Manina Anao ny Hafa!
1 Indraindray dia mety tsy hahavonjy ny iray na mihoatra amin’ireo fivorian’ny kongregasiona isika, ka mihevitra hoe ‘Tsy hisy hihevitra ny tsy maha-ao ahy; tsy ho voamarik’izy ireo akory hoe tsy ao aho’. Tsy marina izany! Sahala amin’ny rantsambatana rehetra amin’ny vatantsika, ny tsirairay avy amintsika dia manana anjara asa lehibe amin’ny firindran’ny kongregasiona. (1 Kor. 12:12). Ny tsy fanatrehantsika ny iray amin’ireo fivoriana isan-kerinandro dia mety hisy vokany eo amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny hafa izay manatrika. Raha tsy ao ianao, dia aoka ianao hahazo antoka hoe: manina anao ny hafa!
2 Ny anjara asa lehibe tananao: Nanantena fatratra ny hihaona tamin’ireo rahalahiny, i Paoly. Manazava ny antony ny Romana 1:11, 12: “Hanomezako fahasoavam-panahy ho anareo, (...) mba hiarahako hamporisihina aminareo amin’ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.” Mitovy amin’izany koa, amin’ny alalan’ny valin-tenintsika sy ireo anjarantsika ao amin’ny fivoriana ary ny fanatrehantsika mihitsy, dia manao zavatra betsaka hifampaherezana isika mba hanohizana eo amin’ny lalam-pahatokiana. — 1 Tes. 5:11.
3 Tsy dodona ny hahita ny hafa any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona ve ianao? Mihaino amim-pitandremana ny valin-tenin’izy ireo ianao ary mankasitraka ny fanambaran’izy ireo ny finoany. Mandray anjara amin’ny fampaherezana anao ny fanomezana ara-panahin’izy ireo. Raha tsy manatrika fivoriana izy ireo, dia hahatsapa ianao fa misy fahabangana lehibe. Mahatsapa zavatra mitovy amin’izany aminao ireo rahalahinao sy anabavinao raha tsy eo ianao.
4 Ny anjara asa lehibe tanan’ireo fivoriana: Indray mandeha, dia nanazava ny maha-zava-dehibe ireo fivoriana ho an’ny fahavelomantsika ara-panahy Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny filazana hoe: “Eto amin’itỳ tontolo rotidrotiky ny fifandrafiana sy maloto ara-pitondran-tena itỳ, dia tena fialofana ara-panahy ny kongregasiona kristiana. (...) Toerana tsy ahitana ahiahy feno filaminana sy fiadanana. Noho izany, aoka ianao ho mpanatrika tsy tapaka ireo fivoriana rehetra”. (wMG 15/8/93 p. 11). Isan’andro isika dia miatrika tarehin-javatra mandreraka antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanjary ho variana loatra amin’ireo fanahiantsika manokana ka mety hanary ny fahitantsika ireo zava-dehibe kokoa mahaliana ara-panahy. Mifampiankina isika rehetra eo amin’ny fampaherezana ilaintsika mba hitoerana ho miray saina sy be zotom-po eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. — Heb. 10:24, 25.
5 Zava-dehibe ny fanatrehantsika ireo fivoriana. Mety hahatonga antsika tsy ho afaka hanao izany indraindray ny aretina sy ny zava-mitranga tsy ampoizina. Raha tsy izany kosa, dia aoka isika ho tapa-kevitra mandrakariva ny ho anisan’ireo vahoaka sesehena tafavory izay miara-midera an’i Jehovah! — Sal. 26:12.