joela 1:4-6. (Asa. 2:1, 14-17) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/98 p. 9 feh. 9.]

30. “Ny fanjakan’ny Zanany malalany” resahina ao amin’ny Kolosiana 1:13 dia (ny Fanjakan’ny Mesia; Fitondran’i Kristy ny fiangonana kristianina nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33; ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy). [rs p. 199 feh. 5]

Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:

Hosea 6:6; Joela 3:5; Zak. 4:6, 7; 13:3; Rom. 12:2

31. Tsy tokony hamela ny fitsipika ara-kolontsaina na tsy ara-pivavahan’ity tontolo ity hamolavola ny fisainantsika isika. [wMG 1/11/00 p. 21 feh. 5]

32. Tsy fanatitra maro misy fombafomba no ankasitrahan’Andriamanitra, fa fitiavana tsy mivadika noho ny fahalalana azy. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo si p. 145 feh. 16.]

33. Tena ilaina mba hahavoavonjy ny mahafantatra sy manaja ary miantehitra amin’ny olona mitondra ny anaran’Andriamanitra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/6/89 p. 30 faritra voafefy.]

34. Tsy noho ny herin’olombelona no ahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra fa noho ny fanahiny. Io fanahy io no mahatonga ny mpanompony haharesy ireo sakana toy ny tendrombohitra sy haharitra amin’ny fanompoana. [si p. 169 feh. 2]

35. Mihoatra noho ny tsy fivadihana amin’ny havana akaiky, ny tsy fivadihana mampiavaka ny fandaminan’i Jehovah. [si p. 171 feh. 24]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara