FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/00 p. 1
  • ‘Inona no Azoko Atao?’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Inona no Azoko Atao?’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fomba hitarihana an’ireo vaovao hanatona ny fandaminan’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ampio ny Fiangonana Misy Anao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Mazoto Manolotra ny Tenantsika ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
km 3/00 p. 1

‘Inona no Azoko Atao?’

1 ‘Inona no azoko atao?’ Tsy isalasalana fa tao an-tsain’ireo olom-bitsy niara-nianatra Baiboly izay nalamin’i Charles Taze Russell, tamin’ireo taona 1870, izany fanontaniana izany. Rehefa nitombo ny fahatakaran’ireny mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany ireny ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy maintsy nanontany tena ny amin’izay azony natao izy ireo, mba hanampiana ny hafa hianatra momba ny fikasan’Andriamanitra. Tena asa goavana ny nizara naneran-tany ny fahalalana ara-baiboly, izay azon’izy ireo.

2 Soa ihany ho antsika fa afaka nandresy izany zava-tsarotra izany izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Nanao ny anjarany, izay toa kely, ny tsirairay, hany ka ankehitriny, dia nanjary fantatra maneran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah — fandaminana iray misy mpitory ilay Fanjakana efa ho enina tapitrisa, manompo ao amin’ny kongregasiona tokony ho 90 000, any amin’ny tany sy nosy 234! — Isaia 60:22.

3 Tohano amin’ny fomba feno ny fitoriana: Tena zava-dehibe ny handraisan’ny tsirairay amintsika anjara amin’ilay asa goavana, izay nambaran’i Jesosy mialoha fa hatao amin’izao andro farany izao. (Marka 13:10). Mazava fa tsy azo avela iantsorohan’ireo loholona vitsy an’isa, na ireo mpisava lalana irery ihany io asa fitoriana io. Raha ny marina, ny Kristianina nanolo-tena tsirairay dia samy manana anjara asa lehibe amin’io. Isika rehetra dia afaka mandray anjara amin’ny endri-pitoriana rehetra. (1 Tim. 1:12). Na manao ahoana na manao ahoana habetsahan’ny vitantsika, dia mandray soa ny tenantsika sy ny hafa. — 1 Tim. 4:16.

4 Ny tsirairay koa dia afaka manohana amin’ny fomba feno ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina misy antsika, amin’ny fomba lehibe hafa. Afaka manohana ny fivorian’ny kongregasiona isika, amin’ny fanatrehana tsy tapaka azy ireo sy amin’ny fandraisana anjara amin-kafanam-po. (Sal. 122:1, 8, 9). Afaka manao ny anjarantsika isika, mba hihazonana ny kongregasiona ho madio ara-pitondran-tena. Afaka manohana ara-bola ny asa maneran-tany, araka izay fahafahantsika, isika. Afaka mandray anjara amin’ny fanadiovana ny Efitrano Fanjakana isika. Ny tsirairay dia afaka mampandroso ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fanampiana ny vaovao sy ny tanora ary ny be taona. — Kol. 3:12, 14.

5 Koa mety hanontany àry ianao hoe: ‘Inona no azoko atao?’ Na dia mety ho toa kely aza ny ezaka ataon’ny tenanao manokana, dia hahatonga ny kongregasiona ho matanjaka sy ho marisika ary ho salama ianao, amin’ny fanaovanao ny anjaranao. Amin’izay, dia mandray anjara tena lehibe amin’ny fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah isika rehetra!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara