Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Febroary
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
20 min: ‘Torio ny Tenin’Andriamanitra.’a (Fehintsoratra 1-13) Ataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Fiaraha-midinika amin-kafanam-po ny amin’izay irintsika hotanterahina amin’ny Martsa sy any aorian’io. Tokony hampiasa ilay kalandrie ao amin’ny takelaka fanampiny ny rehetra, hanaovana fandaharam-potoana hahafahany hanao betsaka araka izay azony atao eo amin’ny fanompoana, mandritra ny Martsa. Ampirisiho izay rehetra afaka, hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, amin’io volana io. Rehefa mandinika ny fehintsoratra 7-8, dia asaivo milaza ny fitahiana azony ireo nanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny fotoan’ny Fahatsiarovana lasa teo. Lazao fa ho azo raisina aorian’ity fivoriana ity ny taratasy fangatahana ho mpisava lalana mpanampy.
13 min: “Fomba Fanolorana Gazety.” Manasà mpitory hilaza ny fomba nanampian’io fandaharana ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana io azy ireo hampifandray ireo lahatsoratra amin’ny fisehoan-javatra manahirana amin’izao fotoan-tsarotra izao. Inona no zavatra hitan’ny sasany tamin’izy nitondra fampiononana ho an’ny olona sy nanampy azy ireo hahafantatra avy ao amin’ny Baiboly ny valin’ireo fanontaniana mampikorontan-tsaina? Manaova fampisehoana roa, mampiseho ny fomba hanolorana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary, ary avy eo ny Mifohaza! 8 Febroary.
Herinandron’ny 18 Febroary
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
12 min: “Ny Olona Sambatra Indrindra eto An-tany.”b Asio firesahana vetivety ny hoe “Dingana ho Amin’ny Fahasambarana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1997, pejy 6.
25 min: ‘Torio ny Tenin’Andriamanitra.’c (Fehintsoratra 14-23) Ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Resaho izay fandaharana manokana ataon’ny fiangonana mba hampitomboana ny asa amin’ny Martsa. Lazao ny fandaharam-potoana manontolon’ireo fivoriana alohan’ny fanompoana kasaina hatao amin’io volana io. Mifantoha amin’ny hampiverenana mitory indray ireo nanjary tsy nitory intsony sy ny hanampiana ireo ankizy sy mpianatra Baiboly mba hahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa. Lazao ny anaran’ireo efa nisoratra anarana ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa ary mampirisiha mpitory maro kokoa mba hieritreritra tsara raha afaka manatevin-daharana azy ireo izy.
Herinandron’ny 25 Febroary
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana fohy roa momba ny fanolorana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary. Manasà tanora iray hanao ny iray amin’izy ireo. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Febroary.
30 min: “Ny Fiheveran’ny Kristianina ny Fanambadiana Tsy Mpino.” Lahateny ataon’ny anti-panahy mahay iray. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1987, pejy 26-30.
Herinandron’ny 4 Martsa
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Farany.
12 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
12 min: Ampiasao ny Boky Fahalalana mba Hanombohana Fampianarana. Irintsika ny hanao ezaka manokana mba hanombohana fampianarana Baiboly, mandritra ny Martsa. Resaho vetivety ilay fitantarana ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra 1998, pejy 4, fehintsoratra 8. Raha misy mpitory vao nanomboka fampianarana tamin’ny boky Fahalalana, dia avereno amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fomba nanaovana izany. Ampahatsiahivo ny tsirairay ilay lahatsoratra hoe “Fomba Azo Anolorana ny Boky Fahalalana”, ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002. Anaovy fampisehoana ny iray amin’ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 6 amin’ilay takelaka fanampiny, eo ambanin’ny hoe “Tari-dresaka mivantana”, ka ampiasao ny boky Fahalalana.
16 min: “Nahoana Isika no Mitory Hatrany?”d Farano amin’ny fanadinadinana mpitory iray na roa izay mitory efa hatramin’ny taona maro. Asao izy ireo hilaza ny antony nikirizany tamin’io asa io sy ny soa noraisiny avy tamin’izy io.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.