FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/95 p. 7
  • Valin’ireo Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ireo Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 4/95 p. 7

Valin’ireo Fanontanianareo

◼ Iza no azo ampiasaina hamaky ireo fehintsoratra mandritra ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana?

Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Novambra 1977 sy tamin’ny Septambra 1980 (frantsay) dia niresaka momba ny hoe iza no mahafeno fepetra ho mpamaky teny. Rahalahy vita batisa no ampiasaina raha misy. Tokony hofantenana avy eo amin’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa ary rahalahy vita batisa hafa, mahay ao amin’ny kongregasiona, izy ireo. Ireo voatendry dia mila mahay mamaky teny tsara sy manovaova araka ny tokony ho izy ny toe-peony hifanaraka amin’ny teny vakiny sy ny hevitra ambarany. Tokony hafana fo sy hampiseho ireo toetra ilaina amin’ny fanaovana lahateny voasoritra ao amin’ny toko faha-6 amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, izy ireo. (Ampitahao amin’ny Nehemia 8:8.) Tokony ho fakan-tahaka koa izy ireo amin’ny fitondran-tenany.

Koa satria kely kokoa noho ny fivoriana hafa ataon’ny kongregasiona ny fianarana ny boky, dia mety tsy hisy rahalahy vita batisa mahafeno fepetra foana ho azo ampiasaina hamaky teny. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia azon’ilay mpitarika ny fianarana atao ny manapa-kevitra fa izy ihany no hamaky ny fehintsoratra, na azony atao koa ny mangataka anabavy iray mahafeno fepetra sy vita batisa, izay mahay mamaky teny tsara, mba hanampy. Raha anabavy no manao ny famakian-teny, dia tsy mila manao saron-doha izy akory, satria tsy fampianarana no ataony amin’izany. Mazava ho azy fa azony atao ny misaron-doha, raha izany no hitany fa tsy hahasadaikatra kokoa azy.

Amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia tena azo inoana fa hisy rahalahy mahafeno fepetra ho azo ampiasaina hamaky teny. Ilay mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia tokony hanao fandaharam-potoana aloha be ho an’ireo mpamaky teny ka hametaka azy io eo amin’ny takelaka fanaovana filazana. Andraikitry ny fitambaran-doholona manontolo ny mifantina ireo izay hotendrena hamaky teny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Raha tsy mahay mamaky teny tsara ny rahalahy iray, ilay mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana dia tokony hanao dingana voalohany amin’ny fanomezana azy fananarana sy fanampiana amin-katsaram-panahy. Azo averina jerena matetika araka izay ilana azy ny lisitr’ireo mpamaky teny, mba hahazoana antoka fa tsy misy tomika hatrany ny hatsaran’ny famakian-teny. Raha nesorina tao amin’ilay lisitra ny rahalahy iray, dia tokony hampahafantarina azy ny antony sy izay toetra ilainy hanaovana fiezahana mba hahafenoany fepetra indray.

Na famakian-teny ho an’ny antokon’olom-bitsy amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izany na ho an’ny kongregasiona manontolo amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ilay olona voatendry dia tokony hihevitra ny tombontsoany ho zava-dehibe. (1 Tim. 4:13). Tokony hiteny amin-toky tanteraka izy, amin’ny famakiana amim-pahakingana sy amin’ny fomba izay hampita araka ny tokony ho izy ny “teny fahamarinana mahitsy”. — Mpit. 12:10, NW.

[Loharanon-kevitra]

Tsy hita ao amin’ny anglisy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara