Manatanteraka ny Andraikitsika Isika Mpanompon’Andriamanitra
1 Nirahina ‘hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra sy hahasitrana ny torotoro fo ary hampionona ny malahelo’ ny vahoakan’i Jehovah rehetra. Nirahina koa izy ireo hitory ilay Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina sy hanao mpianatra. (Isaia 61:1, 2; Matio 24:14; 28:19, 20) Tsy mitsahatra manao izany asa izany ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny.
2 Toa an’i Jesosy Kristy Tompontsika, dia mangoraka an’ireo olona toy ny ondry izay ampahorina isika, ka voatosika hanao izay rehetra azontsika atao mba hanampiana azy ireny. (Matio 9:36, 37) Mila ny fampiononana sy ny fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra izy ireny. (Rom. 15:4; 2 Kor. 1:3, 4) Hita tato ho ato fa olona mijaly maro no mandray tsara kokoa ny fitoriantsika any amin’ny faritra maro samihafa amin’ny tany. Izy ireo dia anisan’ireo misento noho ny toe-javatra mahatsiravina mihamahazo vahana ateraky ny ratsy fanahy, sy ny toe-draharaha mandroso miharatsy kokoa hatrany. (Ezek. 9:4; 2 Tim. 3:13) Vao mainka tokony ho dodona isika hanao ilay asa, dieny mbola mety ny fotoana. Amin’izay isika dia manahaka an’i Jesosy, ilay Modely Lehibe, izay nampahafantatra ny hafatra mampionona sy marina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. (Sal. 119:160; Jaona 17:17; 18:37) Inona àry no azontsika atao?
3 Aoka isika hampiasa bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra: Nampirisika antsika foana ny fandaminana mba hampiasa Baiboly rehefa eny amin’ny fanompoana. Mpitory maro anefa no mianina fotsiny amin’ny fametrahana gazety na boky, fa tsy misarika ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanonona sy namaky ary nisarika ny saina ho amin’ny Soratra Masina foana i Jesosy, ary nahomby izany. (Lioka 24:27, 44-47) Izany koa no nataon’ny apostoly Paoly. (Asa. 17:2, 3) Tsy maintsy manao toy izany koa isika.
4 Tsy misy toy ny Tenin’Andriamanitra, satria izy io no tena afaka manosika ny olona handray fanapahan-kevitra sy hankatò ny didin’Andriamanitra. Mahery izy io. (1 Tes. 2:13; Heb. 4:12) Ampiofanina isika mba hijery andinin-teny any am-pivoriana, koa tokony hanao toy izany koa isika rehefa mitory, na ara-potoana izany na tsia. Ho afaka hanatanteraka amin’ny fomba feno kokoa ny fanompoantsika isika, rehefa zatra mampiasa ny Baibolintsika.—2 Tim. 4:5.
5 Ataovy tanjona ny mamaky andinin-teny iray na roa isaky ny miresaka amin’ny olona. Misy fahendrena mahasoa, fampiononana, fanantenana, ary fanazavana ny zava-kendren’ny fiainana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Mety hanohina ny fon’ny olona izany ary hitarika azy ho amin’ny lalan’ny fiainana.—2 Tim. 3:16, 17.