Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2002
Toromarika
Mandritra ny 2002, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana.
LOHARANON-KEVITRA: Ireo anjara dia hiorina amin’ny Baiboly, Ny Tilikambo Fiambenana [w], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], ary Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs].
Tokony hanomboka ARA-POTOANA ilay sekoly, amin’ny hira sy ny vavaka ary teny fohy fiarahabana tonga soa. Tsy ilaina ny hitanisana mialoha ireo loha hevitra hovelabelarina mandritra ilay fandaharana. Rehefa mampiditra ny anjara tsirairay ny mpiandraikitra ny sekoly vao hanonona azy ireo. Toy izao manaraka izao no ho fizotrany:
ANJARA No. 1: 15 minitra. Tokony hataon’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana ity, ary hiorina amin’ ny Tilikambo Fiambenana, na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.” Tokony ho lahateny fampianarana 15 minitra tsy misy famerenana am-bava ity anjara ity, rehefa miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana; fa rehefa miorina amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra” kosa, dia tokony ho lahateny 10 ka hatramin’ny 12 minitra, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra, ka ireo fanontaniana ao amin’ilay boky no hampiasaina. Tsy ny hamelabelatra ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana dinihina, ka hanasongadinana izay zavatra hanampy indrindra ny fiangonana. Ny loha hevitra ato amin’ny fandaharana no tokony hampiasaina.
Tokony hitandrina ireo rahalahy notendrena hanao io lahateny io mba tsy hihoatra ny fotoana. Azo atao ny manome torohevitra mitokana raha tena ilaina, na raha angatahin’ilay mpandahateny.
HEVITRA MISONGADINA AO AMIN’NY BAIBOLY: 6 minitra. Ity dia tokony hataon’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana, izay hahay hampihatra ireo hevitra amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana. Tsy ilaina ny manome loha hevitra. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ireo toko nasaina novakina izy ity. Azo ampidirina amin’izy io ny famerenana amin’ny ambangovangony ireo toko nasaina novakina, mandritra ny 30 ka hatramin’ny 60 segondra. Ny zava-kendrena lehibe indrindra anefa dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ary amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra.
ANJARA No. 2: 5 minitra. Ity dia famakiana Baiboly avy amin’ny toko voatondro, hataon’ny rahalahy iray, na ao amin’ny kilasy lehibe ilay mpianatra, na ao amin’ny kilasy fanampiny. Mazàna no fohy ireo fizarana nasaina novakina mba hamelana ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy famaranana. Azo atao ny mampiditra fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na foto-pampianarana, sy fampiharana toro lalana. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy ny andinin-teny rehetra. Mazava ho azy fa rehefa tsy misesy ireo andinin-teny tokony hovakina, dia azon’ilay mpianatra atao ny manonona ilay andininy izay hitohizan’ilay vakiteny.
ANJARA No. 3 SY No. 4: Hiorina amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. TSY ISAINA ho anisan’ny fehintsoratra ireo “Hevitry ny teny” sy ireo lohatenikely amin’ny soratra matevina na sora-mandry matevina.
ANJARA No. 3: 5 minitra. Asaina hataon’ny anabavy izy ity. Hiorina amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ny foto-kevitr’ity famelabelarana ity. Azo ampiasaina izay faritra rehetra mety amin’ny faritaninareo, ary afaka mipetraka na mitsangana ireo mpandray anjara. Hoheverin’ilay mpiandraikitra ny sekoly indrindra ny fomba hamelabelaran’ilay mpianatra ny foto-kevitra voatondro, sy ny fomba hanampiany ilay tompon-trano hanjohy hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra hasaina hanao ity anjara ity. Hisy mpanampy iray hotendren’ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy iray hafa fanampiny. Tsy ny faritra no tokony homena fiheverana lehibe indrindra, fa ny fampiasana ny Baiboly amin’ny fomba mandaitra.
ANJARA No. 4: 5 minitra. Hiorina amin’ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ny foto-kevitr’ity anjara ity. Azo omena rahalahy na anabavy ny Anjara No. 4. Tokony ho lahateny foana ilay izy, rehefa omena rahalahy. Tokony haseho araka izay voasoritra ho an’ny Anjara No. 3 izy io, rehefa omena anabavy.
FANDAHARAM-PAMAKIANA BAIBOLY: Ampirisihina ny rehetra eo anivon’ny fiangonana mba hanaraka ny fandaharam-pamakiana Baiboly isan-kerinandro, izay mitaky famakiana tokotokony ho pejy iray isan’andro.
FANAMARIHANA: Raha mila fanazavana fanampiny sy toromarika momba ny torohevitra, ny faharetan’ny anjara, ny famerenana an-tsoratra sy ny fanomanana ireo anjara, dia jereo, aza fady, ny pejy faha-3 amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996.
FANDAHARANA
7 Jan. Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 1-6
Hira 59
No. 1: Teny Fampidirana ny Mpitoriteny (si p. 112, 113 feh. 1-8)
No. 2: Mpitoriteny 4:1-16
No. 3: a‘Mino ny Fanasitranana ve Ianao?’ (rs p. 177 feh. 5, 6)
No. 4: Efa Nisy Tany Amin’ny Faritra Ara-panahy ve Isika Talohan’ny Hahaterahana ho Olombelona? (rs p. 321 feh. 2–p. 322 feh. 3)
14 Jan. Famakiana Baiboly: Mpitoriteny 7-12
Hira 25
No. 1: Mpitoriteny: Mahasoa—Nahoana? (si p. 114 feh. 15-19)
No. 2: Mpitoriteny 8:1-17
No. 3: Raha Tsy Nanota i Adama, ho Niakatra Tany An-danitra ve Izy Tamin’ny Farany? (rs p. 322 feh. 4, 5)
No. 4: Tsy Maintsy Mankany An-danitra ve mba Hahitana ny Tena Fahasambarana? (rs p. 322 feh. 6–p. 323 feh. 2)
21 Jan. Famakiana Baiboly: Tonon-kiran’i Solomona 1-8
Hira 11
No. 1: Teny Fampidirana ny Tonon-kiran’i Solomona sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 115-117 feh. 1-4, 16-18)
No. 2: Tonon-kiran’i Solomona 5:1-16
No. 3: Inona no Dikan’ny Teny ao Amin’ny 1 Petera 3:19, 20? (rs p. 323 feh. 3)
No. 4: Inona no Hevitry ny 1 Petera 4:6? (rs p. 323 feh. 4)
28 Jan. Famakiana Baiboly: Isaia 1-6
Hira 204
No. 1: Teny Fampidirana ny Isaia (si p. 118, 119 feh. 1-8)
No. 2: Isaia 2:1-17
No. 3: Ny Fiainana any An-danitra ve no Fanantenana ho An’ny Kristianina Rehetra? (rs p. 324 feh. 1-3)
No. 4: Inona no Lazain’ny “Testamenta Vaovao” Momba ny Fiainana Mandrakizay eto An-tany? (rs p. 325 feh. 1–p. 326 feh. 2)
4 Feb. Famakiana Baiboly: Isaia 7-11
Hira 89
No. 1: Mila ny Fandaminan’i Jehovah Isika (w 1/1/00 p. 30, 31)
No. 2: Isaia 8: 1-22
No. 3: Araka ny Voalazan’ny Baiboly, Olona Firy no Hanana Tombontsoa Hiaina any An-danitra? (rs p. 326 feh. 3, 4)
No. 4: Jiosy Ara-nofo Daholo ve Ireo 144 000? (rs p. 326 feh. 5–p. 327 feh. 2)
11 Feb. Famakiana Baiboly: Isaia 12-19
Hira 177
No. 1: Ahoana no Fiheveranao ny Tenanao? (w 15/1/00 p. 20-22)
No. 2: Isaia 17:1-14
No. 3: Manana Fanantenana Araka ny Soratra Masina Inona ny “Olona Betsaka”? (rs p. 327 feh. 3-5)
No. 4: Hanao Inona any Ireo ho any An-danitra? (rs p. 328 feh. 1-5)
18 Feb. Famakiana Baiboly: Isaia 20-26
Hira 225
No. 1: Mambole Fisakaizana Akaiky Amin’i Jehovah (w 15/1/00 p. 23-26)
No. 2: Isaia 22:1-19
No. 3: Milaza ve ny Baiboly fa Mbola Velona Ihany ny Fanahy Aorian’ny Fahafatesan’ny Vatana? (rs p. 28 feh. 1-5)
No. 4: Iza moa no Mankany Amin’ny Afobe na Fiainan-tsy Hita Voalazan’ny Baiboly? (rs p. 28 feh. 6–p. 29 feh. 2)
25 Feb. Famakiana Baiboly: Isaia 27-31
Hira 192
No. 1: Nahita Hazavana Lehibe Ilay Mpanenjika (w 15/1/00 p. 27-29)
No. 2: Isaia 29:1-14
No. 3: Azo Atao ve ny Mivoaka avy ao Amin’ny Afobe na Fiainan-tsy Hita Voalazan’ny Baiboly? (rs p. 29 feh. 3-5)
No. 4: Iharan’ny Sazy Mandrakizay ve ny Ratsy Fanahy? (rs p. 30 feh. 1-3)
4 Mar. Famakiana Baiboly: Isaia 32-37
Hira 98
No. 1: Fahombiazana Amin’ny Alalan’ny Fikirizana (w 1/2/00 p. 4-6)
No. 2: Isaia 33:1-16
No. 3: Inona Ilay hoe ‘Fampijaliana Mandrakizay’ Resahina ao Amin’ny Apokalypsy? (rs p. 31 feh. 1, 2)
No. 4: Inona moa ny “Gehena Afo” Voalazan’i Jesosy? (rs p. 32 feh. 1-3)
11 Mar. Famakiana Baiboly: Isaia 38-42
Hira 132
No. 1: Torohevitra Feno Fahendrena Nomen’ny Reny (w 1/2/00 p. 30, 31)
No. 2: Isaia 42:1-16
No. 3: Inona no Sazy Noho ny Ota? (rs p. 33 feh. 1-4)
No. 4: Nampianatra ve i Jesosy fa Hijaly ny Ratsy Fanahy Aorian’ny Fahafatesana? (rs p. 33 feh. 5)
18 Mar. Famakiana Baiboly: Isaia 43-47
Hira 160
No. 1: Mijanòna any Ivelan’ny Faritra Mampidi-doza! (w 15/2/00 p. 4-7)
No. 2: Isaia 44:6-20
No. 3: Inona no Dikan’ilay Fanoharana Momba Ilay Lehilahy Nanan-karena sy i Lazarosy? (rs p. 34 feh. 1-3)
No. 4: Miorina Amin’ny Baiboly ve ny Fetin’ny Noely? (rs p. 201 feh. 2–p. 202 feh. 2)
25 Mar. Famakiana Baiboly: Isaia 48-52
Hira 161
No. 1: Ny Herin’ny Vavaka (w 1/3/00 p. 3, 4)
No. 2: Isaia 49:1-13
No. 3: Iza Ireo Mpanjaka Magy Notarihin’ny Kintana ho any Amin’i Jesosy? (rs p. 202 feh. 3–p. 203 feh. 1)
No. 4: Inona no Tokony Hojerentsika Rehefa Mandinika Ireo Fanao Amin’ny Krismasy? (rs p. 203 feh. 2-4)
1 Apr. Famakiana Baiboly: Isaia 53-59
Hira 210
No. 1: Mitady An’i Jehovah Amin’ny Fo Voaomana (w 1/3/00 p. 29-31)
No. 2: Isaia 54:1-17
No. 3: Toro Lalana Inona no Tokony Hitarika Antsika Raha ny Amin’ireo Fankalazana? (rs p. 204 feh. 1-4)
No. 4: Inona no Tokony ho Fantatsika Momba ny Paka sy ny Taombaovao? (rs p. 205 feh. 1–p. 206 feh. 1)
8 Apr. Famakiana Baiboly: Isaia 60-66
Hira 111
No. 1: Isaia: Mahasoa—Nahoana? (si p. 123 feh. 34-39)
No. 2: Isaia 61:1-11
No. 3: Inona no ao Ambadik’ireo Fety Ankalazaina ho Fanomezam-boninahitra ny “Fanahin’ny Maty”? (rs p. 206 feh. 2–p. 207 feh. 1)
No. 4: Inona no Fantatsika Momba ny Saint-Valentin sy ny Fetin’ny Reny ary ny Fombafomba Mampiseho Fanindrahindram-pirenena? (rs p. 207 feh. 3–p. 208 feh. 4)
15 Apr. Famakiana Baiboly: Jeremia 1-4
Hira 70
No. 1: Teny Fampidirana ny Jeremia (si p. 124 feh. 1-5)
No. 2: Jeremia 2:4-19
