Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 9 Oktobra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
12 min: “Diniho Amim-pitandremana Ireo Asa Mahatalanjon’Andriamanitra”. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Mampisehoa sary sasantsasany ao amin’ilay boky vaovao, izay hampiorina fankasitrahana ny faminanian’i Isaia.
25 min: “Ny Taonarivo Vaovao — Inona no Ampanantenain’ny Hoavy ho Anao?” Fiaraha-midinika amin-kafanam-po tarihin’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Vakio ilay fampandrenesana nalefan’ny Fikambanana tao amin’ny taratasy tamin’ny 3 Jolay 2000 ho an’ny loholona, ary avy eo dia izarao Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 ny mpanatrika tsirairay. Avy eo dia iaraho dinihina amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ilay lahatsoratra. Sorito ireo fandaharana natao teo an-toerana mba hiasana tanteraka ny faritany. Diniho ny fomba azo anampiana ny vaovao sy ny ankizy mba hahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa. Anaovy fampisehoana ny fomba fampiseho fohy iray. Hamafiso ny ilan’ny tsirairay handray anjara feno amin’io ezaka manokana io.
Herinandron’ny 16 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Ampahatsiahivo ny mpitory fa, mandritra ny fitoriana amin’ny faran’ny herinandro, dia tokony hatolotra miaraka amin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36 ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!
15 min: “Fitaovana Izay Mampianatra sy Mandrisika ary Manatanjaka”. (Fehintsoratra 1 sy 2 ihany.) Lahateny. Resaho vetivety ny tantaran’ny nanombohan’ny Fikambanana namoaka vidéo. (Jereo ny boky Prédicateurs, pejy 600-601.) Ampirisiho ny rehetra hijery ilay vidéo Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana, ho fanomanana ny fiaraha-midinika amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny herinandron’ny 30 Oktobra. Ireo izay manana ilay vidéo dia afaka mampindrana azy io amin’ireo izay tsy manana, na angamba afaka miara-mijery azy io izy ireo.
20 min: Afaka Maneho ny Toe-tsain’ny Mpisava Lalana Isika Rehetra. Resaka ifanaovan’ny mpitarika ny fianarana ny boky iray sy ny mpanampy azy, miorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1997, pejy 22-23. Resaho ny antony maha tsara ny hananana mpisava lalana fanampiny ao amin’ny kongregasiona, sy ny fomba ahafahan’ny rehetra manampy mba hanatratrarana io tanjona io. Resaho koa ny fomba azo ampirisihana an’ireo izay efa mpisava lalana mba hanohy, sy ny fomba ahafahan’ny rehetra ao amin’ny kongregasiona mamboly zotom-po ho an’ny fanompoana.
Herinandron’ny 23 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: Omano Tsara Ireo Fivoriana. Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Arakaraka ny halehiben’ny ezaka ataontsika mba hanaovana fanomanana no itomboan’ny soa raisintsika avy amin’ireo fivoriana. Diniho ireo fanoloran-kevitra azo ampiharina ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1998, pejy 15-16, fehintsoratra 8-11. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba namboleny ny fahatapahan-kevitra ilaina sy nahitany ny fotoana ilaina mba hanomanana tsara.
Herinandron’ny 30 Oktobra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Oktobra.
12 min: Zavatra Hita Teny Am-pitoriana, Tamin’ny Fanolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Mangataha mpitory maro samihafa hitantara ireo vokatra mampahery hitany hatramin’izao, tamin’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Asao ireo mpisava lalana maharitra sy mpanampy hilaza ny fankasitrahany noho ny fitomboan’ny asa nandritra io ezaka manokana io sy ny fahafahany miara-miasa amin’ny mpitory samy hafa maro.
25 min: Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho ireo fanontaniana ao amin’ny fehintsoratra faha-3 amin’ny hoe “Fitaovana Izay Mampianatra sy Mandrisika ary Manatanjaka”. Manolora hevitra momba ny fomba azo ampiasana ilay vidéo mba hanampiana ireo olona liana, hahafantatra tsara kokoa ny fandaminantsika. Milazà fitantarana fohy iray na roa. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1992, pejy 30-31.
Herinandron’ny 6 Novambra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Resaho ny fizotran’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 36. Lazao ny habetsahan’ny faritany voasa hatramin’izao, sy izay mbola ilaina hatao mandra-pamita azy tanteraka hatramin’ny 17 Novambra.
20 min: Inona no Inoantsika? Miverina mitsidika olona iray, izay nanontany hoe “Inona no ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mahatonga azy ho hafa noho ny fivavahana hafa?”, ny rahalahy iray. Resaho ireo hevitra hazavaina ao amin’ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-6 amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1998. Hazavao fa ny fivavahana hafa dia, na tsy miraharaha, na mandà ireo fahamarinana ara-baiboly fototra, ka manaiky kokoa ireo fampianarana naorin’olombelona.
10 min: Ny Fihirana — Tapany Lehibe Amin’ny Fanompoam-pivavahantsika. Miresaka amin’ny mpitory roa ny mpitarika ny fianarana ny boky iray, momba ny fihiran’izy ireo any amin’ny fivorian’ny kongregasiona. Voamariny fa somary tsy dia mahery ny fihiran’izy ireo. Milaza hevitra sasany avy ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1997, pejy 27-28, izy. Mamakafaka ny tonon’ny iray amin’ireo hira hohiraina amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ity herinandro ity izy ireo, araka ny nanolorana hevitra tao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1999, pejy 20, fehintsoratra 12. Raha mandray ny fihirana ho zava-dehibe isika, dia manome aina ny fiderana amim-pahatsorana omentsika an’i Jehovah.