Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 12 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Ampahatsiahivo ireo rahalahy mba hitondra ny takelaka fanampiny amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1990, mba hampiasaina amin’ny fivoriana manaraka.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Aprily — Fotoana ‘Ikelezantsika Aina sy Iezahana’ ”. (Fehintsoratra 1-13). Hataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Fiaraha-midinika amin-kafanam-po ny amin’izay irintsika hotanterahina amin’ny Aprily. Ampirisiho ny rehetra ao amin’ny kongregasiona hanao ny anjarany mba hikendrena ny handraisana anjara 100 isan-jato eny amin’ny fanompoana amin’io volana io.
Herinandron’ny 19 Martsa
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Vaovao Teokratika.
17 min: “Vonona ny Hiatrika Tarehin-javatra Ara-pitsaboana Iray Izay Hisedra ny Finoanao ve Ianao?” Takelaka fanampiny amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1990. Mandinika ny hevi-dehibe ao amin’ilay takelaka fanampiny ny anti-panahy mahay iray. Hamafiso fa tsy tokony hiandry hisy zavatra mitranga isika vao hieritreritra izay hatao. Manaova fandaharana mialoha dieny izao miaraka amin’ny mpianakavinao ary aoka ianao ho vonona hatrany. Afaka manafatra io takelaka fanampiny io ao amin’ny Taratasy Fanafarana Boky (S-14) ireo anti-panahy mba homena ireo vao vita batisa.
20 min: “Aprily — Fotoana ‘Ikelezantsika Aina sy Iezahana’ ”. (Fehintsoratra 14-30). Hataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Lahateny iray misy fehintsoratra sasany voafantina hanaovana fanontaniana sy valiny. Tokony hanao fandaharam-potoana azo ampiharina ny tsirairay, mba handraisana anjara betsaka araka izay azo atao, eny amin’ny fanompoana, mandritra ny Aprily. Sorito ny fandaharam-potoana manontolon’ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana kasaina hatao amin’ny volana. Ampirisiho ny rehetra izay afaka, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ka haka taratasy fangatahana, aorian’ny fivoriana.
Herinandron’ny 26 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Hazavao fa tsy tara loatra, raha omena izao ny fangatahana ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Ampirisiho ny rehetra hanaraka ny fandaharana famakiana Baiboly amin’ny Fahatsiarovana, ho amin’ny 3-8 Aprily, aseho ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro — 2001. Anaovy fampandrenesana ny fotoana hanaovana ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny herinandron’ny Fahatsiarovana. Aza hadinoina ilay lahateny manokana amin’ny alahady 1 Aprily, mitondra ny lohateny hoe “Iza no Mety ho Voavonjy?” Ampirisiho ny rehetra handray anjara amin’ny fanompoana amin’io andro io, mba ho tsara fiandohana ny Aprily.
20 min: “Aoka Isika Rehetra Hanome Voninahitra An’i Jehovah sy ny Zanany”. Lahateny manosika hanao zavatra sy miorina amin’ny Soratra Masina, ataon’ny anti-panahy iray. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara feno araka izay azo atao, amin’io fanompoana manokana kasaina hatao amin’ny Aprily io, ka hanao ezaka fanampiny mba hanasana olona ho amin’ny Fahatsiarovana.
15 min: Fanomanana ny Fomba Fampisehontsika Gazety. Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! isika mandritra ny Aprily. Diniho indray ny pejy 8, fehintsoratra 3 sy 10, ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996. Manasongadìna 1) lahatsoratra iray 2) hevitra mety iray 3) fanontaniana iray mba hanairana fahalianana, ary 4) andinin-teny iray mifanentana izay azo ampiasaina tsara rehefa mampiseho ny tsirairay amin’ireo gazety farany. Miezaha mampiasa ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny olona liana. Farano amin’ny fampisehoana iray voaomana tsara, ny amin’ny fomba ahafahana manao izany amin’ny firesahana voalohany.
Herinandron’ny 2 Aprily
9 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Martsa. Diniho ny “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana”.
18 min: “Manosika Antsika Hitory ny Fitiavana”.a Asongadino ireo andinin-teny ao amin’ilay lahatsoratra. Manasà mpitory iray izay narisika efa hatramin’ny taona maro, mba hitantara fa manosika azy haneho fikirizana eo amin’ny asa fitoriana ny fitiavana an’Andriamanitra. Ampirisiho ny mpitory rehetra handray anjara amin’ny asa fitoriana mandritra ny Aprily sy ny volana rehetra aorian’izay.
18 min: “Ampio Hanatrika Fivoriana ny Hafa”.b Manome fanoloran-kevitra fanampiny mba hitarihana ny mpianatra Baiboly ho ao amin’ny fandaminana ny takelaka fanampiny amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, fehintsoratra 14-16. Asehoy fa azo ampiasaina dieny eo am-piandohana mba hampirisihana ny olona hanatrika fivoriana ny bokikely Takina (lesona faha-5, fehintsoratra faha-7) sy ny boky Fahalalana (toko faha-5, fehintsoratra faha-22). Mba hanazavana izany, dia manaova fampisehoana iray voaomana tsara momba ny mpitory mahay iray mampirisika amim-pitiavana ny mpianatra iray hieritreritra tsara ny amin’ny fandehanana any am-pivoriana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.