No. 3: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fivavahana Amin’ny Sary? (rs p. 369 feh. 1-4)
No. 4: Azo Atao ve ny Mila Fanampiana Amin’ny Sary mba Hivavahana Amin’ilay Andriamanitra Marina? (rs p. 369 feh. 5-9)
22 Apr. Famakiana Baiboly: Jeremia 5-8
Hira 205
No. 1: Ny Antony Ilan’ny Olombelona Mpanampy Iray (w 15/3/00 p. 3, 4)
No. 2: Jeremia 7:1-20
No. 3: Tokony Hankamasina ny Sarin’ny “Olo-masina” ho toy ny Mpanalalana Amin’Andriamanitra ve Isika? (rs p. 370 feh. 1-6)
No. 4: Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra Ireo Sary Tolorana Fanompoam-pivavahana? (rs p. 371 feh. 1-4)
29 Apr. Famerenana An-tsoratra. Famakiana Baiboly: Jeremia 9-13
Hira 46
6 May Famakiana Baiboly: Jeremia 14-18
Hira 224
No. 1: Ny Fomba Ahafahan’i Jesosy Manampy Antsika (w 15/3/00 p. 5-9)
No. 2: Jeremia 17:1-18
No. 3: Tokony Hanao Ahoana ny Fihetsitsika Manoloana Ireo Sary Nivavahantsika Taloha? (rs p. 371 feh. 5–p 372 feh. 2)
No. 4: Inona no Mety ho Herin’ny Fampiasana Sary Amin’ny Fivavahana eo Amin’ny Hoavintsika? (rs p. 372 feh. 3-6)
13 May Famakiana Baiboly: Jeremia 19-23
Hira 73
No. 1: Fiheveran-tena Araka ny Antonony—Toetra Tsara Mampandroso Fihavanana (w 15/3/00 p. 21-24)
No. 2: Jeremia 19:1-15
No. 3: Tena Mahazo Fahafahana Tokoa ve ny Tena Rehefa Manilika ny Fitsipiky ny Baiboly? (rs p. 411 feh. 1-3)
No. 4: Inona no Torohevitry ny Baiboly Momba ny Fikatsahana Zavatra Ara-nofo sy ny Tsy Fahalalana Onony Amin’ny Zava-pisotro Misy Alkaola? (rs p. 411 feh. 4–p. 412 feh. 1)
20 May Famakiana Baiboly: Jeremia 24-28
Hira 140
No. 1: Lehilahy Fakan-tahaka Nanaiky Fanitsiana (w 15/3/00 p. 25-28)
No. 2: Jeremia 25:1-14
No. 3: Ankamamio ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah, ary Halaviro ny Naman-dratsy (rs p. 412 feh. 3)
No. 4: Iza no Nanosika ny Olona Tsy Hiraharaha ny Didin’Andriamanitra? (rs p. 413 feh. 1, 2)
27 May Famakiana Baiboly: Jeremia 29-31
Hira 42
No. 1: Ahoana no Fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra Ankehitriny? (w 1/4/00 p. 8-10)
No. 2: Jeremia 30:1-16
No. 3: Fihetsika Manao Ahoana no Tokony Hohalavirintsika? (rs p. 413 feh. 3–p. 414 feh. 3)
No. 4: Raha Mahatonga ny Olona Iray Hanahaka An’izao Tontolo Izao ny Tsy Fiankinany, eo Ambanin’ny Herin’iza moa Izy? (rs p. 414 feh. 4, 5)
3 Jona Famakiana Baiboly: Jeremia 32-35
Hira 85
No. 1: Mahazoa Fampiononana avy Amin’ny Herin’i Jehovah (w 15/4/00 p. 4-7)
No. 2: Jeremia 34:1-16
No. 3: Aiza ho Aiza avy no Ahitana ny Anaran’Andriamanitra ao Amin’ireo Fandikan-teny Fampiasa? (rs p. 288 feh. 1–p. 289 feh. 5)
No. 4: Nahoana moa ny Fandikan-tenin’ny Baiboly Maro no Tsy Mampiasa ny Anarana Manokan’Andriamanitra? (rs p. 289 feh. 6–p. 291 feh. 1)
10 Jona Famakiana Baiboly: Jeremia 36-40
Hira 159
No. 1: Mitovy Amin’ny An’Andriamanitra ve ny Fomba Fijerinao Ireo Mahery Setra? (w 15/4/00 p. 26-29)
No. 2: Jeremia 37:1-17
No. 3: Inona no Endriky ny Anaran’Andriamanitra Mety: Jehovah sa Yaveh? (rs p. 291 feh. 2–p. 294 feh. 2)
No. 4: Moa ve Ilay Jehovah ao Amin’ny “Testamenta Taloha” Ilay Jesosy Kristy ao Amin’ny “Testamenta Vaovao”? (rs p. 294 feh. 3-6)
17 Jona Famakiana Baiboly: Jeremia 41-45
Hira 26
No. 1: “Tandremo ny Fonao” (w 15/5/00 p. 20-24)
No. 2: Jeremia 41:1-15
No. 3: Ahoana no Mety Hitiavana An’i Jehovah Sady Hatahorana Azy? (rs p. 295 feh. 1, 2)
No. 4: Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah Inona avy moa no Mampiavaka Azy Amin’ny Fivavahana Hafa? (rs p. 418 feh. 1–p. 419 feh. 4)
24 Jona Famakiana Baiboly: Jeremia 46-49
Hira 15
No. 1: Fiainana Lavorary Tsy Nofinofy Fotsiny! (w 15/6/00 p. 5-7)
No. 2: Jeremia 49:1-13
No. 3: Fivavahana Amerikanina ve ny Vavolombelon’i Jehovah? (rs p. 419 feh. 5–p. 420 feh. 4)
No. 4: Sekta ve ny Vavolombelon’i Jehovah? (rs p. 420 feh. 5–p. 422 feh. 1)
1 Jolay Famakiana Baiboly: Jeremia 50-52
Hira 100
No. 1: Jeremia: Mahasoa—Nahoana? (si p. 129 feh. 36-39)
No. 2: Jeremia 50:1-16
No. 3: Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny Azy Ihany no Fivavahana Marina? (rs p. 422 feh. 2, 3)
No. 4: Mifikitra Amin’ny Fampianaran’ny Baiboly ny Fivavahana Marina (rs p. 422 feh. 4)
8 Jolay Famakiana Baiboly: Fitomaniana 1-2
Hira 8
No. 1: Teny Fampidirana ny Fitomaniana (si p. 130, 131 feh. 1-7)
No. 2: Fitomaniana 1:1-14
No. 3: Ahoana no Ahavitan’ny Vavolombelon’i Jehovah Manazava ny Baiboly? (rs p. 423 feh. 1-4)
No. 4: Nahoana no Nisy Niova ny Fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah? (rs p. 424 feh. 1)
15 Jolay Famakiana Baiboly: Fitomaniana 3-5
Hira 145
No. 1: Fitomaniana: Mahasoa—Nahoana? (si p. 132 feh. 13-15)
No. 2: Fitomaniana 3:1-30
No. 3: Nahoana no Mitory Isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah? (rs p. 424 feh. 2-5)
No. 4: Nahoana no Enjehina ny Vavolombelon’i Jehovah? (rs p. 425 feh. 2, 3)
22 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 1-6
Hira 94
No. 1: Teny Fampidirana ny Ezekiela (si p. 132, 133 feh. 1-6)
No. 2: Ezekiela 4:1-17
No. 3: b‘Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandray Anjara Amin’ny Fanatsarana An’ity Tontolo Ity?’ (rs p. 425 feh. 4–p. 426 feh. 3)
No. 4: c‘Tokony ho Vavolombelon’i Jesosy ny Kristianina, fa Tsy Vavolombelon’i Jehovah’ (rs p. 427 feh. 1)
29 Jolay Famakiana Baiboly: Ezekiela 7-12
Hira 221
No. 1: Mandraisa Soa avy Amin’ireo Ohatra Tsara (w 1/7/00 p. 19-21)
No. 2: Ezekiela 10:1-19
No. 3: Olona Tena Nisy ve i Jesosy Kristy? (rs p. 296 feh. 1-4)
No. 4: Lehilahy Tsara Fanahy Fotsiny ve i Jesosy Kristy? (rs p. 296 feh. 5)
5 Aog. Famakiana Baiboly: Ezekiela 13-16
Hira 106
No. 1: Azonao Atao ny Mitoetra ho Madio ao Amin’ny Tontolo Iray Maloto Fitondran-tena (w 15/7/00 p. 28-31)
No. 2: Ezekiela 13:1-16
No. 3: Filoha Ara-pivavahana Hafa Fotsiny ve i Jesosy? (rs p. 297 feh. 1)
No. 4: Nahoana no Tsy Nanaiky An’i Jesosy Ireo Jiosy Tamin’ny Ankapobeny? (rs p. 297 feh. 2–p. 298 feh. 1)
12 Aog. Famakiana Baiboly: Ezekiela 17-20
Hira 214
No. 1: Nahoana no Manaja ny Fahefana? (w 1/8/00 p. 4-7)
No. 2: Ezekiela 17:1-18
No. 3: Andriamanitra ve i Jesosy Kristy? (rs p. 298 feh. 2, 3)
No. 4: Manaporofo ve ny Jaona 1:1 fa Andriamanitra i Jesosy? (rs p. 299 feh. 2-4)
19 Aog. Famakiana Baiboly: Ezekiela 21-23
Hira 86
No. 1: Ahoana no Andaminanao Tsy Fifanarahana? (w 15/8/00 p. 23-25)
No. 2: Ezekiela 22:1-16
No. 3: Moa ve ny Fihiakan’i Tomasy ao Amin’ny Jaona 20:28 Manaporofo fa Andriamanitra Tokoa i Jesosy? (rs p. 300 feh. 1-3)
No. 4: Moa ve ny Matio 1:23 Mampiseho fa Andriamanitra i Jesosy Fony Izy Teto An-tany? (rs p. 300 feh. 4–p. 301 feh. 1)
26 Aog. Famerenana An-tsoratra. Famakiana Baiboly: Ezekiela 24-28
Hira 18
2 Sept. Famakiana Baiboly: Ezekiela 29-32
Hira 40
No. 1: Nahoana no Tokony Hahafoy Tena? (w 15/9/00 p. 21-24)
No. 2: Ezekiela 30:1-19
No. 3: Inona no Hevitry ny Jaona 5:18? (rs p. 301 feh. 2, 3)
No. 4: Moa ve ny Fiankohofana eo Anatrehan’i Jesosy Manaporofo fa Andriamanitra Izy? (rs p. 301 feh. 4–p. 302 feh. 1)
9 Sept. Famakiana Baiboly: Ezekiela 33-36
Hira 49
No. 1: Ny Fomba Ahafahanao Manatona An’Andriamanitra (w 15/10/00 p. 4-7)
No. 2: Ezekiela 33:1-16
No. 3: Moa ve Ireo Fahagagana Nataon’i Jesosy Manaporofo fa Andriamanitra Izy? (rs p. 302 feh. 2–p. 303 feh. 1)
No. 4: Ampy ve ny Mino An’i Jesosy Kristy mba Hahavoavonjy? (rs p. 303 feh. 3)
16 Sept. Famakiana Baiboly: Ezekiela 37-40
Hira 34
No. 1: Ahoana no Hamaritanao ny Fahombiazana? (w 1/11/00 p. 18-21)
No. 2: Ezekiela 39:1-16
No. 3: Nisy Tany An-danitra ve i Jesosy Talohan’ny Nahatongavany ho Olombelona? (rs p. 303 feh. 4, 5)
No. 4: Mbola Vatana Ara-nofo ve i Jesosy any An-danitra? (rs p. 303 feh. 6–p. 304 feh. 3)
23 Sept. Famakiana Baiboly: Ezekiela 41-45
Hira 50
No. 1: Manompoa An’Andriamanitra Amin’ny Toe-tsaina Vonona Hanompo (w 15/11/00 p. 21-23)
No. 2: Ezekiela 42:1-20
No. 3: Olona Iray Ihany ve i Jesosy Kristy sy i Mikaela Arikanjely? (rs p. 304 feh. 4–p. 305 feh. 2)
No. 4: d‘Tsy Mino An’i Jesosy Ianareo’ (rs p. 305 feh. 3–p. 306 feh. 2)
30 Sept. Famakiana Baiboly: Ezekiela 46-48
Hira 112
No. 1: Ezekiela: Mahasoa—Nahoana? (si p. 137 feh. 29-33)
No. 2: Ezekiela 46:1-15
No. 3: e‘Manaiky An’i Jesosy ho Mpamonjy Anao ve Ianao?’ (rs p. 306 feh. 3, 4)
No. 4: f‘Nanaiky An’i Jesosy ho Mpamonjy Ahy Aho’ (rs p. 306 feh. 5)
7 Okt. Famakiana Baiboly: Daniela 1-4
Hira 10
No. 1: Teny Fampidirana ny Daniela (si p. 138, 139 feh. 1-6)
No. 2: Daniela 1:1-17
No. 3: Vahoaka Voafidin’Andriamanitra ve Ireo Jiosy Ara-nofo Ankehitriny? (rs p. 307 feh. 1–p. 308 feh. 4)
No. 4: Moa ve ny Jiosy Rehetra Hiova Hanaraka ny Finoan’i Kristy? (rs p. 308 feh. 5–p. 309 feh. 1)
14 Okt. Famakiana Baiboly: Daniela 5-8
Hira 191
No. 1: Tsy Maintsy Mino Foana Izay Lazain’ny “Hendry” ve Ianao? (w 1/12/00 p. 29-31)
No. 2: Daniela 5:1-16
No. 3: Tsy Maintsy Mino An’i Jesosy ve ny Jiosy mba ho Voavonjy? (rs p. 309 feh. 2, 3)
No. 4: Fahatanterahan’ireo Faminaniana ao Amin’ny Baiboly ve Ireo Fisehoan-javatra Mitranga Ankehitriny any Israely? (rs p. 309 feh. 4–p. 311 feh. 1)
21 Okt. Famakiana Baiboly: Daniela 9-12
Hira 108
No. 1: Daniela: Mahasoa—Nahoana? (si p. 141, 142 feh. 19-23)
No. 2: Daniela 10:1-21
No. 3: Tanteraka Amin’izao Andro Izao ve Ireo Faminaniana Momba ny Famerenana ny Isiraely? (rs p. 311 feh. 2–p. 312 feh. 1)
No. 4: Tena Fitondram-panjakana ve ny Fanjakan’Andriamanitra? (rs p. 193 feh. 3, 4)
28 Okt. Famakiana Baiboly: Hosea 1-14
Hira 23
No. 1: Teny Fampidirana ny Hosea sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 143-145 feh. 1-8, 14-17)
No. 2: Hosea 4:1-19
No. 3: Iza avy Ireo Mpanjaka ao Amin’io Fanjakana Io? (rs p. 194 feh. 1-3)
No. 4: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra Amin’ny Fitondram-panjakan’olombelona? (rs p. 194 feh. 4-5)
4 Nov. Famakiana Baiboly: Joela 1-4
Hira 166
No. 1: Teny Fampidirana ny Joela sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 146-148 feh. 1-5, 12-14)
No. 2: Joela 1:1-20
No. 3: Hanamasina ny Anaran’i Jehovah ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 194 feh. 6–p. 195 feh. 2)
No. 4: Hampiray ny Zavatra Noforonina Rehetra ho Amin’ny Fivavahana Madio ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 195 feh. 3–p. 196 feh. 1)
11 Nov. Famakiana Baiboly: Amosa 1-9
Hira 80
No. 1: Teny Fampidirana ny Amosa sy Mahasoa—Nahoana (si p. 148-150 feh. 1-6, 13-17)
No. 2: Amosa 1:1-15
No. 3: Hanafoana ny Ady sy ny Kolikoly ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 196 feh. 2-5)
No. 4: Hanome Sakafo ho An’ny Rehetra sy Hanaisotra ny Aretina ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 196 feh. 6–p. 197 feh. 1)
18 Nov. Famakiana Baiboly: Obadia 1–Jona 4
Hira 96
No. 1: Teny Fampidirana ny Obadia sy Jona sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 151-153 feh. 1-5, 10-14; p. 153-155 feh. 1-4, 9-12)
No. 2: Obadia 1:1-16
No. 3: Hanome Fonenana sy Asa ary Tsy Fananana Ahiahy ho An’ny Rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 197 feh. 2-5)
No. 4: Hampanjaka ny Rariny sy ny Fahitsiana ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 197 feh. 6–p. 198 feh. 1)
25 Nov. Famakiana Baiboly: Mika 1-7
Hira 138
No. 1: Teny Fampidirana ny Mika sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 155-158 feh. 1-8, 16-19)
No. 2: Mika 1:1-16
No. 3: Hanangana ny Maty ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p. 198 feh. 2-5)
No. 4: Hampisy Tontolo Anjakan’ny Fitiavana sy ny Firindrana ny Fanjakan’Andriamanitra (rs p.198 feh. 6–p. 199 feh. 1)
2 Des. Famakiana Baiboly: Nahoma 1–Habakoka 3
Hira 137
No. 1: Teny Fampidirana ny Nahoma sy Habakoka sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 158-160 feh. 1-7, 11-12; p. 161-163 feh. 1-5, 12-14)
No. 2: Nahoma 3:1-19
No. 3: Hanova ny Tany ho Paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra (rs 199 feh. 2-4)
No. 4: Nanomboka Nanapaka Tamin’ny Taonjato Voalohany ve ny Fanjakan’Andriamanitra? (rs p. 199 feh. 5-7)
9 Des. Famakiana Baiboly: Zefania 1–Hagay 2
Hira 146
No. 1: Teny Fampidirana ny Zefania sy Hagay sy Mahasoa—Nahoana? (si p. 163-166 feh. 1-6, 10-12; p. 166-168 feh. 1-7, 13-16)
No. 2: Zefania 2:1-15
No. 3: Miova ve Izao Tontolo Izao vao ho Tonga ny Fanjakan’Andriamanitra? (rs p. 200 feh. 1, 2)
No. 4: g‘Tsy ho Tonga Amin’ny Andro Ahavelomako ny Fanjakan’Andriamanitra’ (rs p. 200 feh. 4–p. 201 feh. 1)
16 Des. Famakiana Baiboly: Zakaria 1-8
Hira 1
No. 1: Teny Fampidirana ny Zakaria (si p. 168-169 feh. 1-7)
No. 2: Zakaria 6:1-15
No. 3: Inona no Mampiseho fa Miaina Amin’ny Andro Farany Isika? (rs p. 44 feh. 1)
No. 4: Amin’ny Ahoana no hoe Anisan’ilay “Famantarana” ny Ady sy ny Mosary? (rs p. 44 feh. 2–p. 45 feh. 4)
23 Des. Famakiana Baiboly: Zakaria 9-14
Hira 176
No. 1: Zakaria: Mahasoa—Nahoana? (si p. 171, 172 feh. 23-27)
No. 2: Zakaria 9:1-17
No. 3: Ahoana no Nahatanterahan’ny Lioka 21:11 Hatramin’ny 1914? (rs p. 46 feh. 1-3)
No. 4: Midika ho Inona ny Fitomboan’ny Tsy Fankatoavan-dalàna? (rs p. 46 feh. 4–p. 47 feh.1)
30 Des. Famerenana An-tsoratra. Famakiana Baiboly: Malakia 1-3
Hira 118
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.
b Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.
c Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.
d Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.
e Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.
f Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.
g Raha ampy ny fotoana, dia tokony hovalian’ilay mpianatra ireo fanizingizinana sy fanoherana, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.