FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/02 p. 1
  • ‘Hataon’izy Ireo Ahoana no Fandre?’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Hataon’izy Ireo Ahoana no Fandre?’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Miomana ho amin’ny fanafahana mba ho ao amin’ny tontolo vaovao iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Sodoma
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fitoriana “ho Vavolombelona Amin’ny Firenena Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tadidio ny Nataon’ny Vadin’i Lota
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 1/02 p. 1

‘Hataon’izy Ireo Ahoana no Fandre?’

1 Nanantitrantitra i Jesosy hoe: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.” (Marka 13:10) Miezaka mafy amin-jotom-po isika, nefa mbola misy foana olona an-jato tapitrisa tsy nanaovana fanambarana mivantana. Misy fanjakana manakantsakana ny asantsika. Mitombo haingana ny isan’ny olona any amin’ny tany maro efa be mponina. Koa ‘hataon’izy ireo ahoana no fandre?’—Rom. 10:14.

2 Matokia an’i Jehovah: Tokony hotadidintsika fa fantatr’i Jehovah ny toe-pon’ny olona rehetra. Na toy inona na toy inona toe-javatra misy ny olona iray, dia hahita ny fahamarinana momba an’Andriamanitra izy, raha tena mitady izany tokoa.—1 Tant. 28:9.

3 Nanahy ny amin’ny mponin’i Sodoma sy Gomora i Abrahama. Nanome toky azy anefa Andriamanitra hoe tsy haringana i Sodoma raha misy olo-marina folo monja ao. (Gen. 18:20, 23, 25, 32) Mbola tsy nandringana ny marina niaraka tamin’ny meloka mihitsy i Jehovah. Hita izany tamin’ny namonjeny an’i Lota sy ny zanany vavy.—2 Pet. 2:6-9.

4 Nieritreritra i Elia, indray mandeha, hoe irery tanteraka izy nanompo an’ilay Andriamanitra marina. Nanome toky azy anefa i Jehovah fa tsy irery mihitsy izy, ary ho vita ny asa natombony. (1 Mpanj. 19:14-18) Ahoana ny amin’ny toe-javatra iainantsika ankehitriny?

5 Aoka ho be atao foana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra: Tsy fantatsika hoe mbola hitatra hatraiza ny asa fanambarana. I Jehovah no tompon’andraikitra amin’io asa io, ary ampiasainy hanara-maso izany ny anjeliny. (Apok. 14:6, 7) Izy no mamaritra hoe mbola hitatra hatraiza ny fanambarana hatao amin’ny firenena rehetra. Raha tian’i Jehovah, dia azony atao ny mampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana, amin’ny fomba tsy eritreretintsika akory, mba hahafahan’ny olona maro kokoa ‘handre ny tenin’ny filazantsara ka hino.’ (Asa. 15:7) Ny zavatra hataon’i Jehovah dia hifanaraka tanteraka amin’ny maha izy azy: Andriamanitra be fitiavana sy hendry ary manao ny rariny.

6 Voninahitra ho antsika ny miasa mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah, ka manao araka izay fara herintsika mba handrenesan’ny olona rehetra ny vaovao tsara.—1 Kor. 9:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara