Fihazonana ny Maha-tafaray Antsika Noho Ilay Fanjakana
1 Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana tena misy, manana hery sy fahefana. Izy io no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. (Matio 4:17). Ny fampianarana ny hafa sy ny fanaovana fanambarana mikasika ny fahamarinana momba ilay Fanjakana no tapany lehibe indrindra tamin’ny fanompoan’i Jesosy. Nampianatra antsika izy mba hangataka amin’ny vavaka an’io Fanjakana io sy tsy hitsahatra hikatsaka azy io voalohany indrindra. (Matio 6:9, 10, 33, NW). Ny fitoerantsika ho akaiky an’i Jehovah sy ny fandaminany, sy ny fanatanterahantsika ny fanirahana antsika hitory, ary ny fitoerantsika ho tafasaraka amin’izao tontolo izao, dia mahatonga antsika hihazona ny maha-tafaray antsika noho ilay Fanjakana. Amin’ny ataontsika sy ny tenintsika, dia mampiseho isika fa miandany amin’ilay Fanjakana. — Jaona 18:37.
2 Nanomboka tamin’ny 1914, ilay Fanjakana dia nanjary zavatra tena misy ho an’ireo olom-peheziny an-tapitrisany maro. Ny firaisan-tsaina asehon’ireo olom-pehezin’ilay Fanjakana ireo dia mifanohitra tanteraka amin’itỳ tontolo misara-bazana itỳ. Tsy maintsy ataontsika ho tena misy eo amin’ny fiainantsika ilay Fanjakana raha tiantsika ho hery mampiray izy io. Inona no mahatonga azy io ho tena misy eo imasontsika?
3 Tahaka ny fitondram-panjakana hafa, ilay Fanjakana dia manana fehezan-dalàna. Kanefa tsy mitovy amin’ny an’ny hafa ny azy, satria ireo lalàny dia hita ao amin’ny Baiboly. Ny famakiana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra dia manome antsika ny fampahatsiahivana ilaina momba izay takina amintsika amin’ny maha-olom-pehezin’ilay Fanjakana antsika. Ny fianarana manokana ireo zavatra vita an-tsoratra ananantsika sy ny fitarihana avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” dia manampy antsika hampihatra ny lalàn’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro. (Matio 24:45, NW). Arakaraka ny anaovan’ny tenantsika manokana fampiharana toy izany, ilay Fanjakana dia mihamanjary tena misy kokoa ihany eo imasontsika, ka mampifanakaiky kokoa antsika eo anivon’ilay firahalahiana maneran-tany, ary mahatonga antsika ho fianakaviana tafaray voaforon’ny mpivavaka, tapahin’i Jesosy.
4 Tafaray noho ny fitoriana momba ilay Fanjakana: Ny fanirahana nampanaovina antsika dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany”. (Asa. 1:8, NW). Ny fitoriana amin’ny “saina iray” dia mampiray antsika rehefa miezaka mafy mba ‘hankalaza’ an’i Jehovah isika. (Rom. 15:5, 6). Ny fandraisantsika anjara amin-jotom-po amin’izy io, miaraka amin’ireo mpiara-miasa amintsika maneran-tany, dia manatanjaka ny finoantsika ary mamela ny fanahin’i Jehovah hanan-kery eo amintsika mba hanatanterahana ny sitrapony. Ny ‘fananana zavatra be dia be atao ao amin’ny asan’ny Tompo’ dia mahatonga antsika “hiorina tsara, tsy ho azo hozongozonina”. — 1 Kor. 15:58, NW.
5 Any amin’ny tany maro i Satana dia miezaka handrava ny firaisan-tsaintsika amin’ny fanakantsakanana ny asa fitoriantsika. Mampiasa ny fomba rehetra eo am-pelatanany izy mba hamafazana tsy fifanarahana sy hampisy tsy fifankahazoana, mba hanandramana hampipoitra fifampiandaniana sy fifandirana. (Ohab. 6:19; Gal. 5:19-21, 26). Tiany isika hiditra amin’ireo ady hevitr’itỳ tontolo itỳ sy homba mihitsy ny andaniny iray eo amin’ny raharaha ara-politika sy ara-tsosialy. (Jak. 3:14-16). Mampirisika antsika mba hanohitra ny fitaomany ny Soratra Masina; raha tsy izany, dia handrapaka antsika toy ny rembiny izy. (1 Pet. 5:8, 9). Tsy tokony havelantsika ho lefy ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny maha-zavatra tena misy ny fanantenantsika momba ilay Fanjakana.
6 Ny fihazonana ny maha-tafaray antsika dia mitaky ny hananana saina mahay mitsara zavatra sy fahendrena avy any ambony. Rehefa mipoitra ny zava-manahirana, indrindra raha mahatafiditra ireo rahalahintsika izany, dia tsy maintsy maneho ny vokatry ny fanahy isika mba hitandroana ny fihavanana. Ireo toetra mampiavaka an’itỳ tontolo itỳ, toy ny fiavonavonana sy ny fitsiriritana ary ny fanambonian-tena tafahoatra dia mampisara-bazana ka tsy maintsy resena. (Efes. 4:1-3; Kol. 3:5-10, 12-14). Mila mihazona ny saintsika ho feno hevitra manorina sy mampandroso isika. Zavatra iray tena misy eo amin’ny fiainantsika ilay Fanjakana! Tsy maintsy mailo anefa isika mba hihazonana azy io ho toy izany hatrany! — Efes. 6:11, 13.
7 Ny maha-zavatra tena misy ny fanantenantsika mahatalanjona momba ilay Fanjakana dia mampiray antsika ao amin’ny firaisan-tsaina iray izay tsy hifarana mihitsy. — Sal. 133:1.