Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 2001
Toromarika
Mandritra ny 2001, dia izao manaraka izao no ho fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.
LOHARANON-KEVITRA: Ireo anjara dia hiorina amin’ny Baiboly, Ny Tilikambo Fiambenana [w], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], ary Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs].
Tokony hanomboka ARA-POTOANA ilay sekoly, amin’ny hira sy ny vavaka ary teny fohy fiarahabana tonga soa. Tsy ilaina ny hitanisana mialoha ireo loha hevitra hovelabelarina mandritra ilay fandaharana. Rehefa mampiditra ny anjara tsirairay ny mpiandraikitra ny sekoly, dia hanonona azy ireo. Toy izao manaraka izao no fizotrany:
ANJARA No. 1: 15 minitra. Ity dia tokony hataon’ny loholona na mpanampy amin’ny fanompoana, ary hiorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana, na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”. Tokony ho lahateny fampianarana 15 minitra tsy misy famerenana am-bava ity anjara ity, rehefa miorina amin’Ny Tilikambo Fiambenana; fa rehefa miorina amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra” kosa izy ity, dia tokony ho lahateny 10 ka hatramin’ny 12 minitra, harahina famerenana am-bava 3 ka hatramin’ny 5 minitra, ka ireo fanontaniana ao amin’ilay boky no hampiasaina. Tsy ny hamelabelatra ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hampifantohana ny saina amin’ny lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana dinihina, ka hanasongadinana izay zavatra hanampy indrindra ny kongregasiona. Ireo loha hevitra aseho no tokony hampiasaina.
Tokony hitandrina ireo rahalahy notendrena hanao io lahateny io mba tsy hihoatra ny fotoana. Azo atao ny manome torohevitra mitokana raha tena ilaina, na raha angatahin’ilay mpandahateny.
HEVITRA MISONGADINA AVY AMIN’NY FAMAKIANA BAIBOLY: 6 minitra. Ity dia tokony hataon’ny loholona na mpanampy amin’ny fanompoana, izay hahay hampihatra ireo hevitra amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana. Tsy ilaina ny manome loha hevitra. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ireo toko nasaina novakina izy ity. Azo ampidirina amin’izy io ny famerenana amin’ny ambangovangony ireo toko nasaina novakina, mandritra ny 30 ka hatramin’ny 60 segondra. Ny zava-kendrena lehibe indrindra anefa dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ary amin’ny fomba ahoana ilay fanazavana no mahasoa antsika. Avy eo dia hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra.
ANJARA No. 2: 5 minitra. Ity dia famakiana Baiboly avy amin’ny fanazavana voatondro, hataon’ny rahalahy iray, na ao amin’ny kilasy lehibe ilay mpianatra, na ao amin’ny kilasy fanampiny. Mazàna dia fohy ireo fizarana nasaina novakina mba hamelana ilay mpianatra hanolotra fanazavana fohy ao amin’ny teny fampidirana sy famaranana. Azo atao ny mampiditra fanazavana ara-tantara, hevitra ara-paminaniana na ara-poto-pampianarana, sy fampiharana ireo foto-pitsipika. Tokony hovakina tsy misy fanapahana azy, ireo andinin-teny rehetra. Mazava ho azy fa rehefa tsy misesy ireo andinin-teny tokony hovakina, dia azon’ilay mpianatra atao ny manonona ilay andininy izay hitohizan’ilay vakiteny.
ANJARA No. 3 SY No. 4: Hiorina amin’Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina. TSY ISAINA ho anisan’ny fehintsoratra ireo “Hevitry ny teny” sy ireo lohatenikely amin’ny soratra matevina na soratra matevina sora-mandry.
ANJARA No. 3: 5 minitra. Asaina hataon’ny anabavy izy ity. Hiorina amin’Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ny foto-kevitr’ity famelabelarana ity. Azo atao fanambarana tsy ara-potoana, fiverenana mitsidika, na fampianarana Baiboly any an-tokantrano ny faritra, ary afaka mipetraka na mitsangana ireo mpandray anjara. Hoheverin’ilay mpiandraikitra ny sekoly indrindra ny fomba hamelabelaran’ilay mpianatra ny foto-kevitra voatondro, sy ny fomba hanampiany ilay tompon-trano hanjohy hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra hasaina hanao ity anjara ity. Hisy mpanampy iray hotendren’ny mpiandraikitra ny sekoly, nefa azo atao ny mampiasa mpanampy iray hafa fanampiny. Tsy ny faritra no tokony homena fiheverana lehibe indrindra, fa ny fampiasana ny Baiboly amin’ny fomba mandaitra.
ANJARA No. 4: 5 minitra. Hiorina amin’Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina ny foto-kevitr’ity anjara ity. Azo omena rahalahy na anabavy ny Anjara No. 4. Tokony ho lahateny foana ilay izy, rehefa omena rahalahy. Tokony haseho araka izay voasoritra ho an’ny Anjara No. 3 izy io, rehefa omena anabavy.
FANDAHARAM-PAMAKIANA BAIBOLY: Ampirisihina ny rehetra ao anatin’ny kongregasiona mba hanaraka ny fandaharam-pamakiana Baiboly isan-kerinandro, izay mitaky famakiana tokotokony ho pejy iray isan’andro.
FANAMARIHANA: Raha mila fanazavana fanampiny sy toromarika momba ny torohevitra, ny faharetan’ny anjara, ny famerenana an-tsoratra sy ny fanomanana ireo anjara, dia jereo, aza fady, ny pejy faha-3 amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996.
FANDAHARANA
1 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 13-16
Hira 62
No. 1: Famelan-keloka Izay Nanokatra ny Lalana ho Amin’ny Famonjena (w 1/1/99 p. 30-31)
No. 2: 2 Mpanjaka 14:1-14
No. 3: Fanalana Zaza — Nahoana no Voarara? (rs p. 158 feh. 1–p. 159 feh. 1)
No. 4: Famaliana Olona Iray Milaza hoe: ‘Anjarako ny Manapa-kevitra ny Amin’ireo Raharaha Mahakasika ny Tenako Ihany’ (rs p. 159 feh. 2)
8 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 17-20
Hira 116
No. 1: Torohevitra Mora Ekena (w 15/1/99 p. 21-24)
No. 2: 2 Mpanjaka 18:1-16
No. 3: Adama sy Eva — Olona Tena Nisy Ara-tantara Ve? (rs p. 25 feh. 1–p. 26 feh. 5)
No. 4: Famaliana Olona Iray Milaza Hoe: ‘Efa tao Anatin’ny Fikasan’Andriamanitra ny Hanotan’i Adama’ (rs p. 27 feh. 1-2)
15 Jan. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 21-25
Hira 61
No. 1: 2 Mpanjaka: Mahasoa — Nahoana? (si p. 74 feh. 33-36)
No. 2: 2 Mpanjaka 21:1-16
No. 3: Nahoana no Zava-poana ny Fivavahana Amin’ny Razana? (rs p. 273 feh. 2–p. 274 feh. 10)
No. 4: Ny Antony Tsy Ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra ny Fivavahana Amin’ny Razana (rs p. 275 feh. 1-6)
22 Jan. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 1-5
Hira 16
No. 1: Teny Fampidirana ny 1 Tantara (si p. 75-76 feh. 1-7)
No. 2: 1 Tantara 1:1-27
No. 3: Iza moa Ireo Antikristy? (rs p. 60 feh. 4–p. 62 feh. 3)
No. 4: Famantarana Ireo Mpivadi-pinoana (rs p. 259 feh. 3–p. 261 feh. 2)
29 Jan. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 6-10
Hira 73
No. 1: Ny Fomba Azo Ampisehoana ny Tena Fanetren-tena (w 1/2/99 p. 6-7)
No. 2: 1 Tantara 9:1-21
No. 3: Ahoana no Tokony ho Fihetsitsika Manoloana Ireo Mpivadi-pinoana? (rs p. 261 feh. 3–p. 262 feh. 2)
No. 4: Tsy Nanorina Eglizy teo Amin’i Petera i Kristy (rs p. 186 feh. 1–p. 188 feh. 2)
5 Feb. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 11-16
Hira 65
No. 1: Aoka Ianao ho Loharanom-pampaherezana (w 15/2/99 p. 26-29)
