Ny Fiheveran’ny Kristianina ny Fanambadiana Tsy Mpino
1 Nanoratra momba ny vehivavy maty vady ny apostoly Paoly hoe: “Afaka hanam-bady izay tiany izy, nefa ao amin’ny Tompo ihany.” (1 Kor. 7:39) Tsy hevitr’olombelona fotsiny izany. Avy tamin’Andriamanitra io torohevitra feno fahendrena sy feno fitiavana io, satria nahazo tsindrimandry hanoratra an’izany i Paoly. Tokony hihevitra àry ny Kristianina fa zava-dehibe io torohevitra io, ka tsy azo odian-tsy hita na hamaivanina. Manamafy izany ny tantara ao amin’ny Baiboly.
2 Rehefa nanome lalàna hitari-dalana ny Isiraelita Andriamanitra, dia nampitandrina azy ireo mba tsy hanambady olona tsy mpanompon’i Jehovah. (Deot. 7:2-4) Ny loza nanjo an’i Solomona dia nanamarina fa feno fahendrena izany fampitandremana izany. Nihevitra angamba i Solomona fa noho ny fahendreny niavaka, dia ho azony zakaina izay olana na fisedrana vokatry ny fanambadiana vehivavy tsy mpanompon’i Jehovah. Na dia i Solomona aza anefa, dia nahita loza rehefa ninia tsy niraharaha ny torohevitr’Andriamanitra.—1 Mpanj. 11:1-6.
3 Mbola naverin’Andriamanitra tatỳ aoriana, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ilay torohevitra hoe: Aza manambady olona tsy manompo ny Tompo. Ilay torohevitra ara-tsindrimandry akory tsy milaza hoe: ‘Raha mahita olona madio sy mendrika ianao, dia azonao atao ny miaraka aminy na manambady azy, satria azo antenaina ho lasa Kristianina izy any aoriana.’ Milaza mazava kosa ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino.” (2 Kor. 6:14) Midika ho tsy firaharahana an’io torohevitra tena lehibe io, ny fanambadiana olona mbola tsy Kristianina vita batisa.
4 Nisy fitohitohizan-dahateny nanazava ny faminanian’i Malakia, tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra.” Izao no nolazain’ny mpandaha-teny, tao amin’ilay lahateny hoe “Mankahala ny Famitahana i Jehovah”: “Mety ho nisaintsaina toy izao ireo nanambady olona tsy iray finoana taminy, tamin’ny andron’i Malakia: ‘Tena hafa kosa ange ilay olona manintona ahy e! Antenaina fa hanaiky ny fivavahana marina izy, ary efa mivolombolon’ny hanao izany mihitsy aza izy.’ Ny fisainana toy izany dia vao mainka manamarina ilay fampitandremana ara-tsindrimandry hoe: ‘Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; iza moa no mahafantatra ny aminy?’ (Jer. 17:9) Tsy misy isalasalana ny fihevitr’Andriamanitra momba ny fanambadiana tsy mpino. Hita eo am-piandohan’ny andininy faha-12 izany: ‘Hofongoran’i Jehovah izay manao izany.’ Tsy mila miresaka mivantana amin’i Malakia isika vao hahita fa mety tsara ankehitriny ireo teniny ireo. Tena iankinan’ny aina ny hanarahantsika ilay fampitandremana. Asehontsika amin’izany fa ny fifandraisantsika amin’ilay ‘ray’ izay mitady ny hahasoa antsika maharitra no zava-dehibe kokoa noho ny fifanintonana, na ny firaiketam-po eo amin’ny samy olombelona!”
5 Mihevitra an’io torohevitra io ho feno fahendrena sady zava-dehibe ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy tian’izy ireo ny hiray petsapetsa amin’izay olona mandika azy io. Mety halemy ara-panahy, ohatra, ny rahalahy na anabavy iray, ka hanomboka hiaraka amin’ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hampirisika azy hanohy an’izany fiarahana izany mihitsy ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana, ka hoe hifanerasera amin’ilay tsy mpino. Eken’izy ireo fa marina izay lazain’ny Baiboly hoe tsy namana tsara ny olona tsy Kristianina. (1 Kor. 15:33) Tokony hiahy hatrany an’ilay rahalahy na anabavy anefa izy ireo. Angamba izy ireo ho afaka hananatra amin-katsaram-panahy an’ilay Kristianina mania, ka hampahery azy mba tsy hanaraka ny ohatra ratsy navelan’i Solomona.—Ampitahao amin’ny 2 Tesaloniana 3:14, 15.
6 Ahoana anefa raha mikasa hanambady olona tsy vita batisa ny Vavolombelona iray, fa tsy miraharaha ny torohevitr’Andriamanitra? Mety hisy zavatra tena maningana, kanefa raha ny marina dia tsy hankalaza izany fanambadian’olon-droa tsy mitovy zioga izany ireo rahalahy. Tsy azo ampiasaina amin’ilay fampakaram-bady koa ny Efitrano Fanjakana. Tsy havelan’ny anti-panahin’ny fiangonana hampiasa ny Efitrano Fanjakana, ny Vavolombelon’i Jehovah mikasa ‘hitondra zioga tsy antonona hikambanana amin’ny tsy mino.’ Hamafisin’izy ireo amin’izany fa zava-dehibe ny torohevitr’Andriamanitra hanambadiana “ao amin’ny Tompo ihany.”
7 Raha manambady tsy mpino ny Kristianina vita fanoloran-tena sy batisa, dia tsy ho mendrika hahazo tombontsoam-panompoana mihitsy izy aloha. (1 Tim. 3:2, 4, 5, 12, 13) Mampisalasala raha mbola mahafeno fepetra ho anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana, ny ray izay mampirisika na manaiky na mankasitraka an-kolaka an’ilay fanambadiana. Toy izany koa raha mpisava lalana ilay ray na reny.
8 Tokony hotadidintsika foana fa mahasoa antsika ny fanarahana ny lalan’i Jehovah, satria izy no ‘mampianatra antsika hahita soa sady mitarika antsika amin’ny lalana tokony halehantsika.’—Isaia 48:17.
[Loharanon-kevitra]
Avy ao amin’ny wE 15/3/82, pejy 31