Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Vaovao Farany.
25 min: Soa avy Amin’ny Fandaharana Feno Fitiavana. Lahateny ataon’ny anti-panahy mahay iray, miorina amin’ny drafitra tamin’ny 1 Desambra 2001, avy amin’ny biraon’ny sampana. Tokony ho ampy hozaraina ny karatra Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra, eo am-pelatanan’ny fiangonana. Homena ny mpitory vita batisa, aorian’ny fivoriana anio ireny karatra ireny, nefa TSY tokony hofenoina anio. Hatao amin’ny Fianarana Boky manaraka ny fanaovana sonia sy ny fakana vavolombelona ary ny fanisiana daty ireo karatra. Vonona hanampy ireo mpitarika ny fianarana boky, raha ilaina izany. Tokony hahita ny hanaovan’ilay olona sonia ilay karatra ireo vavolombelona manao sonia. Ny mpitory tsy vita batisa dia afaka manoratra ny azy manokana sy ny an-janany, ka hanamboatra ny fehezanteny avy ao amin’ireo karatra ireo mba hifanaraka amin’ny toe-javatra misy azy sy ny hevitra ekeny mafy.
10 min: “Fomba Fanolorana Gazety.” Fampisehoana ny amin’ny fomba hanolorana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary sy ny Mifohaza! 8 Janoary. Ampirisiho ny mpitory hanohana ny fandaharana amin’ny Andron’ny Gazety.
Herinandron’ny 21 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ilay lahatsoratra hoe “Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2002 ‘Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto.’”
13 min: Mandinika ny Soratra Masina Isan’andro ve Ianao? Fiaraha-midinika ataon’ny fianakaviana iray. Mandinika Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1996, pejy 18, fehintsoratra 13, 14 izy ireo mba handraisan-tsoa bebe kokoa avy amin’ny teny hodinihina isan’andro. Resaho vetivety ny andinin-teny roa na telo nodinihina vao haingana, ary hazavao hoe nahoana no tena nahasoa indrindra ilay fanazavana. Antitrantero fa io fandaharana io dia tokony ho anisan’ny fandaharam-pianaram-pianakaviana tsy tapaka izay natao mba hahatonga azy ireo harisika hatrany.
22 min: “Hazony ho eo Amin’ny Toerana Voalohany Ilay Fanjakana.”a Mampidira fanontaniana vitsivitsy momba ny hevi-dehibe avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1998, pejy 19-21.
Herinandron’ny 28 Janoary
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Janoary. Manaova fampisehoana fohy roa momba ny fametrahana gazety, toy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary, araka ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Febroary.
20 min: “Ry Ray Aman-dreny, Ampianaro Dieny Mbola Zazakely ny Zanakareo.”b Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1998, pejy 32. Manasà ray aman-dreny hitantara ny voka-tsoa azo noho izy nanomboka nampianatra zavatra ara-panahy ny zanany dieny mbola zazakely izy ireny.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Asao ny mpitory hitantara ny zavatra hitany rehefa nampiasa ny boky Fanjohian-kevitra, sy nanolotra bokikely mety tsara mba hamaliana ny fanontanian’ny olona, na nanome fampiononana araka ny Soratra Masina ao amin’ny bokikely Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao. Avereno amin’ny alalan’ny fampisehoana ny iray na ny roa amin’izy ireny.
Herinandron’ny 4 Febroary
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Diniho ilay faritra voafefy hoe ‘Samia Manokana Zavatra Avy.’
17 min: ‘Hataon’izy Ireo Ahoana no Fandre?’c Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny. Ampidiro ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra 17, 18 ao amin’ny pejy 20 amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1998.
20 min: “Fomba Fampiseho Azo Ampiasaina.” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Misy fomba fampiseho efa nivoaka tao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana teo aloha, sy fomba fampiseho vaovao sasantsasany io takelaka fanampiny io. Ireo faritra banga dia azo ampiasaina mba hanoratana fanoloran-kevitra hafa mbola hivoaka ka hita fa mandaitra eo amin’ny faritany eo an-toerana. Asao ny mpanatrika hilaza izay fomba fampiseho tiany indrindra sy ny anton’izany. Manaova fampisehoana iray na roa izay azo ampiasaina miaraka amin’ny zavatra atolotra amin’ny Febroary. Ampirisiho ny mpitory rehetra hitahiry io takelaka fanampiny io sy hijery azy rehefa miomana ho amin’ny fanompoana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.