Aoka Isika Rehetra Hanome Voninahitra An’i Jehovah sy ny Zanany
Amin’ny fomba ahoana no andraisan’ireo rehetra manatrika ny fahatsiarovana amin’ny 8 Aprily, soa bebe kokoa?
1 Iza amin’izao andro izao no omem-boninahitra manokana? Ireo izay hajain’izao tontolo izao fatratra ny zava-bitany. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra anefa, tsy ela dia hadino ny asany. Ahoana anefa ny amin’ireo asa izay tena mitondra soa ho an’ny olombelona rehetra? Ny lehibe indrindra amin’ireo no hifantohan’ny saintsika indrindra rehefa hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo isika, aorian’ny filentehan’ny masoandro amin’ny 8 Aprily 2001.
2 Iza no mendrika hahazo ny voninahitra lehibe indrindra? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Ianao, Jehovah (...) no mendrika ny handray ny fankalazana sy ny voninahitra ary ny hery, satria nahary ny zavatra rehetra ianao”. (Apok. 4:11, NW ). Noho i Jehovah Mpamorona, dia izy no Mpanjaka Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Tsy hifarana na oviana na oviana ny fahamendrehany hahazo voninahitra! — 1 Tim. 1:17.
3 Nanao asa lehibe hitondra fitahiana tsy hanam-pahataperana ho an’ny olombelona i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Tonga lafatra izy teo amin’ny fanahafana an-drainy. (Jaona 5:19). Ny fankatoavany tsy azo tsinìna sy ny fanompoany tamim-pahatokiana dia nahatonga azy ho “[mendrika, NW ] handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra”. (Apok. 5:12). Nanome voninahitra azy ny rainy tamin’ny fametrahana azy teo amin’ny seza fiandrianana mba ho Mpanjaka. (Sal. 2:6-8). Raha ny amintsika, dia hanana fahafahana hanome voninahitra ny Ray sy ny Zanany isika rehefa mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo amin’ny 8 Aprily 2001.
4 Mampalahelo ny milaza fa somary vitsy ihany teo amin’ny tantaran’ny olombelona no nanome ny voninahitra mendrika an’i Jehovah sy ny Zanany. Indraindray, na dia ireo Isiraelita, vahoakan’Andriamanitra fahiny aza dia nanao fanompoana anarany fotsiny ho an’i Jehovah. Tsy fanehoam-panajana nibaribary izany. (Mal. 1:6). Mitaky fankatoavana amim-pahatokiana miorina amin’ny fitiavana sy ny fankasitrahana izay rehetra nataon’i Jehovah sy ny Zanany ho antsika ny fanajana araka ny tokony ho izy. Ny fanomezana voninahitra sy fanajana toy izany dia midika fa mampiseho tahotra miharo fanajana ara-pivavahana isika, ka manaiky an’i Jehovah sy i Jesosy amin’ny lalantsika rehetra. Miezaka mafy ny kongregasiona kristianina mba hampianatra sy hanampy ny hafa hanao toy izany.
5 Fotoana manokana mba hanomezam-boninahitra: Fiaraha-mivory lehibe indrindra ataon’ny vahoakan’i Jehovah isan-taona ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Tokony hanatrika azy io izay rehetra maniry hanompo sy hanome voninahitra an’i Jehovah. (Lioka 22:19). Antenaintsika fa ankoatra ireo Vavolombelona marisika 6 tapitrisa, dia hampitombo ny isan’ny mpanatrika ho tonga hatramin’ny 14 tapitrisa mahery ireo olona liana. Tena fahafahana tsara dia tsara hanomezam-boninahitra an’ilay Raintsika any an-danitra mihitsy izany! Na dia mifantoka amin’i Jesosy aza ilay fankalazana, dia manome voninahitra ny Ray, izay naniraka azy, ny voninahitra sy ny fanajana aseho noho izay vitany. — Jaona 5:23.
6 Inona no azontsika atao mba hanohanana io fotoana manokana io? Afaka manampy ireo olona vao liana mba handray soa feno isika. Ampirisiho mba hanatrika izy ireo, ary raha ilaina dia manolora fanampiana amin-katsaram-panahy mba hahatongavany any. Hazavao ny zava-kendren’ilay lahateny. Ampifankahalalao amin’ny hafa izy. Mety hanosika azy hiezaka ny ho tafaray amintsika mba hanome voninahitra an’i Jehovah izay hitany sy reny.
7 Aza hamaivanina ny akon’ilay fandaharana. Toy izao ny fihetsiky ny mpianatry ny oniversite iray: “Imbetsaka aho no nanatrika kôminio tany amin’ny fiangonana nisy ahy, nefa tena hafa ity. Mitovy amin’izay lazain’ny Baiboly mihitsy ilay izy, ary heveriko fa ianareo no manana ny fahamarinana.” Nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka izy ary tsy ela dia natao batisa.
8 Ampio hanao fandrosoana ireo vaovao: Mariho ireo vaovao izay manatrika ny Fahatsiarovana, ary tsidiho izy ireo aoriana kelin’io mba handinihina ireo zavatra vaovao nianarany sy hitany. Ampahafantaro azy ny fivoriana hafa, izay ahafahany mampitombo ny fahalalana ara-baiboly ananany. Ny fandinihana ny toko faha-17 amin’ny boky Fahalalana hoe: “Mahità Tsy Fananana Ahiahy eo Anivon’ny Vahoakan’Andriamanitra” dia hampiseho amin’izy ireo ny fandaharana ara-panahy maro samihafa atolotry ny kongregasiona, izay azon’izy ireo raisina mora foana. Manaova fandaharana, raha mety, mba hijereny ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana, mba hahafahany hahita maso ny firaisan-tsaina sy ny fifaliana ary ny zotom-pon’ny vahoakan’i Jehovah!
9 Zava-dehibe ny hahafantaran’ireo olona liana ny fomba ahafahany manome voninahitra sy fanajana an’i Jehovah. Hazavao fa mampifaly an’i Jehovah sy loharanom-pamelombelomana ara-panahy mandrakariva ny vavaka atao amim-pahatsorana. (1 Jaona 5:14). Rehefa mampiasa ny lesona faha-8 ka hatramin’ny faha-12 ao amin’ny bokikely Takina, dia lazalazao izay karazana fitondran-tena manome voninahitra an’i Jehovah. Amin’ny firesahana izay voalaza ao amin’ny bokikely Vavolombelon’i Jehovah, pejy 30-31, dia ampirisiho ireo vaovao mba hieritreritra ny amin’ny fahafahana hanome voninahitra an’i Jehovah, amin’ny fandraisan’ny tenany anjara amin’ny asa fitoriana.
10 Manome voninahitra ny Ray sy mitondra fitahiana ho an’ny hafa ny fankasitrahana ny sorona nataon’i Jesosy sy ny tombontsoantsika, noho isika mpianany. Nampanantena toy izao i Jesosy: “Raha misy olona manompo Ahy, dia [hanome voninahitra, NW ] azy ny Ray.” — Jaona 12:26.