Miresaha Mahakasika An’i Jehovah Isan’andro
1 Tian’ny olona ny miresaka izay zavatra rehetra ankafiziny, satria avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava. (Lioka 6:45b). Inona no sarobidy ho an’ny fontsika? Nanoratra ny mpanao salamo hoe: “Ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.” (Sal. 35:28). Nanana fankasitrahana lalina an’i Jehovah izy ary nihevitra ho tombontsoa sarobidy ny firesahana mahakasika an’Andriamanitra sy ny fiderana azy amin’ny fotoana rehetra. Noho ilay mpanao salamo nifankazatra tamim-piraiketam-po tamin’i Jehovah, dia nanana zavatra maro niravoravoana izy. (Sal. 35:9). Ahoana no ahafahantsika manahaka ny ohatra tsara nomeny?
2 Miresaha mahakasika an’i Jehovah ao an-tranonao: Tokony ho foto-dresaka isan’andro ao an-tokantrano, i Jehovah. Ireo ray aman-dreny izay manana fitiavana lehibe an’i Jehovah dia hiresaka mora foana momba azy amin’ny asa rehetra ataony. (Deot. 6:5-7). Rehefa manao izany izy ireo, dia ho tsikaritr’ireo zanany fa miaina mifanaraka amin’ny finoany sy mankafy ny lalàn’Andriamanitra ireo ray aman-dreniny. Avy eo ireo ankizy dia hihevitra ny fianaram-pianakaviana miorina amin’ny Baiboly ho ny fanehoana marina ny fifikirana amin’Andriamanitra ananan’ireo ray aman-dreniny. — 2 Pet. 3:11, NW.
3 Miresaha mahakasika an’i Jehovah amin’ireo rahalahinao: Mandritra ny fanaovan-javatra teokratika mahazatra antsika isan-kerinandro, dia manana fahafahana maro hamahanana ny saintsika sy ny fontsika amin’ny sakafo ara-panahy isika. Ampy zavatra tsara holazaina mandrakariva isika. (Lioka 6:45a). Nisy hevitra voamarikao ve avy amin’ny fianaranao manokana ny Baiboly na ny famakianao Baiboly isan-kerinandro ka tena nahafinaritra anao indrindra? Ampahafantaro ireo rahalahinao izany, ka amin’izay dia hanampy azy ireo hampitombo ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah ianao. — Sal. 35:18; Heb. 10:24.
4 Miresaha mahakasika an’i Jehovah amin’ny hafa: Amin’ny fifaneraserantsika isan’andro amin’ny olona — any am-piasana sy any am-pianarana ary amin’ireo mpianakavy tsy mpino — dia tokony ho hita avy hatrany fa ny fanaovana fanambarana momba an’i Jehovah no zavatra ifantohantsika eo amin’ny fiainana. Tokony hankalaza an’Andriamanitra ny tenintsika, fa tsy ho voapentimpentin’ny fitenenana mahery sy tsy mihajan’itỳ tontolo itỳ. Isan’andro sy isaky ny misy fahafahana, dia miresaha amin’ny hafa mahakasika ny vaovao tsara izay nanirahana antsika mba hotorina. — Asa. 5:42; Kol. 4:6.
5 Amin’ny maha-mpivavaka marina amin’i Jehovah antsika, dia enga anie isika ka hanararaotra isan’andro ireo fahafahana hiresaka mahakasika ilay Andriamanitsika tsy manan-tsahala, dia i Jehovah. — Sal. 106:47.