FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/95 p. 2
  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aprily

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aprily
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 3 Aprily
  • Herinandron’ny 10 Aprily
  • Herinandron’ny 17 Aprily
  • Herinandron’ny 24 Aprily
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
km 4/95 p. 2

Ireo Fivoriana Momba ny Asa Amin’ny Aprily

Herinandron’ny 3 Aprily

Hira 203, Hira 219

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho ilay lahatsoratra hoe “Miomàna ho Amin’ny Fahatsiarovana”.

15 min: “Velom-pankasitrahana Noho Izay Ananantsika”. Fanontaniana sy valiny. Araka ny hamelan’ny fotoana hanao izany, dia manaova teny fanampiny mifototra amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Novambra 1990, pejy 19-20, fehintsoratra 15-20.

20 min: Tariho Amin’ny Fomba Tsy Tapatapaka ny Fianaram-pianakavianao. Maneho ny fanahiany momba ny tsy fisian’ny fandrosoana ara-panahy eo amin’ireo zanany ny lehilahy iray sy ny vadiny. Miaiky ralehilahy fa nanao tsirambina raha ny amin’ny fitarihana ny fianaram-pianakaviana; indraindray dia efa herinandro maromaro no lasa kanefa dia tsy nisy fampianarana ny fianakaviana natao. Mandinika ny fananarana sy ny fitarihana omena ao amin’ny Boky ho An’ny Sekoly, pejy 37-38, fehintsoratra 12-14 izy ireo. Miombon-kevitra izy mivady fa hanome ny laharam-pahamehana ho an’ny fianaram-pianakaviana isan-kerinandro, ka tsy hamela ny fanaovan-javatra hafa hanakantsakana azy io.

Herinandron’ny 10 Aprily

Hira 212, Hira 150

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Filazana momba ny toe-bola sy fankasitrahana ireo fanomezana. Vaovao Teokratika. Ampahatsiahivo ny ilan’ny rehetra hanampy ireo olona liana mba hanatrika ny Fahatsiarovana. Ampirisiho mafy ny rehetra mba hanao ezaka manokana mba handray anjara amin’ny asa fitoriana amin’itỳ faran’ny herinandro itỳ.

15 min: “Fihazonana ny Maha-tafaray Antsika Noho Ilay Fanjakana”. Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika.

20 min: “‘Zavatra Be dia Be Hatao ao Amin’ny Asan’ny Tompo’”. Fandinihana ilay lahatsoratra amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny hotarihan’ny mpiandraikitra ny asa. Jereo indray ireo fandaharana betsaka noho ny mahazatra noraisina mba hizarana isan-trano ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana manokana. Diniho ireo planina natao mba hiasana ny faritany rehetra nanendrena ny kongregasiona eo an-toerana. Hazavao izay tokony hatao mba hanampiana ireo vaovao mba hanomboka handray anjara amin’ny fanompoana. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny Martsa 1995, pejy 1.)

Herinandron’ny 17 Aprily

Hira 214, Hira 197

13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Mitantarà zavatra misongadina mampahery tamin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana, ary diniho ny fomba ahafahana manome fanampiana fanampiny an’ireo vaovao izay nanatrika. Ampirisiho mafy ny rehetra mba hanatrika ilay lahateny manokana amin’ny 23 Aprily ary koa hanampy an’ireo olona liana vao haingana mba hanatrika izany koa. Jereo indray ireo fandaharana natao ho amin’ny asa fitoriana ho fizarana ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana.

15 min: “Misy Zavatra Hitanao fa Ilaina Hatao Ve?” Fanontaniana sy valiny. Tantarao fohifohy ireo zava-kendrena iezahan’ireo loholona hatao amin’izao fotoana izao eo amin’ny asa fiandrasana ataon’izy ireo. Hazavao izay azon’ny isam-batan’olona atao mba hitondrana fanampiana.

17 min: “Karohy Ireo Olona Maniry Hianatra”. Resaho ny maha-zava-dehibe ny fanaovana fiverenana mitsidika. Ampirisiho ny hampiasana ny Baiboly. Mampanaova fampisehoana fohifohy ny amin’ny fomba fampiseho iray na roa.

Herinandron’ny 24 Aprily

Hira 167, Hira 142

15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ny fandrosoan’ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana eny amin’ny faritany. Asao ireo mpitory mba hitantara fanandraman-javatra hitany tamin’ny fanolorana ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Manomeza fanipazan-kevitra ny amin’ny fomba fampiseho gazety, mifanentana amin’ny faritany eo an-toerana.

12 min: Valin’ireo Fanontanianareo.

18 min: “Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! — Gazety ho An’ny Androntsika Mahadodona!” Fiaraha-mandinika ilay lahatsoratra amin’ny mpanatrika. Mitantarà fanandraman-javatra misy fanehoam-pankasitrahana ireo gazety. (gF 22/7/91 p. 9). Asao ny mpitory roa hampiseho ny fomba hanomanana fomba fampiseho iray hampiasana ilay fanipazan-kevitra omena, avy eo dia asao mba hanao fampisehoana momba izany izy ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara