Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 8 Aprily
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa samy hafa momba ny fametrahana gazety toy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily sy ny Mifohaza! 8 Aprily, araka ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8. Asehoy amin’ireo fampisehoana roa ireo, ny fomba samy hafa hamaliana ny hoe: “Manana ny fivavahako aho.”—Jereo ny boky Fanjohian-kevitra pejy 17, 18.
12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Manaova Soa Amin’ny Olona Rehetra.”a Aorian’ny fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny, dia manadinadìna mpitory iray na roa, izay hilaza ny fomba anitarany ny fanompoany.
Herinandron’ny 15 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Manampy ny Hafa Hatrany Ireo Mpisava Lalana. Fiaraha-midinika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana amin’ny mpiandraikitra ny Fianarana Boky sy ny mpisava lalana iray, ary mpitory iray. Resahin’ny mpiandraikitra ny fanompoana indray ilay fandaharana hoe Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana, ao amin’ny pejy 4 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1998. Miara-mandinika ny anjara asan’ny tsirairay amin’izy ireo ao anatin’io fandaharana io izy avy eo. Resahin’izy ireo koa ny soa entin’io fandaharana io. Inona no natao mba hampahomby azy io? Manasa ny mpitory rehetra ilay mpiandraikitra ny fanompoana mba hampahafantatra azy raha te hahazo fanampiana eo amin’ny fanompoana izy ireo. Azo ampiana eo amin’ny lafiny hafa amin’ny fanompoana indray ireo izay efa nampiana teo aloha.
20 min: “Ny Fifaliana avy Amin’ny Fanompoana Manontolo Andro.”b Ampirisiho ny tanora mba hanao fangatahana ho mpisava lalana mpanampy amin’ireo volana ho avy.
Herinandron’ny 22 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manasà mpanampy amin’ny fanompoana iray hampiseho ny fomba fametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily, araka ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8. Aorian’ny fampisehoana, dia avereno indray ny fehezanteny iray na roa voalohany izay nampiasaina mba hanairana ny fahalianan’ny tompon-trano.
10 min: Aoka Ianao ho Marim-potoana! Lahateny. Zava-dehibe ny asa mifandray amin’ny fanompoantsika, ka mila hatao amin’ny “fotoany avy.” (Mpit. 3:1) Irintsika ny handray soa be indrindra avy amin’ireo fandaharana momba ny fanompoantsika an’Andriamanitra. Tokony hanomboka ara-potoana ny fivorian’ny fiangonana sy ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tsy mitaredretra na tara mihitsy i Jehovah rehefa manao zavatra. (Hab. 2:3) Mila mihatsara ve isika amin’io lafiny io? Mety tsy ho afa-manoatra ny sasany indraindray, ka ho tara. Raha mahay mandamin-javatra anefa isika dia tsy voatery ho tara lava, ka aorian’ny hira sy vavaka fanokafana, na rehefa vita ny fivoriana alohan’ny fanompoana, vao tonga. Resaho ireo fomba azo ampiharina hahatonga antsika ho marim-potoana rehefa manao ireo asa ara-panahy rehetra—Jereo koa Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2001, pejy 8.
25 min: “Manatanteraka ny Andraikitsika Isika Mpanompon’Andriamanitra.”c Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Rehefa mandinika ny fehintsoratra faha-4, dia manaova fampisehoana roa anoroana hevitra ny amin’ny fomba ahafahantsika mampiasa ny Baiboly rehefa mitory ara-potoana sy tsy ara-potoana.
Herinandron’ny 29 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aprily.
15 min: “Mamonjy Aina ny Fitoriana Ilay Fanjakana!”d Asaivo manazava ny fomba hampiharana ireo andinin-teny ny mpanatrika.
20 min: Fikarohana Ampiasana Boky Fanjohian-kevitra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Matetika eny amin’ny fitoriana no misy fanontaniana apetraka momba ny loha hevitra tsy hita ao amin’ny “Fanondroam-pejy” (pejy 5, 6) ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Tena ilaina mba hahitana ireo andinin-teny manohana ny zavatra inoantsika ny “Fizaham-pejy” (pejy 438-446) Asao handray anjara ny mpanatrika, ka hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto, ao amin’ny fizaham-pejy, hanampy azy ny fijerena ny teny tsirairay natao sora-mandry: Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ny hiram-pirenena sy ny saina? Nahoana Andriamanitra no namela ny fijaliana hisy? Ahoana no ahafahanao manazava ny fomba fijerin’ny Baiboly ny fisaraham-panambadiana? Nahoana sy rahoviana ny anabavy no mila manao saron-doha indraindray? Ahoana no ahafantarantsika fa ara-bakiteny ny isa 144 000 ao amin’ny Baiboly? Inona no dikan’ny fanoharana momba ilay lehilahy manankarena sy Lazarosy? Ampirisiho ny rehetra hampiasa ny boky Fanjohian-kevitra eny amin’ny fanompoana.
Herinandron’ny 6 Mey
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny hoe “Mandraisa Soa Hatrany avy Amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!”
10 min: Fiomanana ho Amin’ireo Volana ho Avy. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Sorito ireo asa kasaina hatao amin’ireo volana ho avy: Manatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra manontolo, manao mpisava lalana mpanampy iray volana na maherin’izany, manao fanamboarana ao an-trano ary manao vakansy na miala voly kely. Manasà mpitory vitsivitsy hilaza izay kasainy hatao mandritra ireo volana ireo sy izay hataony mba ho azo antoka fa tsy lasa an-tsirambina mihitsy ny fianaram-pianakaviana sy ny fivoriana ary ny fanompoana, na dia any an-toeran-kafa aza izy. Raha manana faritany tsy dia hiasana matetika ny fiangonana dia lazao ny fandaharana atao mba hamitana tanteraka ilay faritany. Ampahatsiahivo ny rehetra fa tokony hataony izay handraisan’ny mpiandraikitra ny Fianarana Boky ny tatitra momba ny fanompoany, na eo an-toerana izy ireo na tsia.
25 min: “Ahoana no Ahafahan’ny Fianakaviana Hatanjaka Ara-panahy?”e Rehefa avy mandinika ilay lahatsoratra, dia milazà fitantarana mahasoa avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1999, pejy 10-12.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.