Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aogositra
Herinandron’ny 7 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Milazà lahatsoratra ao amin’ireo gazety vao haingana izay ho azo asongadina eo amin’ireo fomba fampiseho.
15 min: “Tokony ho Karazan’olona Manao Ahoana moa Ianareo?” Fanontaniana sy valiny.
20 min: “Aoka Ianareo ho Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra — Amin’ny Fampiasana Bokikely”. Ny rahalahy voatendry hanao itỳ anjara itỳ dia hiara-midinika amin’ny mpitory hafa roa na telo momba ireo lafiny misongadina samihafa amin’ireo bokikely. Avy eo izy ireo dia hanao fanazaran-tena eo amin’izy samy izy ny amin’ireo fomba fampisehony.
Herinandron’ny 14 Aogositra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
10 min: Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra ny Sekoly. Asehon’ny loholona ny fomba azon’ny ray na ny reny iray iresahana amin’ny zanakalahy na zanakavavy tanora momba ny fifantenana taranjam-pianarana any an-tsekoly. Diniho ny ilana ifidianana taranja izay hanampy amin’ny fikatsahana fototr’asa iray ao amin’ny fanompoana. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 1992, pejy faha-16-18, fehintsoratra faha-3-11.
15 min: “Ray aman-dreny Izay Mifaly!” Lahateny ataon’ny loholona. Ampidiro ireo fanazavana avy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1987, pejy faha-13-15, fehintsoratra faha-14-23.
15 min: “Fitondran-tena Kristiana any An-tsekoly”. Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ireo ray aman-dreny mba hiaraka hijery indray amin’ireo zanany Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1991, pejy faha-23-26, indrindra fa ireo ampahany miresaka momba ireo raharaha iadian-kevitra izay azo inoana fa ho hitan’ireo ankizy.
Herinandron’ny 21 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. “Fandaharana Vaovao ho An’ny Andro Fivoriambe Manokana”. Raha fantatra izany, dia lazao ny datin’ny fivoriambe manaraka. Ampirisiho ny rehetra hanatrika.
15 min: “Mazoto Manolotra ny Tenantsika ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”. Lahateny mafana ataon’ny loholona miorina amin’ny fehintsoratra 1-9.
20 min: “Mazoto Manolotra ny Tenantsika ho Amin’ny Asa Tsara Rehetra”. Fanontaniana sy valiny mahafaoka ny fehintsoratra faha-10-15. Lazao ireo zavatra ilaina eo an-toerana sy ny fomba ahafahan’ny rehetra manolotra fanampiana.
Herinandron’ny 28 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana.
15 min: “Mitaky Fampianarana Mandaitra ny Fiverenana Mitsidika Mahomby”. Jereo indray ireo hevi-dehibe ary mampanaova fampisehoana fohy iray na roa.
20 min: Fanolorana ny Boky Hiaina Mandrakizay Mandritra ny Septambra. Hazavao ny fomba itanan’io boky io anjara asa lehibe eo amin’ny fampitana ny hafatra momba ny didim-pitsaran’i Jehovah. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1988, pejy faha-25-26, fehintsoratra faha-17-18.) Mitantarà fanandraman-javatra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 May 1992 eo amin’ny pejy faha-32, fehintsoratra faha-3-4. Sariho ny saina ho amin’ireo sary manaitra ny saina hita eo amin’ny pejy faha-3, 11-13 sy faha-156-158 ao amin’ilay boky. Diniho ireo fomba azo ampiasana ireo sary ireo mba hanombohan-dresaka. Manasà mpitory mahay iray hanao fampisehoana fohy amin’ny fampiasana ny iray amin’ireo andininy ao amin’ny Soratra Masina asongadina eo amin’ny pejy faha-156-158. Antitrantero ny zava-kendrena, dia ny fiezahana hanomboka fampianarana Baiboly. Ampahatsiahivo ny rehetra mba haka boky hampiasaina amin’io faran’ny herinandro io.