Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Novambra
Herinandron’ny 1 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho ny hoe “Jereo ny Herin’ny Baiboly!”
15 min: “Mampiavaka Antsika ny Fitoriana”. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Amin’ny fampiasana ny boky Fahalalana, pejy 173, fehintsoratra 8, dia resaho vetivety izay azontsika lazaina mba hampirisihana ny mpianatra Baiboly iray, mba hiezaka handroso ka handray anjara amin’ny fanompoana.
20 min: “Iza no Mety Hanaiky Fampianarana Baiboly?” Lahateny sy fampisehoana. Mifanaraka amin’ny fehintsoratra faha-4, dia milazà fomba maro samy hafa mba hanairana ny fahalianana hianatra izay raketin’ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Manaova fampisehoana fohy roa momba ny fomba azo anaovana izany. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nahafahany nanomboka fampianarana.
Herinandron’ny 8 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny. Sorito ny fandaharana eo an-toerana mba hihazonana ny Efitrano Fanjakana hadio sy tsy ho simba.
20 min: “Inona no Holazainao Amin’ny Miozolimanina?” Fanontaniana sy valiny. Asongadino ny ilana fahaiza-manavaka, rehefa miresaka amin’ny olona hafa kolontsaina. Manaova fampisehoana voaomana tsara. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Miozolimanina, dia jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 23-24; ary ny L’humanité à la recherche de Dieu, toko faha-12.
Herinandron’ny 15 Novambra
8 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Lazao izay andro manokana hanaovana fanompoana.
25 min: “Ny Fanohanana Ara-bola ny Fanompoana”. Lahateny miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 119, fehintsoratra 1 ka hatramin’ny pejy 120, fehintsoratra 2.
12 min: Ry Ray Aman-dreny — Mitarika Fianaram-pianakaviana Tsy Tapaka ve Ianareo? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hazavao ny antony ilan’ny fianakaviana miara-mianatra. (Jereo ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 37-38.) Resaho ireto fanakantsakanana ny fianaram-pianakaviana manaraka ireto: 1) ny fiheverana fa mbola kely loatra ireo ankizy ka tsy handray soa, 2) ny fieritreretana fa ampy ny fanatrehana ny fivorian’ny kôngregasiôna, 3) ny harerahana noho ny fandaharam-potoana feno, ary 4) ny fanelingelenan’ny fijerena televiziona. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1994, pejy 11-12.) Asao ireo loham-pianakaviana hilaza ny fomba nandreseny ireo vato misakana amin’ny fihazonana fahazarana tsara eo amin’ny fianaram-pianakaviana. Antitrantero fa mitaky ezaka sy fahatapahan-kevitra ary fiaraha-miasa izany.
Herinandron’ny 22 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy zavatra hita teny am-pitoriana.
10 min: Manao Ahoana ny Fihetsikao Manoloana ny Asa Nanendrena? Lahateny ataon’ny loholona iray. Lava be ny lisitr’ireo asa takina tena ilaina, mba hiasan’ny kôngregasiôna tsara hatrany: fanomanana ireo anjara amin’ny fandaharana; fakana ny hafa ho any amin’ny fivoriana na fitondrana azy ireo eny amin’ny fanompoana; fanampiana ny zokiolona; ary fanadiovana sy fanamboarana ny simba ao amin’ny Efitrano Fanjakana sy fanadiovana ary fikarakarana azy, voafaoka amin’izany ny zaridaina sy ny fanalana ny fotaka amin’ny fahavaratra. Ahoana no fihetsikao, rehefa angatahina mba hanampy ianao? Mety handa, hanaiky tsy sazoka, na tsy hamita hatramin’ny farany izay tokony hatao, ny sasany. Resaho fa tombontsoa mahasambatra ny fanekena sy ny fanatanterahana ny asa nanendrena. Ampirisiho ny rehetra ao amin’ny kôngregasiôna, mba hampiseho toe-tsaina feno fahavononana. — Sal. 110:3; Isaia 6:8.
25 min: “Ny Fomba Anonerana ny Lanin’ny Kongregasiona”. Lahateny miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 121. Mampidira zavatra ilaina eo an-toerana.
Herinandron’ny 29 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Novambra.
15 min: Ampirisiho Ireo Vaovao Hanatrika Fivoriana. Resadresaka ifanaovan’ny loholona iray sy ny mpanampy amin’ny fanompoana iray na roa, miorina amin’ny bokikely Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra, pejy 14-15. Diniho ny antony maha zava-dehibe ny hanatrehan’ireo vaovao fivoriana. Any izy ireo dia hahazo ny tapany lehibe indrindra amin’ny fampianarana sy ny fampaherezana ary ny fanampiana ilainy. Diniho ireo fivoriana dimy isan-kerinandro, ka hazavao ny soa azo avy amin’ny tsirairay aminy. Resaho fa ny fivoriana dia mampandroso ny fitondran-tena tsara, mampiorina ara-panahy, mampanatona antsika amin’ny fandaminana, manampy antsika hanana fatorana akaiky eo amin’ny hafa, ary manampy antsika hahatakatra ny zava-kendren’ny fanompoantsika. Ampirisiho ny mpanatrika hampiasa ilay bokikely, mba handrisihana ireo vaovao ho tonga any amin’ny fivoriana.
20 min: “Aoka Isika Hiahy ny Mahantra”. Lahateny miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 122-124.