Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 13 Martsa
Hira: 118, Hira 187
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: “Vaovao Tsara no Torintsika”. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Manomeza ohatra ny amin’ny hevitra tsara araka ny Soratra Masina, izay azo alaina avy ao amin’ny boky Fahalalana, rehefa manolotra azy io eny amin’ny fanompoana.
20 min: “Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?” (Fehintsoratra 1-11). Fanontaniana sy valiny. Lazao ny tampon’isan’ny mpisava lalana mpanampy, hita vao haingana tao amin’ny kongregasiona. Manasà mpitory sasany, izay tafiditra tao amin’io isa io, hilaza ny soa azon’ny tenany manokana avy tamin’ny fampitomboana ny ora nandraisany anjara tamin’ny fanompoana. Ampirisiho ny kongregasiona mba hiezaka hanatratra tampon’isa vaovao amin’ny mpisava lalana mpanampy, mandritra ny Aprily. Diniho indray ireo fepetra takina voasoritra ao amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 113-114. Ny mpitory maniry ny ho mpisava lalana mpanampy dia afaka mahazo taratasy fangatahana, aorian’ny fivoriana.
Herinandron’ny 20 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: “Inona no Azoko Atao?” Mpitarika ny fianarana ny boky iray miara-midinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana iray na roa. Noho ny antony maro samihafa tsy ahafahana manao zavatra, dia mety hahatsapa ho tsy afaka mandray anjara firy amin’ny asan’ny kongregasiona ny mpitory sasany. Diniho ny sasany amin’ireo fomba maro ahafahantsika rehetra mandray anjara lehibe amin’ny fanatanjahana ny kongregasiona sy amin’ny fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Farano amin’ny fampisehoana ny fomba ahafahan’ny tsirairay ‘Miomana ho Amin’ny Filazana Asa Farany’ izany. — Jereo ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 109-110.
20 min: “Afaka Manao ny Aprily 2000 ho ny Volana Tsara Indrindra ho Antsika ve Isika?” (Fehintsoratra 12-18). Fanontaniana sy valiny. Asio fampisehoana fohy iray ny amin’ny fomba hanasana olom-pantatra iray ho any amin’ny Fahatsiarovana. Jereo ny volana Aprily ao amin’ny Kalandrie 2000, ary sorito ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana alamina eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hanao fandaharam-potoana azo ampiharina, mba handraisana anjara betsaka araka izay azo atao, eny amin’ny fanompoana, mandritra ny volana, ka izany dia hikendrena ny handraisan’ny kongregasiona anjara 100 isan-jato. Ampirisiho ny rehetra izay afaka, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ka haka taratasy fangatahana aorian’ny fivoriana.
Herinandron’ny 27 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Martsa. Lazao ny anaran’izay rehetra ho mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily. Hazavao fa tsy tara loatra, raha omena izao ny fangatahana. Sorito ny fandaharam-potoana manontolon’ireo fivoriana ho amin’ny fanompoana kasaina hatao amin’ny volana. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny fanompoana amin’ity faran’ny herinandro ity, mba ho tsara fiandohana ny Aprily. Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! isika, mandritra ny volana. Manasongadìna lahatsoratra iray sy hevitra mety iray izay azo ampiasaina amin’ny fomba mandaitra, rehefa mampiseho ny tsirairay amin’ireo nomerao farany. Tokony hanana bokikely Takina ny tsirairay, ary hiezaka hampiasa azy io mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny olona liana.
13 min: “Mangataha Fanampiana”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ataon’ny loholona iray. Hazavao fa mila fanampiana isika rehetra tsindraindray. Mazava ho azy fa tokony hitondra ny entany avy ny tsirairay. (Gal. 6:5). Kanefa, rehefa tsy afaka mitondra ny entantsika isika, dia tsy tokony hisalasala hitady fanampiana any amin’ny mpikambana iray matotra ara-panahy ao amin’ny kongregasiona. Asao ny mpanatrika hilaza fitantarana izay mampiseho ny fomba nahazoan’izy ireo fampaherezana avy tamin’ny fanampiana tamin-katsaram-panahy nomen’ny hafa.
10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
12 min: Diniho mialoha ny Diary 2000. Lahateny miorina amin’ny zava-nisongadina tao amin’ny “Tontalibeny 1999”, eo amin’ny pejy faha-31. Diniho koa ny “Taratasy Avy Amin’ny Fitambara-mpitantana”, eo amin’ny pejy faha-3-5. Hampiarahina amin’ity Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ity ireo pejy ireo. Asao hilaza ny heviny momba izay fomba hanarahany an’ilay fampirisihana nomena ny mpitory sasany.
Herinandron’ny 3 Aprily
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy zavatra hita teny am-pitoriana. Mampiasà fitantarana voafantina, niseho vao haingana, teo amin’ny faritany eo an-toerana, izay hampirisika ny hafa handray anjara amin’ny fanompoana.
17 min: “Fianarana Ny Faminanian’i Daniela”. Fanontaniana sy valiny. Asio firesahana fohy ny fomba handraisantsika soa avy amin’ny fianarana ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly. (Jereo ny toko voalohany, fehintsoratra 15-17, ao amin’ny boky ny Faminanian’i Daniela.) Ampirisiho ny rehetra hanatrika tsy tapaka ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona.
18 min: Tokony Hitatitra Fanaovan-dratsy Lehibe ve Aho? Lahateny hentitra iray ataon’ny loholona, avantana amin’ny tanora. Zava-manahirana maro hita eto amin’ity fiaraha-monina maoderina ity, no nanimba ireo tanora: fitotonganan’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena, fitomboan’ny herisetra, fanandevozan’ny zava-mahadomelina, ary tsy fanajana fahefana. Manana fiainana roa sosona ny zatovo sasany, ka manafina ny fitondran-tenany ratsy. Tena mandrahona ny fahasalamana ara-panahin’ny kongregasiona manontolo izany. Ny sasany manao zava-dratsy lehibe, ka manafina izany. Inona no tokony hataonao, raha mahafantatra rahalahy na anabavy iray ao amin’ny kongregasiona, nanao zavatra izay fandikana lehibe ny lalàn’Andriamanitra, ianao? Diniho ilay foto-pitsipika voalaza ao amin’ny Levitikosy 5:1. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1997, pejy 27-30.) Jereo ny boky Manontany ny Tanora, pejy 68-69, ary hazavao izay tokony hataon’ny olona iray amin’ny toe-javatra toy izany.