FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/95 p. 7
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 4/95 p. 7

Fampandrenesana

◼ Zavatra vita an-tsoratra hampiasaina mandritra ny Aprily sy May: Famandrihana amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! Any amin’ny faritany voasa matetika, dia azo ampiasaina na bokikely inona na bokikely inona (afa-tsy ny bokikely Sekoly). Jona: Fanolorana manokana: Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, amin’ny sarany 1500 FMG (1000 FMG no haloan’ny mpisava lalana). Jolay sy Aogositra: Na inona na inona amin’ireto bokikely 32 pejy manaraka ireto: “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, Inona no Zava-kendren’ny Fiainana? — Ahoana no Mety Hahitanao Azy Io?, Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fitondram-panjakana Izay Hitondra ny Paradisa, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?, Tokony Hino ny Trinite ve Ianao?, sy Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao. FANAMARIHANA: Ireo kongregasiona izay hila an’ireo zavatra hatolotra eny amin’ny asa fanompoana voalaza eo ambony ireo dia tokony hanafatra azy ireo amin’ny Taratasy Fanafarana Zavatra Vita An-tsoratra (S-AB-14) halefany manaraka.

◼ Araka ny nambara teo aloha, dia havoaka amin’ny Alahady 23 Aprily ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana manokana. Izany dia hatao any amin’ny fivorian’ny kongregasiona, ary koa any amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy andro fivoriambe manokana, nalamina ho amin’io andro io. Azo atomboka avy hatrany aorian’ny famoahana azy ny fizarana an’io Vaovao Momba Ilay Fanjakana io. Mahakasika ny kongregasiona REHETRA izany, anisan’izany ireo izay mety ho tsy maintsy hanova ny fotoan’ny fivoriany noho ny fivoriambe, na ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, na ny asa hafa. Ny kongregasiona izay manao ny lahateny manokana aorian’ny 23 Aprily dia mahazo mamoaka sy manomboka mizara ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana amin’ny 24 Aprily.

◼ Rehefa vita ny fandinihana ny boky Fanambarana any amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, dia ilay boky hoe Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra indray no hianarana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara