FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/95 p. 2
  • Ray Aman-dreny Izay Mifaly!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ray Aman-dreny Izay Mifaly!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Mitovitovy Aminy
  • Ry Tanora — Ampifalio ny Fon’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ampifalio ny fon’ny ray aman-dreninao
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Tanjona Inona avy no Apetrakao eo Anoloan’ny Zanakao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Ampiofano ny Zanakao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 8/95 p. 2

Ray Aman-dreny Izay Mifaly!

1 Raha tanora mipetraka ao amin’ny tokantrano kristiana iray ianao, dia misy fomba manokana iray ahafahanao manao izay hahasambatra ny ray aman-dreninao. Raha manaraka lalam-pitondran-tena marina ianao, “dia ho faly ny rainao sy ny reninao”. (Ohab. 23:22-25). Maniry ara-dalàna izay tsara indrindra ho anao ny ray aman-dreninao. Tsy misy zavatra mampifaly azy ireo mihoatra noho ny mahita anao mandray ny fahamarinana sy manolotra ny fiainanao ho an’i Jehovah.

2 Afaka ny ho velom-pisaorana ianao manana ray aman-dreny ao amin’ny fahamarinana. Nanomboka tamin’ny nahaterahanao, dia namelona anao, nampitafy anao, sy nanome fialofana ho anao, ary koa nikarakara anao nandritra ny fotoana nampaharary anao, izy ireo. Ny mbola zava-dehibe kokoa mihitsy aza, dia niezaka nampianatra anao momba an’i Jehovah sy ny lalany marina izy ireo; izany dia fampiofanana afaka miantoka ny fiainanao mandrakizay. (Efes. 6:1-4). Ahoana no azonao ampisehoana ny fankasitrahanao?

3 Raiso ny fahamarinana: Niezaka nampianatra anao hihevitra ny fahamarinana ho zava-dehibe, hanao fandrosoana ara-panahy, sy hitoetra ho akaikin’ny fandaminan’i Jehovah, ny ray aman-dreninao. Afaka mampiseho fankasitrahana ianao amin’ny fanehoana fahalianana amin’ny fianaram-pianakaviana, kanefa tsy voatery hoterena. Manehoa faniriana hanatrika ireo fivoriana, amin’ny faharisihana hanombo-javatra amin’ny nahim-ponao mba ho vonona, ka ho afaka ho tonga ara-potoana ny fianakaviana. Miaraha mipetraka amin’ny ray aman-dreninao mandritra ireo fivoriana, ary mihainoa tsara amin’ny fanarahana ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratra ianarana. Miezaha handroso ho amin’ny fandraisana anjara amin’ireo fivoriana amin’ny alalan’ny fanomezana valin-teny. Misehoa ho mpianatra mazoto amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, amin’ny fanekena ny anjara anendrena sy amin’ny fanaovana izay tsara indrindra vitanao mba hanatontosana azy ireny. Manolora tena an-tsitrapo hanampy amin’ny fanaovan-draharaha momba ny Efitrano Fanjakana, amin’izay hilana ny fanampianao. Afaka mitana ny fonao hifantoka amin’izay tsara ho anao amin’ny lafiny ara-panahy ny fandraisana anjara amin’ny fanaovan-javatra toy ireny.

4 Mamera zava-kendrena mampiseho fandrosoana: Miezaha handroso ho amin’ny fandraisana anjara misy heviny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, amin’ny fanehoana faniriana hameno fepetra ho mpitory. Araho ny famakiana Baiboly isan-kerinandro, na ny tsara kokoa mihitsy aza, dia vakio manokana ny Baiboly manontolo. Manapaha hevitra fa hameno ireo fepetra takina ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa ianao. Afaka manampy anao hieritreritra amim-pitandremana ny taranjam-pianaranao any an-tsekoly ny ray aman-dreninao, amin’ny fikendrena ny hahazo fampiofanana izay hanomana anao ho amin’ny fandraisana anjara feno eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Mifantoha amin’ny fahazoana ilay karazana laza izay handrisika ny hafa hanolotra anao ho mendrika ireo tombontsoa manokana toy ny fanaovana ny asan’ny mpisava lalana na ny fanompoana ao amin’ny Betela. (Asa. 16:1, 2). Ny fanatratrarana zava-kendrena dia afaka manampy anao ‘hahazo antoka ny amin’ny zavatra lehibe kokoa, mba ho feno ny vokatry ny fahamarinana ianao’. — Fil. 1:10, 11, NW.

5 Ny fahatanorana dia fotoana hianarana, hahazoana fanandraman-javatra sy fahaizana manao zavatra eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny hafa. Izy io no fotoana ahafahanao mankafy ny fiainana tsy misy ireo fanerena sy andraikitra rehetra izay tonga miaraka amin’ny maha-olon-dehibe. Hoy i Solomona: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao”. (Mpit. 11:9). Raha tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah dieny mbola tanora ianao, dia hijinja fitahiana izay haharitra mandrakizay. — 1 Tant. 28:9.

6 Raha ‘miezaka mitady fahamarinana’, fa tsy ny “filan’ny tanora fanahy”, ianao, dia hanamaivana ny ray aman-dreninao amin’ny enta-mavesatry ny tebiteby sy ny alahelo. (2 Tim. 2:22). Hanome ho an’ny fonao manokana, antony hifaliana ianao. (Ohab. 12:25). Ny zava-dehibe indrindra, dia hitondra fifaliana ho an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona anao ianao. — Ohab. 27:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara