FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/97 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 1 Desambra
  • Herinandron’ny 8 Desambra
  • Herinandron’ny 15 Desambra
  • Herinandron’ny 22 Desambra
  • Herinandron’ny 29 Desambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 12/97 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Desambra

Herinandron’ny 1 Desambra

Hira 57, Hira 165

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.

15 min: “Miresaha Mahakasika An’i Jehovah Isan’andro”. Fanontaniana sy valiny. Rehefa mamita ny fehintsoratra faha-4, dia mampidira fanazavana avy ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, fianarana 16, fehintsoratra faha-14-16.

20 min: “Ny Baiboly — Mpitari-dalana avy Amin’Andriamanitra ho An’ny Olona Rehetra”. Miresaka ilay lahatsoratra sy ireo antony tokony hahavoatosika ny tsirairay handinika ny Baiboly, ny loholona iray. (Jereo ilay bokikely hoe Boky Iray ho An’ny Olona Rehetra, pejy faha-30 sy faha-32.) Adinadino vetivety ny mpitory roa ny amin’ny fomba niomanany hampiasa ireo fomba fampiseho anolorana hevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-3-8. Ataovy fampisehoana ny iray amin’ireo fitsidihana voalohany sy ny fiverenana mitsidika mifanentana aminy.

Herinandron’ny 8 Desambra

Hira 58, Hira 172

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.

20 min: Nahoana no Mitatitra Fanaovan-dratsy? Lahateny ataon’ny loholona iray, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 1997, pejy faha-26-30.

15 min: “Manina Anao ny Hafa!” Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, tarihin’ny loholona iray. Lazao ireo salanisan’ny mpanatrika fivoriana ao amin’ny kongregasiona. Manasà olona vitsivitsy hilaza ireo antony mahatonga azy ireo ho velombelona noho ireo fiarahana ao amin’ireo fivoriana.

Herinandron’ny 15 Desambra

Hira 63, Hira 174

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manomeza fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hamaliana amim-pahaiza-mandanjalanja ireo fiarahabana amin’ny fetin’izao tontolo izao. Sorito ireo fandaharana manokana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha amin’ny 25 Desambra sy 1 Janoary.

10 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.

25 min: “Tokony ho Mpampianatra Isika fa Tsy ho Mpitory Fotsiny”. Fanontaniana sy valiny. Rehefa mamita ny fehintsoratra faha-11, dia vakio ny Boky ho An’ny Sekoly, fianarana 15, fehintsoratra faha-11.

Herinandron’ny 22 Desambra

Hira 138, Hira 222

8 min: Fampandrenesana eo an-toerana.

17 min: “Ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika Amin’ny 1998”. Lahateny hataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Diniho ireo fomba ahafahan’ny rehetra mandray soa feno kokoa avy amin’ny sekoly, mandritra ny taona ho avy. Ampirisiho ny fanarahana ny “Fandaharam-pamakiana Baiboly Fanampiny” vaovao isan-kerinandro.

20 min: Torio Hatraiza Hatraiza ny Vaovao Tsara. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ny boky Ny Fanompoantsika, pejy faha-92-97, amin’ny fampiasana ireto fanontaniana ireto: 1) Nahoana no ahitana fahombiazana amin’ny fampielezana ny vaovao tsara ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratra vokarintsika? Nahoana isika no tokony hanolotra zavatra vita an-tsoratra isaky ny misy fahafahana hanao izany? 2) Nahoana isika no tokony hahatsiaro avy hatrany ny hanao fanambarana tsy ara-potoana? Inona avy no fomba sasany hanaovana fanambarana tsy ara-potoana? (Manasà mpitory vitsivitsy hitantara fanandraman-javatra mahakasika ny fanambarana tsy ara-potoana.) 3) Nahoana ny kongregasiona no tokony hiezaka mafy hamita tsara ny faritany nanendrena azy? Rehefa betsaka ny faritany, inona no tombon’ny fananana faritanin’ny tena manokana? 4) Ahoana no andraisantsika soa amin’ireo fandaharana ho amin’ny fanaovana fanambarana miaraka? Ahoana no andaharantsika ny asa fanambarantsika mba hanaovana izay hahazoana antoka ny hampiasana amin’ny fomba tsara indrindra ny fotoanantsika?

Herinandron’ny 29 Desambra

Hira 181, Hira 215

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana. Raha hiova ny fotoan’ny fivorian’ny kongregasionanareo amin’ny taona vaovao, dia manomeza fampaherezana amin-katsaram-panahy mba hampirisihana ny rehetra hanatrika tsy tapaka miaraka amin’ny kongregasiona amin’ireo fotoam-pivoriana vaovao.

15 min: Fandinihana ny Zavatra Vita An-tsoratra Atolotra Amin’ny Janoary. Milazà hevi-dehibe azo resahina hanampy amin’ny fanomanana ireo fomba fampiseho. Asio fampisehoana iray. Tokony hanohy ny ezaka ataontsika hanomboka fampianarana amin’ny bokikely Takina na amin’ny boky Fahalalana isika.

20 min: “Fanatanterahana ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ao Amin’ny Kongregasiona”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana iray maneho ny fomba anampian’ny loholona iray ny mpitory iray izay nanjary tsy nahafeno ireo fivoriana, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo loharanon-kevitra atoron’ny Indeksa. Ampirisiho mafy ireo mpitory mba hanangana tahirim-boky ho azy ireo, indrindra ho fanararaotana ny fampihenan’ny Fikambanana ny vidin’ny volumes reliés taona 1995 sy ny teo alohany rehetra, ho 4 000 FMG, na amin’ny fiteny inona na amin’ny fiteny inona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara