FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/01 p. 1
  • Mijery Anao Izao Rehetra Izao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mijery Anao Izao Rehetra Izao!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fanahy Manao Fanompoana ho An’ny Besinimaro” ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Manan-kery eo Amin’ny Fiainantsika ny Anjely
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tahafo Ireo Anjely Tsy Mivadika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Manan-kery eo amin’ny fiainanao ve ny anjely?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 8/01 p. 1

Mijery Anao Izao Rehetra Izao!

1 Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Izahay dia natao ho fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona.” (1 Kor. 4:9) Inona no dikan’izany? Ahoana no tokony ho fiantraikan’izany eo amin’ny fanompoantsika amin’izao andro izao?

2 Ny hoe “fizàhan’izao rehetra izao”, dia adika hoe jeren’izao rehetra izao, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly hafa. Angamba izany teny izany nahatonga ireo Korintianina hieritreritra ny zava-miseho rehefa mifarana ny fifaninanan’ireo mpiady romanina. Naseho ho hitan’ny mpijery an’arivony maro aloha ireo olo-meloka, ary avy eo dia novonoina tamin-kabibiana. Toy izany koa fa mpijery maro be, olona sy anjely, no nandinika ny fahoriana niaretan’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, noho izy ireo nitory ilay Fanjakana. (Heb. 10:32, 33) Nisy fiantraikany teo amin’ny mpijery maro ny fihazonan’izy ireo tsy fivadihana. Misy fiantraikany toy izany koa ny fiaretana asehontsika eo amin’ny kianja filalaovana maoderina. Iza no mpijery antsika?

3 Izao tontolo izao sy ny olona: Manao tatitra momba ny asan’ny vahoakan’i Jehovah indraindray ny fampitam-baovao. Tiantsika ny laza soa, izay araka ny marina sy amim-pahatsorana, momba ny asantsika. Ampoizintsika koa anefa fa hampiely laza ratsy momba antsika ireo mpanakiana indraindray. Tokony hasehontsika foana anefa, fa mendrika ho mpanompon’Andriamanitra isika “amin’ny laza ratsy sy ny laza soa.” (2 Kor. 6:4, 8) Hiharihary amin’ireo mpandinika tso-po, fa mpianatr’i Jesosy Kristy marina isika.

4 Ny anjely: Mandinika antsika koa ny zavaboary ara-panahy. Mijery antsika ny Devoly sy ireo demonia, saingy manana “fahatezerana lehibe” izy ireo, ary ta hampitsahatra ny ‘asa fanambarana an’i Jesosy.’ (Apok. 12:9, 12, 17) Mijery koa ireo anjely mahatokin’Andriamanitra, ka faly na dia mpanota iray monja aza no mibebaka. (Lioka 15:10) Tokony hanatanjaka antsika ny fahafantarana fa ireo anjely dia mihevitra ny fanompoantsika ho ny asa maika sy mitondra soa indrindra, atao etỳ an-tany ankehitriny!—Apok. 14:6, 7.

5 Raha sendra fanoherana ianao, na mieritreritra fa tsy mamokatra ny fanompoanao, dia tsarovy fa mandinika anao izao rehetra izao. Mampiharihary ny tsy fivadihanao ny fiaretanao hatrany. Amin’ny farany, ny ‘fiadianao ny ady tsaran’ny finoana’ dia hahatonga anao ‘hihazona ny fiainana mandrakizay.’—1 Tim. 6:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara