Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Jolay
Herinandron’ny 7 Jolay
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Resaho ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Martsa, nanerana ny nosy sy tao amin’ny kongregasiona.
15 min: “Valian-tsoa ny Fahatokiana”. Fanontaniana sy valiny. Ampidiro ny ohatra voatantara ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Janoary 1993, pejy 18-21.
20 min: “Ampio ny Hafa Hahita Fampiononana”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Asio fampisehoana iray na roa. Asao ny mpanatrika hitantara ireo fomba hafa nanombohany resaka tamin’ny fampiasana ireo bokikely ireo. Ampirisiho ny fampiasana teny tsotra, voafantina tsara, mba hanairana ny fahalianana. (Jereo ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 7, fehintsoratra 9-11.) Lazao ireo bokikely hafa ho azo atolotra ka ao amin’ny tahirin’ny kongregasiona.
Herinandron’ny 14 Jolay
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Diniho ny “Handinika ny Boky Fahasambaram-pianakaviana Isika”.
18 min: “Mitoria any Amin’izay Rehetra Ahitana Olona”. Lahateny. Raha mamela izany ny fotoana, dia mitantarà fanandraman-javatra fanampiny avy ao amin’ny Diary 1997, pejy 43-46.
15 min: Ry Ray Aman-dreny — Ampianaro ny Zanakareo Raha Mbola Zazakely. Mandinika ireo fotopoto-pitsipika araka ny Soratra Masina manoritra ny ilan’ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany raha mbola zazakely, ny loholona iray. (Ohab. 22:6; 2 Tim. 3:14, 15). Mihevitra ny ray aman-dreny sasany fa tsy tokony homena fanabeazana ara-baiboly hentitra ny ankizy, raha tsy efa ampy taona mba hanao ny fanapahan-keviny manokana. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ankizy maro no nafoy ho an’izao tontolo izao. Ny fampianarana ara-panahy dia tokony hatomboka raha mbola zazakely ny ankizy. (gMG 8/3/97 p. 28-29; wMG 1/11/88 p. 12-13). Manadinadìna mpivady iray izay mampiseho fiahiana ny ara-panahin’ireo zanany. Asehoy fa ilay raim-pianakaviana no mitarika, saingy samy manao ny anjarany izy mivady mba hanomezana fandaharam-pampianarana tsy miovaova sady feno ho an’ny zanany. Mitantara izay efa ataony ilay mpivady mba hiezahana hampianatra ny fahamarinana ny zanany, ka hampihatra ireo fanoloran-kevitra nomen’ny fandaminana momba ny fananana fandaharam-pampianarana mandaitra sady azo ampiharina ao an-tokantrano. Manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fampiharana izay ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra mafy mba hataon’ny ray aman-dreny, ilay loholona. — Efes. 6:1-4.
Herinandron’ny 21 Jolay
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny “Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany”.
13 min: “Iza no Handeha ho Irakay?” Lahateny iray manorina. Ampidiro ny fampirisihana hanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra, ary koa ilay fanandraman-javatra hita ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 1997, fehintsoratra 16-17. Ireo izay tsy afaka ny ho tonga mpisava lalana maharitra dia mety haniry handamina mialoha ny (na ireo) volana hanaovany ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ao anatin’ny taom-panompoana ho avy.
20 min: Aoka Ianao ho Vonona Hanao Fanambarana Tsy Ara-potoana. Isan’andro isika dia tojo fahafahana maro hanao fanambarana amin’ny olona mihaona amintsika. Rehefa mitranga izany, dia mety hahita isika fa tsy manana Baiboly na zavatra vita an-tsoratra hampiasaina. Manaova fandaharana mialoha. Ao an-trano, dia manàna zavatra vita an-tsoratra azo raisina eo akaikin’ny varavarana andraisanao mpitsidika. Asio zavatra vita an-tsoratra isan-karazany ao anatin’ny kitaponao na ny poketranao, ary ento eny aminao izany na ao anatin’ny fiarakodianao, any am-piasana, na any am-pianarana. Mitondrà zavatra vita an-tsoratra rehefa mitaingina fitateram-bahoaka. Asio izany ao anatin’ny entanao rehefa manao dia lavitra noho ny asa, na ny fivoriambe ianao, na rehefa mandeha vakansy. Mandiniha fanoloran-kevitra fanampiny ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 80-82, fehintsoratra 11-16. Asio fampisehoana fohy ny amin’ireo fomba maromaro hanatonana mpivarotra, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, mpiray dia, na mpanao vakansy.
Herinandron’ny 28 Jolay
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoana. Diniho indray ny zavatra hatolotra amin’ny Aogositra. Amin’ny Aogositra, dia miezaha hiverina any amin’izay nametrahana bokikely tamin’ny Jolay, amin’ny fiezahana hanomboka fampianarana Baiboly. Amin’ny fampiasana ny takelaka fanampiny amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1997, dia asehoy ny zavatra sasany tena ilaina mba hanaovana fiverenana mitsidika mandaitra. Tokony hatomboka amin’ny bokikely Takina na ny boky Fahalalana ny fampianarana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
18 min: Tanteraho Amin’ny Fomba Feno ny Fanompoanao. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana, miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 5-8. Antitrantero ny maha-zava-dehibe sy ny ilana maika ny asa fitoriana, ka ampirisiho ny rehetra hiantsoroka amim-pitandremana ny andraikiny amin’ny maha-minisitra azy.