FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/01 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 10/01 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Oktobra: Gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Azo atao ny manolotra famandrihana, rehefa liana ilay olona, amin’ny fiverenana mitsidika. Novambra: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Boky tranainy hafa atolotra, raha efa manana an’ireo ilay olona. Desambra: Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Azo atolotra koa Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona? Janoary: Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra na Inona no Mitranga Amintsika Rehefa Maty Isika?

◼ “Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2002” ny takelaka fanampiny amin’ity Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity, ka tokony hotahirizina mba hampiasaina mandritra ny taona 2002.

◼ Raha hiova ny ora fivorian’ny fiangonanareo amin’ny 1 Janoary, dia tokony handefa Filazalazana ny Fivorian’ny Fiangonana (S-5) atỳ amin’ny biraon’ny Sampana ny mpitan-tsoratra. Raha mila taratasy fanasana vaovao ianareo, dia manafara amin’ny alalan’ny Fangatahana Taratasy Fanasana (S-16) Tokony hohafarana telo volana, fara fahakeliny, alohan’ny fotoana hilanareo azy, ireo taratasy fanasana.

◼ Tokony hanomboka hanafatra ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’Andro—2002, miaraka amin’ny fanafarany boky volana Oktobra, ny fiangonana. Hisy amin’ny teny anglisy sy frantsay ary malagasy io bokikely io. Mandra-pahatongany sy mandra-pandefa azy, dia hisy soratra hoe “Halefanay Aoriana Kely” eo amin’ny lisitry ny entana. Zavatra hafarana manokana ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina.

◼ Taratasy mivalona vaovao misy:

Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao? (Trakta No. 25) —frantsay, malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara