Hazony ho eo Amin’ny Toerana Voalohany Ilay Fanjakana
1 Tsy mora ny mametraka ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany sy ny mihazona azy io ho eo amin’io toerana io, rehefa manana olana ara-bola na olana hafa isika. Ahoana no ihazonantsika ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany rehefa sahirana isika? Ahoana raha tolorana asa tsy hamela antsika hivory, na hanelingelina ny fanompoantsika isika? Ilay Fanjakana indray ve no tsy maintsy atao eo amin’ny toerana faharoa?
2 Ilaina ny finoana matanjaka: Tsy tokony hanadino ny fampanantenan’Andriamanitra mihitsy isika rehefa voasedra toy izany ny finoantsika, ary tsy tokony hanadino koa fa nanome toky i Jesosy hoe hanampy antsika Andriamanitra raha mikatsaka ilay Fanjakana aloha isika. (Sal. 37:25; Matio 6:31-34) Mety hahatonga antsika ho varimbariana na hisakana antsika tsy hihazona ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany, ny fitaomana sy ny faneren’ity tontolo ity. Misy olona manantena fisondrotana na manantena hahazo vola be, ka izany no lasa zava-dehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Mila mamantatra izay tena zava-dehibe eo amin’ny fiainana anefa isika, toa an’i Paoly.—Fil. 3:7, 8.
3 Ilaina ve ny fanitsiana? Hoy ny mpitory iray: ‘Ny asako no tena nimasoako, ary io no zavatra tiako indrindra. Nihevitra aho fa mbola ho afaka ny ho Vavolombelona foana na dia manokana ny androatokom-piainako amin’ny asako aza.’ Tsy afaka tao an-tsainy anefa fa afaka ny hanao bebe kokoa hanompoana an’i Jehovah izy. Nialany ilay asa nanakantsakana ny fandrosoany ara-panahy, rehefa nandeha ny fotoana. Afaka nilaza toy izao izy rehefa nanda tena ho an’ny asan’ilay Fanjakana: “Tsapako ankehitriny fa mahomby eo imason’i Jehovah ny fiainako, ary izany no tena zava-dehibe.”
4 Maro no mahate hidera satria niala tamin’ny asa sy fanantenana hahazo tombony ara-bola bebe kokoa, nanatsotra ny fiainany ary nanao ny fanompoana manontolo andro. Izany no nataon’ireo mpanampy amin’ny fanompoana sy anti-panahy mpitovo, nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka faly izy ireo noho ny tombontsoam-panompoana mahafinaritra ananany. Manahaka ny ohatra tena tsara navelan’i Paoly izy ireo, ka mianina tokoa amin’ireo zavatra tena ilaina.—1 Kor. 11:1; 1 Tim. 6:6-8; Heb. 13:5.
5 Mitahy antsika i Jehovah, na dia maneso antsika aza izao tontolo izao, noho ny fomba fijerintsika ny fiainana. (1 Kor. 1:26-31) Tsy mampahery ve ny mahafantatra fa hampiasa antsika amin’ny fomba feno izy no sady hanampy antsika hahatontosa ny asany? Amin’izao fotoana izao ihany isika no afaka mitory ilay Fanjakan’Andriamanitra efa tafaorina. Izao àry no fotoana hihazonana ilay Fanjakana ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika.