Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy mijery boky miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nandritra ireo herinandro nanomboka ny 2 Janoary ka hatramin’ny 17 Aprily 1995. Mampiasà taratasy tsotra hanoratana ny valin-teny ho an’ny fanontaniana faran’izay betsaka azonao atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Rehefa neken’Andriamanitra ny fibebahan’i Davida noho ny nanotany niaraka tamin’i Batseba, dia afaka tamin’ny voka-dratsin’ny fitondran-tenany ratsy i Davida sy ny ankohonany. [uwMG p. 127, fehin. faha-5]
2. Ny fotopoto-pitsipika fonosin’ny Ohabolana 11:1 dia hoe tsy maintsy manaraka ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ekena sy manao ny marina isika eo amin’ireo fandraharahana rehetra ataontsika raha maniry hahazo sitraka amin’i Jehovah. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/2/87 p. 19.]
3. Famantarana fahalemena ny fanekena torohevitra. [uwMG p. 127, fehin. faha-4]
4. Ny Ohabolana 14:17 dia manisy fiheverana voalohany ny amin’ny fihetseham-po, satria mazàna izy ireny dia mialoha ny fanaovan-javatra. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/8/93 p. 20-21.]
5. Izay rehetra miantso an’i Jesosy hoe Tompo dia hovonjena. [uwMG p. 105, fehin. faha-5]
6. Tamin’ny 33 am.f.i., rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy ka naka ny toerany teo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, dia nanomboka nanjaka teo amin’ireo mpianany voahosotra izy tamin’izay fotoana izay. (Kol. 1:13). [gtMG toko faha-132]
7. Sahabo ho 3 000 taona talohan’ny nahitan’ireo mpahay siansa ny rafi-pandovan-toetra, dia nampiseho taratry ny fahafantarana azy io ny Salamo 139:13-16. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/6/92 p. 4.]
8. Filazalazana ny fahendrena fotsiny ny Ohabolana 8:22-31. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/8/87 p. 28.]
9. Ny Kristiana marina dia tokony tsy hankahala na inona na inona. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 1/1/92 p. 21.]
10. Ny Ohabolana 11:25 dia ohatra ny amin’ireo fifanitsian-javatra mitovy dikany ao amin’ny tononkalo amin’ny teny hebreo, ary ny Ohabolana 10:7 dia ohatra ny amin’ny fifanitsian-javatra mifanohitra. [siMG p. 107, fehin. faha-7]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Nahoana ireo Salamo no mihoatra lavitra noho ny haisoratra lehibe iray? [siMG p. 104, fehin. faha-23]
12. Nitondra soa inona ho an’i Jesosy ny fahalalany ireo Salamo? [siMG p. 105, fehin. faha-30]
13. Iza no nanome an’i Solomona ny fahendreny, ary tokony hahatonga antsika hahatakatra inona izany rehefa mamaky ny Ohabolana isika? [siMG p. 106, fehin. 1]
14. Noheverin’i Maria Magdalena ho iza moa i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty, rehefa niresaka taminy tao amin’ilay saha izy io, ary inona no nanampy azy hamantatra araka ny tokony ho izy an’i Jesosy? [gtMG toko faha-128]
15. Mpikambana roa tao amin’ny Synedriona iza avy, izay natahotra ny ho fantatra ho niaraka tamin’i Jesosy, no nanampy tamin’ny fanomanana ny fatiny ho amin’ny fandevenana? [gtMG toko faha-127]
16. Ahoana no ahafahantsika maneho eo amin’ireo asa ataontsika isan’andro fa manana fitiavana feno fahafoizan-tena an’ireo rahalahintsika isika? [uwMG p. 132-133, fehin. faha-3, 4]
17. Fisehoan-javatra ara-tantara inona no tantarain’ny Salamo 136:10-15, ary inona no nitranga tamin’i Farao? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/6/93 p. 5.]
18. Manana zava-kendrena roa sosona inona avy ny ra nalatsak’i Kristy? [uwMG p. 115, fehin. faha-13]
19. Nahoana ireo apostoly nahatoky sy i Jakoba, rahalahy iray reny tamin’i Jesosy, ary mpianatra maherin’ny 500 no nino mafy fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy? [gtMG toko faha-131]
20. Inona no nahatonga an’i Jesosy Kristy ho ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany? [gtMG fanazavana ao amin’ny sasin-teny]
Omeo ny teny na ny fehezanteny ilaina mba hamenoana ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Tao amin’ilay lahateny nalaza nataony tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., i Petera dia naka teny imbetsaka avy tao amin’ny bokin’ny _________________________; tamin’izay fotoana izay dia olona sahabo ho _________________________ no natao batisa ka nanampy ny kongregasiona. [siMG p. 105 fehin. faha-25, 26]
22. Ny Salamo dia nanambara mialoha fa i Jesosy dia hotolorana _________________________ hosotroina, fa amin’ny filokana no hizarana ny _________________________, ary ho toa nafoin’ _________________________ izy. [siMG p. 105, fehin. faha-30]
23. Ny fandaminan’i Jehovah dia teokratika, ka midika izany hoe izy io dia _________________________; i Jehovah dia manome fitarihana amin’ny alalan’ilay Lohan’ny kongregasiona, dia i _________________________, amin’ny alalan’ny Teniny, ny _________________________; ary i Jesosy dia nanankina andraikitra manokana tamin’ny _________________________. (Matio 24:45, NW). [uwMG p. 118-119, fehin. faha-4-6]
24. Mifanohitra amin’ireo 144 000 izay nalaina ho any an-danitra, dia hisy _________________________ tsy tambo isaina, ho tafita velona amin’ny _________________________ eto ______________ eto ihany. (Apok. 7:9, 14). [uwMG p. 118-119, fehin. faha-3, 4]
25. Mba hanaovana fanapahan-kevitra nankasitrahan’Andriamanitra, ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany dia nandinika tamim-pitandremana izay nolazain’ny _________________________ ara-tsindrimandry momba ilay foto-kevitra nananana tamin’izay, ary koa ny porofon’ny fiasan’ny _________________________. (Asa. 15:6-29). [uwMG p. 120, fehin. faha-8]
Fidio ny valin-teny marina ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Tamin’ny fanomboana azy dia nomena divay niharo miora i Jesosy, kanefa dia tsy nety nisotro azy io izy satria (nandrara izany ny Lalàna; Nazirita izy; naniry ny ho tompon’ny tenany tanteraka izy). [gtMG toko faha-125]
27. Ny fanasana ny akanjontsika sy ny famotsiana izany amin’ny ran’ny Zanak’ondry dia midika fa isika dia (mitsahatra tsy manota; manaiky fa mila ny fahafahan’ny soron’i Jesosy hamela fahotana; manolotra ny fiainantsika ho an’Andriamanitra sy atao batisa). [uwMG p. 106, fehin. faha-7]
28. Indimy fara fahakeliny i Jesosy no nambaran’i (Heroda; Pilato; Feliksa) ho tsy nanan-tsiny, kanefa tatỳ aoriana izy io dia nilefitra teo anoloan’ny fangatahana tsy nisy indrafo nataon’ny Jiosy ary nanolotra an’i Jesosy hovonoina ho faty. [gtMG toko faha-124]
29. Ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky rehetra izay maty sy nitoetra ho maty talohan’ny Pentekosta (36; 35; 33) am.f.i. dia tsy voahosotra tamin’ny fanahy masina ho amin’ny fiainana any an-danitra. [uwMG p. 111, fehin. faha-5]
30. Manizingizina i Satana fa ny olombelona rehetra dia atosiky ny (fitiavana; fankahalana; faniriana hahazo tombony manokana ho an’ny tenany), fa ny ahiny voalohany indrindra dia (ny anaran’Andriamanitra; ny hafa; ny tenany). [uwMG p. 124, fehin. faha-14]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voalahatra eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Ohab. 3:27, 28; Jaona 19:4-6; 19:25-27; Rom. 15:2, 3; Apok. 7:16, 17
31. Manana andraikitra hanao izay hikarakarana ny ray aman-dreniny be taona ny Kristiana. [gtMG toko faha-126]
32. Manahy marina ny amin’izay mety ho vokatry ny fisehoantsika eo amin’ny hafa isika, ka vonona ny hanao sorona ny fampifaliana ny tenantsika. [uwMG p. 130, fehin. faha-10, 11]
33. Na oviana na oviana isika no manana fahafahana hanao soa amin’ny hafa, na amin’ny fomba ara-panahy izany na ara-nofo, dia tokony hanararaotra ny fahafahana hanampy ny mpiara-belona amintsika, indrindra fa ireo rahalahintsika ara-panahy, isika. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo ny wMG 15/12/93 p. 20.]
34. Ny fahamendrehana mangina sy fahatoniana eo anatrehan’ny fahoriana dia afaka manome voninahitra an’i Jehovah ary mahazo ny fanajan’ny olona. [gtMG toko faha-123]
35. Efa manomboka mankafy sahady ireo toe-piainana nampanantenaina izay antsoina amin’ny fomba mifanentana hoe “paradisa ara-panahy” isika. [uwMG p. 107-108, fehin. faha-9-11]