No. 2: 1 Tantara 11:1-19
No. 3: Inona avy Ireo Fanalahidy Nampiasain’i Petera? (rs p. 188 feh. 3–p. 190 feh. 4)
No. 4: Tsy Kristianina Marina Ireo “Dimbin’ny Apostoly” (rs p. 190 feh. 5–p. 193 feh. 2)
12 Feb. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 17-23
Hira 122
No. 1: Misikìna Fanetren-tena (w 1/3/99 p. 30-31)
No. 2: 1 Tantara 18:1-17
No. 3: Aiza no Hitranga ny Adin’ny Haramagedona? (rs p. 280 feh. 2–p. 282 feh. 1)
No. 4: Iza ary Inona no ho Ringana Amin’ny Haramagedona? (rs p. 282 feh. 2-7)
19 Feb. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 24-29
Hira 119
No. 1: 1 Tantara: Mahasoa — Nahoana? (si p. 78-79 feh. 22-25)
No. 2: 1 Tantara 29:1-13
No. 3: Iza no ho Tafita Velona Amin’ny Haramagedona? (rs p. 282 feh. 8–p. 283 feh. 5)
No. 4: Haramagedona — Tsy Mifanohitra Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra (rs p. 283 feh. 6–p. 284 feh. 1)
26 Feb. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 1-5
Hira 168
No. 1: Teny Fampidirana ny 2 Tantara (si p. 79-80 feh. 1-6)
No. 2: 2 Tantara 1:1-17
No. 3: Tsy Hisy Toeram-pialanalanana Amin’ny Haramagedona (rs p. 284 feh. 2-5)
No. 4: Iza no Manosika Ireo Firenena ho Amin’ny Tarehin-javatra Izay Hitarika ho Amin’ny Haramagedona? (rs p. 284 feh. 6-7)
5 Mar. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 6-9
Hira 103
No. 1: Aza Manaiky ho Resin’ny Fanahiana (w 15/3/99 p. 21-23)
No. 2: 2 Tantara 8:1-16
No. 3: Famantarana Ilay Babylona ao Amin’ny Apokalypsy (rs p. 72 feh. 3–p. 73 feh. 1)
No. 4: Fantatra Noho ny Inona i Babylona Fahiny? (rs p. 73 feh. 2–p. 75 feh. 2)
12 Mar. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 10-15
Hira 59
No. 1: Iza no Mamolavola ny Fisainanao? (w 1/4/99 p. 20-22)
No. 2: 2 Tantara 10:1-16
No. 3: Ny Antony Ilazana fa Anisan’i Babylona Lehibe Ireo Fivavahana Mitonona ho Kristianina (rs p. 75 feh. 3–p. 76 feh. 2)
No. 4: Ny Antony Ilana Hivoahana Haingana avy ao Amin’i Babylona Lehibe (rs p. 76 feh. 3–p. 77 feh. 2)
19 Mar. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 16-20
Hira 69
No. 1: Arovy ny Fonao Amin’ilay Toe-tsaina Hita tao Amin’ny Fivavahana Tamin’i Bala (w 1/4/99 p. 28-31)
No. 2: 2 Tantara 16:1-14
No. 3: Ny Batisa sy ny Antony Anaovana Batisa Ireo Mpino (rs p. 87 feh. 2-6)
No. 4: Batisa Kristianina — Tsy Famafazan-drano, Tsy ho An’ny Zazakely (rs p. 87 feh. 7–p. 88 feh. 5)
26 Mar. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 21-25
Hira 212
No. 1: Aza Miahotra Mampiseho Fankasitrahana (w 15/4/99 p. 15-17)
No. 2: 2 Tantara 22:1-12
No. 3: Tsy Mitondra Famelan-keloka ny Batisa Anaty Rano (rs p. 88 feh. 6–p. 89 feh. 1)
No. 4: Iza no Atao Batisa Amin’ny Fanahy Masina? (rs p. 89 feh. 2–p. 90 feh. 3)
2 Apr. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 26-29
Hira 49
No. 1: “Tsy Mahitsy” ve ny Fomba Fiasan’Andriamanitra? (w 1/5/99 p. 28-29)
No. 2: 2 Tantara 28:1-15
No. 3: Tsy Mitovy Amin’ny Batisa Amin’ny Fanahy Masina ny Batisa Amin’ny Afo (rs p. 90 feh. 4–p. 91 feh. 2)
No. 4: Antony Andinihana ny Baiboly (rs p. 77 feh. 3–p. 79 feh. 1)
9 Apr. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 30-33
Hira 1
No. 1: Ahoana no Ahafahan’ny Olombelona Misaotra An’i Jehovah Andriamanitra? (w 15/5/99 p. 21-24)
No. 2: 2 Tantara 33:1-13
No. 3: Porofo Nomen’i Isaia sy i Jeremia ny Amin’ny Maha Ara-tsindrimandry ny Baiboly (rs p. 79 feh. 2–p. 80 feh. 2)
No. 4: Manaporofo ny Maha Ara-tsindrimandry ny Baiboly ny Fahatanterahan’ny Faminanian’i Jesosy (rs p. 80 feh. 3-4)
16 Apr. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 34-36
Hira 144
No. 1: 2 Tantara: Mahasoa — Nahoana? (si p. 84 feh. 34-36)
No. 2: 2 Tantara 36:1-16
No. 3: Marina eo Amin’ny Lafiny Ara-tsiansa ny Baiboly (rs p. 81 feh. 1–p. 83 feh. 2)
No. 4: aFamaliana Ireo Fanoherana Momba ny Baiboly (rs p. 83 feh. 3– p. 87 feh. 1)
23 Apr. Famakiana Baiboly: Ezra 1-6
Hira 90
No. 1: Teny Fampidirana ny Ezra sy Mahasoa — Nahoana? (si p. 85-86 feh. 1-7; p. 87 feh. 14-18)
No. 2: Ezra 4:1-16
No. 3: Nahoana ny Kristianina no Tsy Mankalaza Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana? (rs p. 257 feh. 2–p. 259 feh. 2)
No. 4: Nahoana ny Kristianina no Mifady ny Ra? (rs p. 356 feh. 1–p. 357 feh. 4)
30 Apr. Famerenana An-tsoratra. Famakiana Baiboly: Ezra 7-10
Hira 203
7 May Famakiana Baiboly: Nehemia 1-5
Hira 56
No. 1: Teny Fampidirana ny Nehemia (si p. 88 feh. 1-5)
No. 2: Nehemia 1:1-11
No. 3: Nahoana ny Kristianina no Tsy Manaiky Hampidiran-dra? (rs p. 357 feh. 5–p. 359 feh. 1)
No. 4: * Famaliana ny Fanizingizinana Momba ny Fampidiran-dra (rs p. 359 feh. 2–p. 361 feh. 3)
14 May Famakiana Baiboly: Nehemia 6-9
Hira 155
No. 1: Ny Kongregasiona Kristianina dia Loharanon’ny Fanampiana Manatanjaka (w 15/5/99 p. 25-28)
No. 2: Nehemia 9:1-15
No. 3: Inona no Dikan’ny hoe Ateraka Indray? (rs p. 62 feh. 4–p. 63 feh. 5)
No. 4: Famonjena Tsy Miankina Amin’ny hoe ‘Nateraka Indray’ (rs p. 63 feh. 6–p. 64 feh. 5)
21 May Famakiana Baiboly: Nehemia 10-13
Hira 46
No. 1: Nehemia: Mahasoa — Nahoana? (si p. 90-91 feh. 16-19)
No. 2: Nehemia 12:27-43
No. 3: * Famaliana Ireo Fomba Fihevitra Momba ny Fahaterahana Indray (rs p. 65 feh. 2–p. 66 feh. 1)
No. 4: Fieken-keloka Amin’ny Pretra — Nahoana no Tsy Araka ny Soratra Masina? (rs p. 225 feh. 1–p. 226 feh. 2)
28 May Famakiana Baiboly: Estera 1-4
Hira 38
No. 1: Teny Fampidirana ny Estera (si p. 91-92 feh. 1-6)
No. 2: Estera 1:1-15
No. 3: Fieken-keloka Noho ny Fahotana Tamin’Andriamanitra sy Tamin’olona (rs p. 227 feh. 3–p. 228 feh. 2)
No. 4: Nahoana ny Fahotana Lehibe no Tokony Horesahina Amin’ny Loholona? (rs p. 228 feh. 3-7)
4 Jona Famakiana Baiboly: Estera 5-10
Hira 37
No. 1: Estera: Mahasoa — Nahoana? (si p. 94 feh. 16-18)
No. 2: Estera 5:1-14
No. 3: Nahoana no Ara-dalàna ny Hinoana ny Famoronana? (rs p. 131 feh. 1–p. 133 feh. 1)
No. 4: Fahatakarana ny Fitantaran’ny Baiboly Momba ny Famoronana (rs p. 133 feh. 2–p. 135 feh. 3)
11 Jona Famakiana Baiboly: Joba 1-7
Hira 84
No. 1: Teny Fampidirana ny Joba (si p. 95-96 feh. 1-6)
No. 2: Joba 1:6-22
No. 3: Nahoana no Tsy Araka ny Soratra Masina ny Fankamasinana ny Lakroa? (rs p. 315 feh. 2–p. 316 feh. 3)
No. 4: Nahoana no Maty ny Olona? (rs p. 104 feh. 3–p. 106 feh. 3)
18 Jona Famakiana Baiboly: Joba 8-14
Hira 192
No. 1: Saoly — Fanaka Voafidy ho An’ny Tompo (w 15/5/99 p. 29-31)
No. 2: Joba 8:1-22
No. 3: Aiza moa Ireo Maty, ary Manao Ahoana ny Toetran’ny Maty? (rs p. 106 feh. 4–p. 108 feh. 2)
No. 4: Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandray Anjara Amin’ny Fomba Fisaonana Mahazatra? (rs p. 108 feh. 3–p. 109 feh. 6)
25 Jona Famakiana Baiboly: Joba 15-21
Hira 81
No. 1: Tsy Ela Andriamanitra Raha ny Amin’ny Fampanantenany (w 1/6/99 p. 4-7)
No. 2: Joba 17:1-16
No. 3: * Famaliana Ireo Fomba Fihevitra Diso Momba ny Fahafatesana (rs p. 110 feh. 1-3)
No. 4: Nofy: Ara-tsindrimandry sy Tsy Ara-tsindrimandry (rs p. 341 feh. 2–p. 342 feh. 6)
2 Jolay Famakiana Baiboly: Joba 22-29
Hira 173
No. 1: Tokony Hampivelatra ny Fomba Fijerinao ve Ianao? (w 15/6/99 p. 10-13)
No. 2: Joba 27:1-23
No. 3: Zava-mahadomelina — Voarara Tsy Hampiasain’ny Kristianina (rs p. 431 feh. 3–p. 433 feh. 3)
No. 4: Ny Antony Analaviran’ny Kristianina ny Rongony Marijuana (rs p. 433 feh. 4–p. 434 feh. 3)
9 Jolay Famakiana Baiboly: Joba 30-35
Hira 108
No. 1: Ny Antony Ahafahanao Mitoky Amin’ny Faminanian’ny Baiboly (w 15/7/99 p. 4-8)
No. 2: Joba 31:1-22
No. 3: Nahoana ny Kristianina no Tsy Mifoka Sigara na Mihinam-paraky? (rs p. 435 feh. 1–p. 436 feh. 4)
No. 4: Ahoana no Fomba Handresena Fahazaran-dratsy? (rs p. 437 feh. 1-4)
16 Jolay Famakiana Baiboly: Joba 36-42
Hira 160
No. 1: Joba: Mahasoa — Nahoana? (si p. 100 feh. 39-43)
No. 2: Joba 36:1-22
No. 3: Tsy Hampandamòka ny Fikasan’Andriamanitra Momba ny Tany Ireo Firenena (rs p. 384 feh. 1-6)
No. 4: Holevonin’i Jehovah Amin’ny Afo ve ny Tany? (rs p. 384 feh. 7–p. 386 feh. 1)
23 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 1-10
Hira 5
No. 1: Teny Fampidirana ny Salamo — Fizarana 1 (si p. 101 feh. 1-5)
No. 2: Salamo 3:1– 4:8
No. 3: Tsy Hiverina eto An-tany Ireo Anisan’i Jerosalema Vaovao Rehefa Voaringana ny Ratsy Fanahy (rs p. 386 feh. 2–p. 387 feh. 1)
No. 4: Niova ve ny Fikasan’Andriamanitra Tamin’ny Voalohany ho An’ny Tany? (rs p. 387 feh. 2–p. 388 feh. 2)
30 Jolay Famakiana Baiboly: Salamo 11-18
Hira 48
No. 1: Teny Fampidirana ny Salamo — Fizarana 2 (si p. 102 feh. 6-11)
No. 2: Salamo 11:1–13:6
No. 3: Ahoana no Azontsika Ampaherezana Ireo Marary? (rs p. 136 feh. 1-4)
No. 4: Ny Fomba Azontsika Ampaherezana Ireo Nidonam-pahoriana (rs p. 136 feh. 5–p. 137 feh. 3)
6 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 19-26
Hira 117
No. 1: Fifampiresahana Mahasoa — Fanalahidy Iray ho An’ny Fanambadiana Vanona (w 15/7/99 p. 21-23)
No. 2: Salamo 20:1–21:13
No. 3: Fampaherezana ho An’ireo Enjehina Noho ny Fanaovana ny Sitrapon’Andriamanitra (rs p. 137 feh. 4-9)
No. 4: Ahoana no Azonao Ampaherezana Ireo Ketraka Noho ny Tsy Rariny? (rs p. 138 feh. 1-4)
13 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 27-34
Hira 130
No. 1: Filipo — Mpitory ny Filazantsara Be Zotom-po (w 15/7/99 p. 24-25)
No. 2: Salamo 28:1–29:11
No. 3: Inona no Fampaherezana ho An’ireo Teren’ny Olana Ara-bola? (rs p. 138 feh. 5–p. 139 feh. 1)
No. 4: Fampaherezana ho An’ireo Kivy Noho ny Tsy Fahatanterahana (rs p. 139 feh. 2-5)
20 Aog. Famakiana Baiboly: Salamo 35-39
Hira 18
No. 1: Ny Fitaoman’ny Hafa — Mety Hahasoa Anao ve Izy Io? (w 1/8/99 p. 22-25)
No. 2: Salamo 38:1-22
No. 3: Evôlisiôna — Olana Siantifika Saro-bahana (rs p. 96 feh. 3–p. 98 feh. 2)
No. 4: Evôlisiôna, sy Ireo Taolam-biby Fahagola, ary Azon’ny Saina Ekena ve ny Famoronana Naharitra Henemana? (rs p. 98 feh. 3–p. 101 feh. 4)
27 Aog. Famerenana An-tsoratra. Famakiana Baiboly: Salamo 40-47
Hira 91
3 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 48-55
Hira 36
No. 1: Aza Mamela ny Fahatezerana Hahatafintohina Anao (w 15/8/99 p. 8-9)
No. 2: Salamo 49:1-20
No. 3: * Famaliana ny Fanizingizinan’ireo Mino ny Evôlisiôna (rs p. 101 feh. 5–p. 104 feh. 2)
No. 4: Nahoana no Tsy Manam-pinoana ny Olona Maro? (rs p. 239 feh. 1–p. 240 feh. 3)
10 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 56-65
Hira 44
No. 1: Ny Devoly ve no Mahatonga Antsika Harary? (w 1/9/99 p. 4-7)
No. 2: Salamo 59:1-17
No. 3: Ahoana no Mety Hahazoana Finoana? (rs p. 240 feh. 4–p. 241 feh. 3)
No. 4: Porofoina Amin’ny Asa ny Finoana ny Fandehan-javatra Vaovao sy Marina (rs p. 241 feh. 5–p. 242 feh. 3)
17 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 66-71
Hira 210
No. 1: Fidio “ny Anjara Tsara” (w 1/9/99 p. 30-31)
No. 2: Salamo 69:1-19
No. 3: Ahoana no Azo Amantarana ny Mpaminany Sandoka? (rs p. 335 feh. 3–p. 337 feh. 1)
No. 4: Tsy Takatr’ireo Mpaminany Marina Foana hoe Amin’ny Fomba Ahoana sy Rahoviana no Hitranga Ireo Zavatra Nolazaina Mialoha (rs p. 337 feh. 2-7)
24 Sept. Famakiana Baiboly: Salamo 72-77
Hira 217
No. 1: Nahoana Ianao no Hitana ny Teny Nataonao? (w 15/9/99 p. 8-11)
No. 2: Salamo 73:1-24
No. 3: Mampandroso ny Fanompoam-pivavahana Marina ny Fanambarana Ataon’ny Mpaminany Marina Iray (rs p. 337 feh. 8–p. 338 feh. 1)
No. 4: Fantatra Amin’ny Voany ny Mpaminany Marina (rs p. 338 feh. 2–p. 340 feh. 1)
1 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 78-81
Hira 88
No. 1: Miezaha Hahazo Fahendrena, ary Ekeo ny Fifehezana (w 15/9/99 p. 12-15)
No. 2: Salamo 78:1-22
No. 3: Famaliana Ireo Izay Miantso Antsika hoe Mpaminany Sandoka (rs p. 340 feh. 2–p. 341 feh. 1)
No. 4: Tsy Voalahatr’Andriamanitra Mialoha ny Fotoana Hahafatesan’ny Olona Tsirairay (rs p. 53 feh.1-3)
8 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 82-89
Hira 221
No. 1: Timoty — ‘Tena Zanaka Amin’ny Finoana’ (w 15/9/99 p. 29-31)
No. 2: Salamo 88:1-18
No. 3: Tsy hoe Sitrapon’Andriamanitra Avokoa Akory Izay Rehetra Mitranga (rs p. 54 feh. 1–p. 55 feh. 5)
No. 4: Tsy ny Zava-drehetra no Fantarin’Andriamanitra Mialoha sy Alaminy Mialoha (rs p. 55 feh. 6–p. 56 feh. 1)
15 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 90-98
Hira 134
No. 1: Mahazo Hery Hilazana hoe Tsia Raha ny Amin’ny Fanaovan-dratsy (w 1/10/99 p. 28-31)
No. 2: Salamo 90:1-17
No. 3: Ny Fahaizan’Andriamanitra Mamantatra Mialoha sy Mandamina Mialoha ny ho Fisehoan-javatra (rs p. 56 feh. 2–p. 57 feh. 1)
No. 4: Ny Antony Tsy Nampiasan’Andriamanitra ny Fahaizany Mamantatra Mialoha Tamin’i Adama (rs p. 57 feh. 2-4)
22 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 99-105
Hira 89
No. 1: Fianarana Ilay Lalana Tsara Indrindra, dia ny Fitiavana (w 15/10/99 p. 8-11)
No. 2: Salamo 103:1-22
No. 3: Tsy Voalahatr’Andriamanitra Mialoha ny Hoavin’i Jakoba, na i Esao, na i Jodasy (rs p. 58 feh. 1-3)
No. 4: Amin’ny Heviny Ahoana ny Kongregasiona Kristianina no Voalahatra Mialoha? (rs p. 58 feh. 4–p. 59 feh. 1)
29 Okt. Famakiana Baiboly: Salamo 106-109
Hira 214
No. 1: “Jehovah no Manome Fahendrena” (w 15/11/99 p. 24-27)
No. 2: Salamo 107:1-19
No. 3: Ahoana no Fiheveran’ny Soratra Masina ny Astrôlôjia? (rs p. 59 feh. 2–p. 60 feh. 3)
No. 4: Inona avy Ireo Antony Marim-pototra Sasany Inoana An’Andriamanitra? (rs p. 37 feh. 1-8)
5 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 110-118
Hira 14
No. 1: Ny Apokalypsy — Tokony Hatahorana sa Hantenaina? (w 1/12/99 p. 5-8)
No. 2: Salamo 112:1–113:9
No. 3: Ny Faharatsiana sy ny Fahoriana dia Tsy Manaporofo fa Tsy Misy Andriamanitra (rs p. 38 feh. 1-3)
No. 4: Olona Tena Misy Andriamanitra, ary Manana Fihetseham-po (rs p. 39 feh. 1-7)
12 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 119
Hira 35
No. 1: Aza Avela Hanjary ho Fahalemenao ny Tanjakao (w 1/12/99 p. 26-29)
No. 2: Salamo 119:1-24
No. 3: Tsy Nanam-piandohana Andriamanitra (rs p. 39 feh. 8–p. 40 feh. 2)
No. 4: Tena Ilaina ny Fampiasana ny Anaran’Andriamanitra mba Hahazoana Famonjena (rs p. 40 feh. 3-6)
19 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 120-137
Hira 175
No. 1: Salamo: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 1 (si p. 104-105 feh. 23-27)
No. 2: Salamo 120:1–122:9
No. 3: Tsara Daholo ve ny Fivavahana Rehetra? (rs p. 40 feh. 7–p. 41 feh. 2)
No. 4: Karazana “Andriamanitra” Manao Ahoana i Jesosy? (rs p. 41 feh. 3-4)
26 Nov. Famakiana Baiboly: Salamo 138-150
Hira 135
No. 1: Salamo: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 2 (si p. 105-106 feh. 28-32)
No. 2: Salamo 139:1-24
No. 3: bFamaliana Ireo Fanoherana Momba ny Finoana An’Andriamanitra (rs p. 42 feh.1–p. 43 feh. 1)
No. 4: Ny Antony Tsy Nahavitan’ny Olona Nanangana Fitondram-panjakana Marina (rs p. 253 feh. 1-6)
3 Des. Famakiana Baiboly: Ohabolana 1-7
Hira 132
No. 1: Teny Fampidirana ny Ohabolana — Fizarana 1 (si p. 106-107 feh. 1-5)
No. 2: Ohabolana 4:1-27
No. 3: Ny Antony Tsy Mampahomby ny Ezak’olombelona Hitondra Fanamaivanana (rs p. 254 feh. 1-6)
No. 4: Ny Fanjakan’Andriamanitra Ihany no Manome Izay Tena Ilain’ny Olombelona (rs p. 254 feh. 7–p. 255 feh. 4)
10 Des. Famakiana Baiboly: Ohabolana 8-13
Hira 51
No. 1: Teny Fampidirana ny Ohabolana — Fizarana 2 (si p. 107-108 feh. 6-11)
No. 2: Ohabolana 13:1-25
No. 3: Voaporofo fa Azo Itokisana Tanteraka Ireo Faminanian’ny Baiboly (rs p. 256 feh. 1-4)
No. 4: Tsy avy Amin’ny Fanahin’Andriamanitra ny Fanasitranana Mahagaga Amin’izao Andro Izao (rs p. 173 feh. 1-4)
17 Des. Famakiana Baiboly: Ohabolana 14-19
Hira 111
No. 1: Ohabolana: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 1 (si p. 109-110 feh. 19-28)
No. 2: Ohabolana 16:1-25
No. 3: Ny Tsy Fitovian’ny Fanasitranana Nataon’i Jesosy sy ny Mpianany sy ny Fanasitranana Amin’izao Andro Izao (rs p. 174 feh. 1-4)
No. 4: Ny Fomba Amantarana ny Kristianina Marina Amin’izao Andro Izao (rs p. 174 feh. 5–p. 175 feh. 4)
24 Des. Famakiana Baiboly: Ohabolana 20-25
Hira 9
No. 1: Ohabolana: Mahasoa — Nahoana? — Fizarana 2 (si p. 110-111 feh. 29-38)
No. 2: Ohabolana 20:1-30
No. 3: Ny Antony Nanomezana ny Fanomezam-pahasoavana Hanasitrana Tamin’ny Taonjato Voalohany (rs p. 176 feh. 1-p. 177 feh. 1)
No. 4: Misy Fanantenana Tena Fanasitranana ve ho An’ny Olombelona Rehetra? (rs p. 177 feh. 2-4)
31 Des. Famerenana An-tsoratra. Famakiana Baiboly: Ohabolana 26-31
Hira 180
[Fanamarihana ambany pejy]
a Arakaraka ny amelan’ny fotoana, dia diniho ny famaliana ireo fanizingizinana sy fanoherana ary ny toy izany, izay tena ilaina indrindra eny amin’ny faritany.
b Arakaraka ny amelan’ny fotoana, dia diniho ny famaliana ireo fanizingizinana sy fanoherana ary ny toy izany, izay tena ilaina indrindra eny amin’ny faritany.